Toko 1

1 Paoly, mpanompon'i Jesôsy Kristy, dia voaantso ho apôstoly, aveo voatôkagna ho mpagnambara vaovao maharavoravon-jagnahary. 2 Io lehy vaovao maharavoravo izay afa nampagnantenaigny atsika mialôha tamin'alalan-jareo mpagnazariny tao amin'ny soratra masigny. 3 Zany dia mikasika zanany lahy, lehy teraka avy tamin'ny tamingany Davida araka ny nôfo. 4 Tamin'ny fitsanganagna tamin'ny maty, dia voam-panga ho lehy zanaka maherin-jagnahary tamin'ny herin'ny Fagnahin'nhy fahamasinagna izy_ dia Jesôsy kristy Tompontsika. 5 Avy tamin'Azy no nandraisantsika fahasoavagna sy ny maha-apostoly amin'ny fankatoavagna ny finoagna eo amin'ny firenena jiaby, noho ny Agnarany. 6 Amin'reo firenena reo, areo fogna koa dia voahantso ho an'i Jesôsy Kristy. 7 Tô taratasy tô dia hoan-jareo jiaby ao Roma, zay tian-Jagnahary, zay voaantso ho ôlogno masigny. Ho aminareo ny fahasoavagna, ndraiky fiadanagna avy amin-Jagnahary Babantsika sy Jesôsy Kristy Tompo. 8 Voalohany, isaorako ny Zagnahariko amin'ny alalan'ny Jesôsy Kristy noho ny aminareo jiaby, satria ny finoagnanareo dia afa nambara magairagna izao tyontolo izao. 9 Fao Zagnahary no vavolombelogno naha, zay tompóko ao amin'ny fagnahinaha ao amin'ny vaovao maharavoravon'ny Zanany, fao tsy mijanogno mikoragna areo Aminy Zaho. 10 Mangataka fogna zaho amin'ny vavaka tsabóky ny mbô ahombiazako amin'ny fomba jiaby araka ny sitrapon-Jagnahary mbô ho tonga aminareo. 11 Fao zaho dia magniry ny ahita areo, mbô afahako magnamia fagnomiazam-pagnahy sasantsasany ho nihinareo, mbô hampahery areo. 12 Zany, dia magniry zaho ny mbô hifankaheraizantsika eto agnivontsika, amin'ny alalan'ny tsiaraikiaraiky aby, ny areo ndraiky zaho. 13 Avaizo tsy tiako areo tsy hahay, ry rahalahy, hoe mazagna zaho managna fikasagna hagnatogno areo, (naifa zaho dia voasakagna baroko amizeo), mbô hahazahoagna vokatra eo aminareo, hotry ny afa nazahoako ny ambin'reo jentilisa fogna koa. 14 Zaho dia mpitrosa amin-jareo Grika ndraiky reo vahiny, amin'ny misy fagnahy ndraiky laifaka. 15 Noho zany, aminaha dia vôgnogno fogna koa zaho hagnambara ny vaovao maharavoravo ho anareo zay agny Roma. 16 Fao zaho dia tsy maingatra ny vaovao maharavoravo, fa zany ngôvon-Jagnahary ho famonjiagna reo jiaby zay mino, ho an'ny jiosy aloha ary ho an'ny Grika. 17 Fa amin'ny zany no agnaboahagna ny fahamarinan-Jagnahary avy amin'ny finoagna ho amin'ny finoagna, araka zay voasaoratra hoe: "Ny marigny dia ho velogno amin'ny finoagna." 18 Fa ny fahatezairain-Jagnahary dia naboaka avy agny andangitry manohitry ny haratsiam-pagnahy ndraiky ny tsy fahamarinan'ôlogno, zay manakagna ny fahamarinagna amin'ny alalan'ny tsy fahamarinagna. 19 Zany dia satria zay hay mikasiky Zagnahary dia hitan-jareo maso. Fao nazavain-Jagnahary zareo. 20 Fao reo bikany zay tsy hita maso, zay ngôvony tsisy fetra sy maha Zagnahary Azy, dia hita nazava tsara, nanomboka tamin'ny famoraonagna izao tontolo izao, tamin'reo raha zay niforônigny. Noho zany dia tsy managna fialantsigny zareo. 21 Zany dia satria, na dia afa nahay ny mahakasiky Zagnahary aby zareo, dia tsy nagnamia vogninahitry amin'ny maha Zagnahary Azy, na koa nisaotra Azy. Fao naifa, nanjary laifaka tao antsaigniny zareo, ary nahainahizigny ny fô donton-Jareo. 22 Zareo dia nivolagna zareo ho misy fagnahy, kanaifa dia lasa laifaka. 23 Ny vogninahitry Zagnahary tsy mety lô dia ntakalon-jareo bikan'ôlombelogno mety lô, vôrogno, biby managna hongotro efatra, sy reo raha mikisika. 24 Noho zany dia natôlotro Zagnahary ho amin'ny filagnan'ny fôn-jareo ho amin'ny fahalotoagna zareo, mbô ho afa-bogninahitry eo amin-jareo fogna ny haignin-jareo. 25 Zareo no nanakalo ny fahamarinan-Jagnahary tamin'ny vandy, ary zay midaira ndraiky manompo ny zava-boary fa tsy lehy Nitsabo, zay deraigny mandrakizay. Amena. 26 Noho zany, natôlotro Zagnahary ho amin'ny filàgna ratsy mamoafady zareo, fao reo vaiavin-jareo dia nanakalo reo fifandraisagna voajagnahary, tamin-jareo zay tsy voajagnahary. 27 Otry zany koa, reo lalahy nagnambaila ny fifandraisan-jareo voajahgnhary miaraka amin'ny vaiavy kay nampirihetin'ny filàgna araka ny nôfotro ho an'ny zay samby izy. Reo dia lalahy zay nagnano fihetsiky mahamaingatra miaraka amin'ny lalahy ary nangala tao amin-jareo ny sazy zay mendriky zareo nohon'ny fahavaitavaitagnan-jareo. 28 Satria tsy nageky ny hanagna Zagnahary ao amin'ny fieritrairaitagna zareo, dia namiany sagny tsy mendriky zareo, mbô hitaboan-jareo raha zay tsy manjary. 29 Zareo dia feno ny tsy fahamarinagna, faharatsiagna, fitsiriritagna, aveo lolom-pô jiaby. Zareo dia feno fialonagna, famonoagna, fifandiragna, vandy, ary fikasagna ratsy. 30 Zareo dia mpifôsa, mpagnendrikendriky, ary mpalaigny Zagnahary. Zareo dia mahery saitra, miavogno, aveo miraiharaiha. 31 Zareo dia mpamôrogno raha ratsy, ary zareo dia tsy mankatoa ny ray amand-reny. Zareo dia tsy managna fahalalagna; zareo dia tsy azo atokisagna, tsisy fitiavagna voajagnahary, aveo tsy mamindra fô 32 Hain-jareo ny lalàn-Jagnahary, fao zareo zay mitsabo raha karaha zany dia mendriky ny fahafataisagna. Fao tsy reo raha reo fogna no tsabóny, fa magneky reo hafa zay magnano regny koa.