Genesis 26

Genesis 26:1

Nahoana no nifindra tany amin'ny tanànan'i Gerara izay naha-mpanjakan'ny Filistina an'i Abimeleka i Isaka?

Nifindra tany Gerara Isaka satria nisy mosary tao amin'ny tany.

Genesis 26:2

Inona no nolazain'i Yaveh tamin'Isaka nialohan'ny nifindrany tany Gerara?

Nilaza tamin'Isaka mba tsy hifindra any Egypta Yaveh, ary mba hitoetra ao amin'ny tany izay holazainy an'i Isaka.

Inona no nolazain'i Yaveh tamin'i Isaka momba ny fianianana nianian'i Yaveh tamin'i Abrahama rainy?

Nilaza tamin'Isaka izay hanatanterahany ny fianianana izay nianian'i Yaveh tamin'i Abrahama Izy.

Genesis 26:4

Nahoana Yaveh no nilaza fa hanao izany Izy?

Nilaza Yaveh fa andeha hanao izany Izy satria nankatoa ny feony Abrahama ary nitandrina ny baikony, ny didiny, ny fitsipiny, ary ny lalàny.

Genesis 26:6

Inona no nolazain'Isaka tamin'ireo lehilahin'i Gerara momba an'i Rebeka, vadiny?

Nilaza tamin'ireo lehilahin'i Gerara Isaka fa anabaviny i Rebeka.

Genesis 26:9

Amin'i Abimeleka, dia inona no afaka nitondra heloka tamin'ny vahoaka noho ny laingan'i Isaka?

Noho ny laingan'i Isaka, dia afaka niray ara-nofo tamin'i Rebeka ary nitondra heloka tamin'ny vahoaka ny olona.

Didy inona no nomen'i Abimeleka mahakasika an'i Rebeka?

Nandidy Abimeleka fa ny olona izay nikasika an'i Rebeka dia ho vonoina.

Genesis 26:15

Inona no antony nomen'i Abimeleka mba hangatahana ny hifindran'i Isaka hiala amin'ireo Filistina?

Nilaza an'i Isaka mba hifindra hiala amin'ireo Filistina Abimeleka satria hoy izy: "...satria mahery lavitra noho izahay ianao."

Genesis 26:18

Nahoana no tsy maintsy nihady ireo lava-drano izay nohadian'izy ireo tamin'ny andron'i Abrahama i Isaka?

Tsy maintsy nihady ireo lava-drano izay nohadian'izy ireo tamin'ny andron'i Abrahama i Isaka satria natsahatr'ireo Filistina taorian'ny nahafatesan'i Abrahama ireo.

Genesis 26:21

Inona no anarana nomen'Isaka ny lava-drano izay tsy nifandiran'ireo mpiandry ondrin'i Gerara taminy?

Nanome anarana ilay lava-drano, izay tsy nifandiran'ireo mpiandry ondrin'i Gerara taminy, hoe Rehobota i Isaka.

Genesis 26:23

Inona no nolazain'i Yaveh tamin'Isaka indray rehefa niseho tamin'i Isaka tao Beri-sheba Izy?

Nilaza indray Yaveh fa hitahy an'i Isaka ary hampitombo ny taranany Izy.

Genesis 26:28

Fanekena inona no tian'i Abimeleka hatao amin'i Isaka, ary nahoana?

Te hanao fanekena i Abimeleka fa tsy hisy hanao ratsy ny hafa ny andaniny sy ny ankilany, satria hitany fa nomba an'Isaka i Yaveh.

Genesis 26:30

Ahoana no navalin'Isaka ny fangatahan'i Abimeleka mba hanao fanekena eo amin'izy ireo?

Nanao lanonana Isaka, ka nifampianiana fianianana izy ireo.

Genesis 26:34

Avy amin'ny vondron'olona iza avy ireo vadin'i Esao roa?

Avy amin'ireo Hetita ireo vadin'i Esao roa.

Ahoana no fifandraisan'ireo vadin'i Esao sy Isaka ary Rebeka?

Nampitondra fahoriana an'i Isaka sy Rebeka ireo vadin'i Esao.