Genesis 36

Genesis 36:1

Tamin'ny anarana hafa inona no niantsoana ireo taranak'i Esao?

Nantsoina ihany koa hoe Edoma ireo taranak'i Esao.

Avy taiza no nakan'i Esao ireo vadiny?

Naka ireo vadiny avy amin'ireo Kananita i Esao.

Genesis 36:6

Nahoana no nifindra niala an'i Jakoba rahalahiny i Esao?

Nifindra niala an'i Jakoba rahalahiny i Esao satria tsy nahazaka azy roa ireo niaraka ny tany satria maro loatra ny fananan'izy ireo.

Taiza no nitoeran'i Esao?

Nitoetra teo amin'ny tany havoan'i Seira i Esao.

Genesis 36:9

Iza no anaran'ny zanaka lahy naterak'i Timna, vaditsindranon'i Elifaza zanaka lahimatoan'i Esao?

Ny anaran'ny zanaka lahy naterak'i Timna dia Amaleka.

Genesis 36:20

Iza no rain'ireo mponin'ny tany izay nipetrahan'i Edoma?

Seira ilay Horita no rain'ireo mponin'ny tany izay nipetrahan'i Edoma.

Genesis 36:31

Inona no azon'ny vahoakan'i Edoma talohan'ny nahazoan'Israely azy ireo?

Nanana ireo mpanjaka talohan'ny mpanjaka nanjaka tamin'ireo Israelita ny vahoakan'i Edoma.

Genesis 36:40

Iza no rain'ireo Edomita?

Esao no rain'ireo Edomita.