1
Tamin'io fotoa io Jesosy nandeha namakivaky gny tanimbary tamin'ny andro Sabatsy. Mosary reo mpianany ka nanomboky nioty salohim-bary la nihinana reo.
2
Nefa lafa jerin'ireo Fariseo io, la hoy rozy tamin'i Jesosy hoe: “Jereo, reo mpianatrao manao zay tsy ara-dalagna gny manao gnazy amin'ny Sabatsy.”
24 Kanefa lafa nahare gnan'io fahagaga io reo fariseo, la hoy rozy hoe: “Io johary io la tsy mamoaky demonia laha tsy amin'ny alalan'i Belzeboba, lehiben'ny demonia.”
25 Kanefa hain'i Jesosy gny eritrerin-drozy ka niresaky gnan-drozy Ie hoe: “Gny fanjaka iaby mialy an-tragno la tsy haharitsy, voho gny tana na tragno iaby mialy an-tragno la ho rava. 26 Laha mamoaky satana gny satana, la mialy an-tragno ie. Manao akory amizay ro hijoroan'ny fanjakany? 27 Voho laha mamoaky reo demonia amin'ny alalan'i belzeboba Aho, la amin'ny alalan'ia ro androahan'ny anakareo gnan-drozy? Nohon'io antony io la ho mpitsaranao rozy. 28 Kanefa laha mamoaky reo demonia amin'ny alalan'ny Fagnahin-Dranagnahary Aho, la fa avy aminareo gny Fanjakan-Dranagnahary.
29 Amin'ny fomba manao akory ro ahafahan'ny olo militsy ao an-tragnon'ny johary mahery voho mangala reo fanagnany laha tsy hofehe aloha gny johary mahery? Bakeo hangalakyreo fanagnany ao an-tragnony ie.
30 Zay tsy momba Gnazy la manohitsy Ahy, voho zay tsy mitambatsy miaraky Amiko la miparitaky.
31 Nohon'io resahako aminareo fa, ho voavela heloky gny olo amin'ny fahota voho fivolagnan-draty iaby, fa gny fivolagnan-draty amin'ny fagnahy Masy la tsy hahazoa famelan-keloky. 32 Na ia ia mivola manohitsy gny Anak'olo, la ho voaveka ie, Fa na ia ia mivola manohitsy gny fagnahy Masy, la tsy ho voavela ie, na amin'izao fiaigna zao, na amin'izay ho avy.
33 Ataovo soa gny hazo la hamoa soa io, na ataovo raty gny hazo la hamoa raty io, fa hay amin'ny voany gny hazo. 34 Nareo avorohotany gny menarana, fotony raty fagnahy nareo, ka manao akory ro ahafahanareo mivola raha soa? Fa avy amin'ny haben'ny ao am-po ro iresahan'ny vavany. 35 Gny olo soa avy amin'ny hanagna soa ao am-pony la mamokatsy zay soa, voho gny olo raty avy amin'ny hanagna raty ao am-pony la maomkatsy zay raty. 36 Resahako aminareo fa amin'ny andron'ny fitsara la hadigny amin'ny resaky tsy voahevitsy nivolagniny iaby gny olo. 37 Fa gny safanao ro hagnamarina gnanao, voho gny safanao ro hagnameloa gnanareo.”
38 Bakeo nisy mpanora-dalagna voho Fariseo sasantsasany namaly gnan'i Jesosy voho niresaky hoe: “Ry Mpampianatsy, magniry gny ahajery famantara bakaminao rahay.”
39 Fa namaly Jesosy voho niresaky an-drozy hoe: “Misy avorohota raty fagnahy voho mpijangajanga mila famantara. Kanefa tsy misy famantara amea gnazy afa-tsy gny famantaran'i Jaona mpaminany. 40 Fa manahaky gnan'i Jonah zay telo andro voho telo haly tao an-kibon'ny fia bevata, la hanahaky gnan'io koa ro hipetrahan'ny anak'olo telo andro voho telo haly ao agnatin'ny tany. 41 Reo olon'i Ninive la hitsanga eo amin'ny fitsara miaraky amy toy avorohota toy voho hagnameloky gnan'io. Fa nibebaky rozy tamin'ny toritenin'i Jona, voho ingo, misy olo bevata noho Jona eto. 42 Gny mpanjakavavin'ny antimo la hiara-hitsanga amin'ireo johariny toy avorohota toy amin'ny andron'ny fitsara voho hagnameloky gnan'io. Avy bakagny amin'ny faran'ny tany ie mba hahare gny fahendrean'i Solomona, voho ingo, misy olo bevata noho Solomona eto.
43 Lafa nisy fagnahy raty niala tao amin'ny johary raiky, la mandalo tany karakaina ie voho mila fitsahara, nefa tsy mahajery gnan'io. 44 Io la milaza hoe: “Himpoly agny amin'ny tragnoko zay nihaviako aho, Voho lafa avy, la nahajery fa voafafa gny tragno voho nilamy. 45 Bakeo la nandeha voho nanday fagnahy raty fito niaraky taminy zay raty mandilatsy gnazy, ka nilitsy nipetraky tao rozy iaby. Bakeo niha raty noho gny voalohany gny fiafaran'io johary io. Voho hanahaky gnan'io koa gny amy toy avorohota raty fagnahy toy.”
46 Laha mbo niresaky tamin'ireo vahoaky Jesosy, la ndreo, gny reniny voho reo rahalahiny nijoro tagny ivelany, nila hiresaky aminy. 47 Nisy olo raiky nivola taminy hoe: “Jereo, gny reninao voho reo rahalahinao mijoro ao aivelany, mila iresaky aminao.”
48 Fa namaly Jesosy voho niresaky tamin'ny gny niresaky Azy hoe: “Ia ro reniko voho ia reo rahalahiko?” 49 Bakeo nahinjiny tamin'ireo mpianany gny tagnany voho niresaky hoe: “Jereo, ndreto gny reniko voho reo rahalahiko! 50 Fa zay manao gny sitrapon'ny babako zay agny an-dagnitsy, la io olo io ro rahalahiko, voho gny anabaviko, voho gny reniko.”