Genesis 29

Genesis 29:4

Avy aiza ireo lehilahy izay niresahan'i Jakoba?

Avy any Harana ireo lehilahy.

Iza ihany koa no nankeo amin'ny lava-drano niaraka tamin'ireo andian'ondry?

Rahely, zanaka vavin'i Labana, ihany koa dia tonga teo amin'ny lava-drano niaraka tamin'ireo andian'ondry.

Genesis 29:9

Inona no nataon'i Jakoba ho an'ny ondrin'i Labana?

Nanakodia ny vato teo amin'ny vavan'ny fantsakana, ka nampisotro rano ny ondry aman'osy i Jakoba.

Genesis 29:11

Inona no nolazain'i Jakoba an'i Rahely, ary dia inona no nataony?

Nilaza tamin'i Rahely i Jakoba fa havan-drainy izy, dia nihazazaka i Rahely ka nilaza tamin-drainy.

Genesis 29:13

Ahoana no nataon'i Labana rehefa nandre momba ny fahatongavan'i Jakoba izy?

Nihazakazaka mba hitsena an'i Jakoba i Labana, namihina azy, nanoroka azy, ary nitondra azy tany an-tranony.

Genesis 29:15

Soritsorito ireo zanak'i Labana roavavy.

Lea no zanany zokiny ary nalefa-pijery izy, raha i Rahely kosa no zandriny ary tsara bika sy tarahy izy.

Inona no fifanarahana nataon'i Labana sy Jakoba mahakasika ny asan'i Jakoba?

Nanaiky izy ireo fa hanompo an'i Labana fito taona hahazoana an'i Rahely i Jakoba.

Genesis 29:19

Nahoana no tahaka ny andro vitsy monja ho an'i Jakoba ireo asa fito taona?

Ny fito taonan'ny asa dia tahaka ny andro vitsy monja ho an'i Jakoba nohon'ny fitiavan'i Jakoba an'i Rahely.

Genesis 29:23

Ahoana no nametsen'i Labana an'i Jakoba?

Nanome an'i Lea ho an'i Jakoba, ho solon'i Rahely, ny alin'ny fanambadiana i Labana.

Iza no nomen'i Labana an'i Lea, ho mpanompony?

Nanome an'i Zilpa mpanompo vaviny an'i Lea zanany vavy i Labana, mba ho mpanompony.

Genesis 29:26

Nahoana no nilaza i Labana fa nametsy an'i Jakoba izy?

Nilaza Labana fa tsy fomban'izy ireo ny manome ny zanaka vavy zandriny ho amin'ny fanambadiana mialohan'ny vavimatoa.

Inona no fifanarahana nataon'i Labana sy Jakoba izany mahakasika ny asan'i Labana?

Nifanaraka izy ireo fa hanompo an'i Labana fito taona indray i Jakoba ho solon'i Rahely.

Genesis 29:28

Iza no nomen'i Labana an'i Rahely, ho mpanompony?

Nanome an'i Bila ho an'i Rahely zanany vavy, mba ho mpanompony i Labana.

Genesis 29:31

Inona no nataon'i Yaveh rehefa hitany fa tsy tia an'i Lea i Jakoba?

Nataon'i Yaveh nitoe-jaza i Lea, fa momba kosa i Rahely.

Inona no nantenain'i Lea fa hitranga raha niteraka zazalahy ho an'i Jakoba izy?

Nanantena i Lea fa ho tia azy i Jakoba raha niteraka zazalahy ho azy izy.

Iza no anaran'ny zanaka lahimatoan'i Lea?

Ny anaran'ny zanaka lahimatoan'i Lea dia Robena.

Genesis 29:35

Inona no nolazain'i Lea rehefa niteraka an'i Joda izy?

Rehefa niteraka an'i Joda izy dia hoy Lea: "Ankehitriny dia hidera an'i Yaveh aho."