Genesis 30

Genesis 30:1

Amin'i Jakoba, nahoana no tsy niteraka i Rahely?

Amin'i Jakoba, dia Andriamanitra no nihazona an'i Rahely tsy hanan-janaka.

Genesis 30:3

Inona no nataon'i Rahely mba hananany zanaka?

Nomen'i Rahely an'i Jakoba i Bila mpanompony mba ahafahany manome anaka ho an'i Rahely.

Genesis 30:7

Nahoana no nilaza Rahely fa nandresy an'i Lea rahavaviny izy?

Nilaza Rahely fa nandresy an'i Lea rahavaviny izy satria niteraka zaza roalahy ho an'i Jakoba i Bila mpanompony.

Genesis 30:9

Inona no nataon'i Lea rehefa hitany fa nijanona tsy nanan-janaka izy?

Nanome an'i Zilpa mpanompony ho an'i Jakoba i Lea mba ahafahany miteraka anaka ho an'i Lea.

Inona no nahatonga an'i Lea hilaza hoe: "Vintana ity!"?

Nilaza Lea hoe: "Vintana ity!" satria niteraka zazalahy ho an'i Jakoba i Zilpa mpanompony.

Genesis 30:14

Inona no natolotr'i Rahely an'i Lea ho solon'ny dodaiman'ny zanany lahy?

Ho solon'ny dodaiman'i Robena, dia nanolotra ny hamela an'i Lea hiara-mandry amin'i Jakoba izany alina izany Rahely.

Genesis 30:19

Firy ny zanaka lahin'i Lea naterany ho an'i Jakoba?

Niteraka enin-dahy ho an'i Jakoba i Lea.

Genesis 30:22

Inona no nahatonga an'i Rahely hilaza fa niala ny fahamenarany?

Rehefa niteraka zazalahy ho an'i Jakoba i Rahely, dia nilaza izy fa nesorina ny fahamenarany.

Genesis 30:25

Inona no fangatahana nataon'i Jakoba tamin'i Labana rehefa teraka i Josefa?

Nangataka Jakoba ny mba hamelan'i Labana an'i Jakoba handeha hiaraka amin'ny fianakaviany ho any amin'ny tranony sy ny tanànany.

Genesis 30:27

Nahoana no tsy te hamela an'i Jakoba handeha i Labana?

Nisikidy Labana fa nitahy azy noho ny amin'i Jakoba i Yaveh.

Genesis 30:31

Karama inona no azon'i Jakoba tamin'ny asany ho an'i Labana?

Naka ny ondry pentipetina, sada ary izay mainty, sy ireo osy sada sy pentipetina avy amin'ny ondry aman'osin'i Laba izay notanany i Jakoba.

Genesis 30:35

Ahoana no namitahan'i Labana an'i Jakoba mahakasika ny karaman'i Jakoba?

Nanala ireo biby izay tian'i Jakoba alaina aloha i Labana, nialohan'ny nanomezany ny ondry aman'osy hotanan'i Jakoba.

Genesis 30:37

Karazana tapa-kazo inona no novoasan'i Jakoba fotsy taminy?

Namaofy ny fotsy tamin'ireo rantsan-kazo popola maitso, amygdala, ary hazo planata i Jakoba.

Nataon'i Jakoba inona ireo tapa-kazo voavofy?

Nametraka ireo tapa-kazo izay novoasany teo anoloan'ireo biby fiompy, teo anoloan'ireo tavy fisotroana rano izay nandehanan'ireo hisotro Jakoba.

Genesis 30:39

Inona no nitranga rehefa niteraka teo anoloan'ireo tapa-kazo ireo biby fiompy?

Rehefa niteraka teo anoloan'ireo tapa-kazo ireo biby fiompy dia namokatra zanaka sadika, sada, ary pentipentina ireo.

Genesis 30:41

Inona no vokatry ny namahanan'i Jakoba ireo biby?

Ny vokatr'izany dia osa ny biby fiompin'i Labana, fa natanjaka kosa ny biby fiompin'i Jakoba.