Genesis 37

Genesis 37:1

Taiza no nonenan'i Jakoba mba hiainany?

Nonina tany amin'ny tany Kanana i Jakoba.

Inona no nentin'i Josefa ho an'i Jakoba rainy raha niambina ny ondry aman'osy niaraka tamin'ireo rahalahiny izy?

Nitondra tatitra ratsy momba ireo rahalahiny i Josefa.

Genesis 37:3

Ahoana no nanehoan'Israely fa tiany mihoatra noho ireo zanany lahy hafa i Josefa?

Nanamboaran'i Israely tohitena raitra i Josefa.

Inona no noheverin'ireo rahalahin'i Josefa ny amin'ny Josefa?

Nankahala azy ireo rahalahin'i Josefa ka tsy niresaka tamim-pitiavana taminy izy ireo.

Genesis 37:7

Inona no hitan'i Josefa tao amin'ny nofiny voalohany?

Nahita ny amboaram-bariny nijoro mahitsy i Josefa raha niankohoka teo anatrehan'ny amboarany ny amboaran'ireo rahalahiny.

Inona no noheverin'ireo rahalahin'i Josefa momba an'i Josefa rehefa avy nitantara tamin'izy ireo momba ny nofiny voalohany izy?

Nankahala azy bebe kokoa aza ireo rahalahin'i Josefa.

Genesis 37:9

Inona no hitan'i Josefa tao amin'ny nofiny faharoa?

Nahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin'ny folo niankohoka teo aminy i Josefa.

Tao amin'ny nofin'i Josefa faharoa, dia nanambara inona ny masoandro, ny volana, ary ny kintana iraika ambin'ny folo?

Ny masoandro, ny volana, ary ny kintana iraika ambin'ny folo dia nanambara ny rain'i Josefa, ny reniny, ary ireo rahalahiny.

Genesis 37:12

Inona no nandefasan'i Jakoba an'i Josefa tany ivelan'ny lohasahan'i Hebrona mba hataony?

Nandefa an'i Josefa tany ivelan'ny lohasahan'i Hebrona mba hijery raha salama ireo rahalahiny, ary hitondra ny teniny i Jakoba.

Genesis 37:18

Inona no notetehan'ireo rahalahin'i Josefa mba hatao rehefa nahita an'i Josefa tamy izy ireo?

Nikasa ny hamono an'i Josefa sy hanipy azy ao amin'ny iray amin'ireo lavaka ireo rahalahin'i Josefa.

Genesis 37:21

Toro-hevitra inona no nomen'i Robena ireo rahalahiny, ary nahoana?

Nanoro-hevitra i Robena fa hanipy an'i Josefa ao anaty lavaka ihany ireo rahalahiny, mba ahafahany manavotra an'i Josefa rehefa afaka kelikely eo.

Genesis 37:27

Tamin'iza no nivarotan'ireo rahalahin'i Josefa an'i Josefa ary ohatrinona?

Nivarotra an'i Josefa tamin'ireo Ismaelita farantsa volafotsy roapolo ireo rahalahin'i Josefa.

Nentina nankaiza i Josefa?

Nentina nankany Egypta i Josefa.

Genesis 37:31

Ahoana no nanehoan'ireo rahalahin'i Josefa fa maty Josefa?

Namono osy iray ary nanatsoboka ny akanjon'i Josefa tao amin'ilay rà ireo rahalahin'i Josefa, ary dia nanome ilay akanjo an'i Jakoba.

Genesis 37:34

Inona no nataon'i Jakoba rehefa fantany fa maty Josefa?

Nandrovitra ny fitafiany, nisikina lamba fisaonana, ary nisaona ny zanany nandritry ny andro maro i Jakoba.

Namidy tamin'iza i Josefa tany Egypta?

Namidy tamin'i Potifara, tandapan'i Farao, tany Egypta i Josefa.