Ireo rahalahin'i Josefa folo, tsy niaraka tamin'i Benjamina, no nidina tany Egypta mba hividy vary.
Niankohoka taminy ireo rahalahin'i Josefa ary ny tavan'izy ireo tamin'ny tany.
Nanova endrika sy niteny mafy ireo rahalahiny i Josefa.
Niampanga ireo rahalahiny ho mpitsikilo i Josefa.
Nilaza ireo rahalahin'i Josefa fa niaraka tamin'ny rainy tany amin'ny tany Kanana ny rahalahin'izy ireo zandriny indrindra.
Nilaza ireo rahalahin'i Josefa fa tsy velona intsony ny rahalahin'izy ireo hafa izay tsy teo.
Nilaza Josefa fa tsy hiala an'i Egypta ireo rahalahy, raha tsy tonga any Egypta ny rahalahin'izy ireo zandriny indrindra.
Nametraka ireo rahalahiny tao am-ponja nandritra ny telo andro i Josefa.
Nilaza tamin'izy ireo mba hamela ny iray amin'ireo rahalahiny hotanana am-ponja i Josefa, raha hitondra ny vary ho any Kanana ny hafa ary hitondra ny zandrin'izy ireo faralahy miverina.
Nino izy ireo fa nitaky tamin'izy ireo izay vitan'izy ireo tamin'i Josefa ny ràn'i Josefa.
Rehefa nandre ireo rahalahiny niresaka momba izay nataon'izy ireo taminy Josefa, dia niala teo amin'izy ireo Josefa ka nitomany.
Namerina ny volan'ny rahalahy tsirairay tao amin'ny lasakany i Josefa.
Nihontana ny fon'izy ireo ary nifampiresaka tamim-pangovitana izy ireo.
Niampanga an'Andriamanitra ireo rahalahy, nanontany hoe nahoana no nanao izany tamin'izy ireo Andriamanitra.
Fantatr'izy ireo fa tao amin'ny lasakany avy ny volan'ny lehilahy tsirairay avy.
Natahotra Jakoba fa ho Simeona sy Benjamina no halana aminy.
Nianiana ny hitondra an'i Benjamina hiverina any amin'i Jakoba avy any Egypta i Robena; raha tsy izany, dia ho faty ireo zanak'i Robena roalahy.
Tsia, tsy namela an'i Robena hitondra an'i Benjamina tany Egypta i Jakoba.
Nilaza Jakoba fa hidina any amin'ny Fiainan-tsy hita amin-kalahelo izy raha maty Benjamina.