Genesis 27

Genesis 27:1

Rehefa antitra Isaka, dia inona no tsy vitany intsony?

Rehefa antitra Isaka, dia tsy nahita intsony izy.

Genesis 27:3

Inona no nangatahan'i Isaka mba hataon'i Esao, ary nahoana?

Nangataka an'i Esao mba handeha hihaza sy hanao karazana sakafo izay tiany Isaka, mba ahafahany mihinana izany ka hitahiany an'i Esao.

Genesis 27:8

Inona no tetik'i Rebeka mba hanomezana sakafo an'i Isaka, ary nahoana?

Nilaza an'i Jakoba mba haka osy roa Rebeka ary hanao sakafo izay tian'i Isaka izy, mba ahafahan'i Jakoba mitondra izany any amin'i Isaka sy handraisany ny tso-drano.

Genesis 27:11

Inona no nampiahiahy an'i Jakoba amin'ny fitondrana ny sakafo any amin'i Isaka?

Niahiahy Jakoba fa lehilahy voloina i Esao fa izy lehilahy malama, ka hikasika azy Isaka dia ho fantany fa mpamitaka i Jakoba ka hanozona azy izy.

Genesis 27:15

Ahoana no namahan'i Rebeka ny olan'i Esao hoe lehilahy voloina, sy Jakoba hoe lehilahy malama?

Nampanao ny akanjon'i Esao an'i Jakoba i Rebeka ary nametraka hoditr'osy tamin'ny tanany sy ny vozony.

Genesis 27:20

Rehefa nanontany Isaka, dia ahoana no nolazain'i Jakoba fa nahitany izany vetivety teo?

Nilaza Jakoba fa Yaveh, Andriamanitr'Isaka, no nitondra izany taminy.

Genesis 27:22

Satria tsy nahazo antoka izy, dia ahoana no niezahan'i Isaka namantatra hoe iza no nanome sakafo ho azy?

Nikasika an'i Jakoba teo amin'ny tanany Isaka ka nahatsapa ireo hoditr'osy voloina izy.

Genesis 27:24

Inona no nolazain'i Jakoba rehefa nanontany Isaka hoe: "Tena Esao zanako marina ve ianao?"

Nilaza Jakoba hoe: "Izaho tokoa."

Genesis 27:26

Inona no nandresi-lahatra an'i Isaka ny farany fa ny olona nitondra ny sakafo dia Esao?

Rehefa nanatona an'i Isaka i Jakoba mba hanoroka azy, dia ren'i Isaka ny fofon'akanjon'i Esao.

Genesis 27:29

Iza no nolazain'i Isaka fa hiankohoka eo amin'i Jakoba?

Nilaza Isaka fa hiankohoka eo amin'i Jakoba ireo firenena ary fa hiankohoka eo aminy ireo zanaka lahin'ny renin'i Jakoba.

Genesis 27:30

Inona no nataon'i Esao rehefa avy niala tao amin'ny lain'Isaka i Jakoba?

Niditra avy any am-pihazana Esao, nanomana sakafo, ary nitondra izany teo amin'i Isaka.

Genesis 27:34

Inona no nolazain'Isaka rehefa nangata-tso-drano avy tamin'i Isaka i Esao?

Nilaza Isaka fa naka ny tso-dranon'i Esao tamim-pitaka i Jakoba.

Genesis 27:36

Tamin'ny fomba roa inona no nolazain'i Esao fa namitahan'i Jakoba azy?

Nilaza Esao fa namitaka azy tamin'ny fizokiany sy tamin'ny tso-dranony Jakoba.

Genesis 27:39

Inona no "tso-drano" izay nomen'i Isaka an'i Esao?

Nilaza Isaka fa hipetraka lavitra ny tany lonaka Esao, fa hanompo ny rahalahiny izy, nefa hikomy hanohitra azy izy ny farany ka hanala ny ziogan'i Jakoba.

Genesis 27:41

Inona no notapahan'i Esao mba hatao aorian'ny fahafatesan'Isaka?

Nanapa-kevitra ny hamono an'i Jakoba i Esao aorian'ny fahafatesan'Isaka.

Genesis 27:43

Inona no nataon'i Rebeka rehefa reny ireo tetik'i Esao?

Nandefa an'i Jakoba tany amin'i Labana, anadahiny, tany Harana i Rebeka.