Nahery vaika ny mosary ary efa lanin'izy ireo ny vary novidian'izy ireo tany Egypta tamin'ny dian'izy ireo voalohany.
Nilaza Joda fa tsy maintsy entin'izy ireo i Benjamina rahalahiny raha hidina any Egypta indray izy ireo.
Nilaza Joda fa raha tsy mitondra an'i Benjamina miverina izy, dia hizaka ny tsiny mandrakizay izy.
Nilaza tamin'ireo rahalahy i Israely mba haka sasany amin'ireo vokatry ny tany tsara indrindra, ary mba hitondra vola avo roa heny.
Nangataka tamin'Andriamanitra mba hamindra fo ireo rahalahy any Egypta i Israely, mba ho avotsitra ireo rahalahy rehetra.
Natahotra ireo rahalahy fa ho samborina sy alaina ho andevo noho ny vola tavela tao amin'ireo lasakany tamin'ny dian'izy ireo voalohany izy ireo.
Nilaza tamin'ireo mpitantana ny tranon'i Josefa ireo rahalahy fa nitondra ny vola tavela tao amin'ny lasakan'izy ireo niverina izy ireo, ary nitondra vola mba hividianana sakafo.
Nilaza ilay mpitantana fa ny vola tavela tao amin'ny lasakan'izy ireo dia avy amin'Andriamanitr'izy ireo.
Nitondra ireo fanomezana tao an-trano ireo rahalahy, ary niankohoka teo anatrehan'i Josefa tamin'ny tany.
Nanontany azy ireo momban'ny fahasalaman'ny rain'izy ireo i Josefa.
Nivoaka faingana tao an'efitra i Josefa satria nientanentana mafy noho i Benjamina izy, ary niditra tao an'efitranony ka nitomany.
Maharikoriko amin'ireo Egyptiana ny misakafo miaraka amin'ireo Hebreo.
Nalahatra teo an-databatra araka ny fizokiana sy ny taona ireo rahalahy.
Ny anjaran'i Benjamina dia indimy mihoatra noho ny an'ireo rahalahiny.