Nilaza tamin'i Noa sy ireo zanany lahy mba hamokatra, hitombo, ary hameno ny tany Andriamanitra.
Nanome ireo zava-maitso sy ny zavatra mihetsika izay niaina ho sakafon'i Noa sy ireo zanany lahy Andriamanitra.
Nandidy Andriamanitra fa tsy hohanina ny hena raha mbola mandeha rà izany.
Nilaza Andriamanitra fa ao anatin'ny rà no misy ny aina.
Nanambara Andriamanitra fa ny olona izay mandatsaka ràn'olona dia tsy maintsy alatsaka ny ràny.
Nanao ny olona tamin'ny endrik'Andriamanitra Andriamanitra.
Nametraka avana teny amin'ny rahona ho famantarana ny fanekena izay nataony tamin'ny tany Andriamanitra.
Nanao fampanantenam-panekena fa tsy handringana ny nofo rehetra amin'ny safo-drano intsony Andriamanitra.
Sema, Hama ary Jafeta no anaran'ireo zanak'i Noa telolahy.
Rehefa avy namboly voaloboka izy, dia nisotro ny sasany tamin'ireo divay ka mamo.
Nitorona nitondra akanjo i Sema sy Jafeta, raha nitodi-doha, mba handrakotra ny fitanjahan'ny rainy.
Nanozona an'i Hama i Noa ary nanao hoe: "Ho voahozona anie Kanana. Ho isan'ireo mpanompon'ireo rahalahiny anie izy."
Nitahy an'i Sema sy Jafeta i Noa.