Toko faha 4

1 Avakeo nanomboka nagnanatra teo môron-dranomasigny koa Izy, avakeo nisy vahoaka maro nivôry nagnodidigny Azy. Nitsôfotro tao agnatin'ny lakagna zay teo an-dranomasigny Izy, avakeo nantotry tamin-jany. Ny vahoaka jiaby ndraiky nijanogno teo amôron-dranomasigny. 2 Nagnampianatra zareo raha maro tamin'ny alalan'ny fagnohoaragna Izy, avakeo tao amin'ny fampianarany, dia zao no nikoragniny tamin-jareo. 3 Tandrignaiso, nisy mpamafy handaiha hamafy ambeo. 4 Ary raha namafy izy, dia nisy ambeo sanany nirabaraba tamin'ny lalagna, kay havy reo vôrogno aveo nihinagna zany. 5 Ny ambeo sanany nirabaraba tamin'ny tany feno vatovato, zay tsisy fotaka maro.Tonga dia naniry izy reo, satria tsy laligny ny fotaka nisy azy. 6 Izy koafa niboaka ny masoandro, dia nalazo zareo, avakeo satria tsisy vahany izy reo, kay maigny. 7 Ny ambeo sasany latsaka tamin'ny tany rakotro fatsiky. Avakeo niboaka nahay giaida reo fatsika ireo kay nampijaly azy, kay tsy magnaboaka taignany. 8 Ny ambeo sasany latsaka tamin'ny tany tsara kay namokatra taignany agnatiny izy mitômbo aveo nahay fôntry, avakeo ny sanany nisôsoko telopôlo ambon'ny lehy teo, ny sanany enimpôlo, avakeo ny sanany zato." 9 Aveo nivaolagna Izy hoe: "Zay misy sôfigny hindesigny mitandregny, izy tôkony hitandregny!" 10 Koafa nanaokagna Jesôsy, dia nagnontany azy mikasiky io ohatra io reo zay nariny Azy avakeo reo mpianany aroa ambinifôlo. 11 Nivaolagna Izy tamin-jareo hoe: " Areo no namiako raha mivôny amin'ny fanjakan-Jagnahary. Fao ho an-jareo lehy akagny vailany agny dia ohatra aby, 12 mbô amin'ny fotoagna hizahavan-jareo, ia hizaha zareo, kanaifa tsy hahita, avakeo mbô amin'ny fotoagna hitandrignesan-jareo, ia haharegny zareo, kanaifa tsy hahay zany, na koa himpôdy zareo kay hamindra fô amin-jareo Zagnahary." 13 Aveo nivaolagna izy tamin-jareo hoe: "Tsy azonareo moa zany fagnoharagna zany? Akôry zany mbô hahazahoanareo reo fagnoharagna hafa jiaby? 14 Lehy mpamboly lehy mamafy ny ambeo dia ny ôlogno araiky lehy mamafy ny teny. 15 Reto no lehy nirabaraba tamin'ny lalagna, lehy namafazagna ny teny, koafa regnin-jareo zany, dia tonga dia havy Masantôko avakeo hangalatra ny teny zay voapariaka tamin-jareo. 16 Reto lehy voafafy tamin'ny tany feno vatovato, lehy, koafa nangala ny teny, tonga dia nangala zany tamim-piravoravoagna. 17 Tsisy vahany akao amin-jareo, fao mahadigny fotoagna fohy faogna. Dia tonga ny fijaliagna na ny fagnindriagna nohon'ny teny, kay tonga dia lavo zareo. 18 Reo hafa lehy voafafa tamin'ny tany feno fatsika.Regnin-jareo ny koragna, 19 fao ny fisalasalan'ny tany jiaby, ny famitahan'ny fanagnagna, avakeo ny filàgna raha hafa dia tafitsôfotro kay manabataba ny teny, kay tsy mamoa vokatra zany. 20 Avakeo lehy voafafy tamin'ny tany tsara dia reo lehy mitandregny ny koragna avakeo mangala zany, kay namoa vokatra zareo telopôlo, enimpôlo, na nitômbo zato ambonin'ny lehy nafafy." 21 Jesôsy nivaolagna tamin-jareo hoe: "Entinao akao antragno moa ny jiro mbô hatao ambany harogno, na ambanin'ny fandriagna? Indesinao miditry zany avakeo atanao ambonin'ny fantairan-jiro. 22 Fao tsisy raha mivôny kay tsy ho hay, avakeo tsisy tsiambaratelo zay tsy hiboaka. 23 Raha misy manantsôfigny hindesigny mitandregny, izy tôkony hitandregny. 24 Nivaolagna Izy tamin-jareo hoe: "Mitandraima amin'ny koragna lehy regninareo, fao arakaraka ny ohatra agnoharanareo faogna, no agnoharagna areo, avakeo hampiagna aminareo zany. 25 Satria na zôvy na zôvy managna, dia hamiagna taigna fôntry izy, avakeo na zôvy na zôvy tsy managna, na lehy anagnany aby alagna aminazy." 26 Avakeo nivaolagna koa Izy hoe: "Ny fanjakagnan-Jagnahary dia karaha ôlogno araiky magnapariaka ny ambeny amin'ny tany. 27 Mandry izy amin'ny aligny avakeo monjogno amin'ny marandraigny, avakeo ny ambeo dia miboaka kay maniry, fao tsy hainy hoe manankôry. 28 Ny tany dia mamoa amin'ny haigniny faogna: voalohany ny rantsany, avakeo ny tahaolany, avakeo ny taignany matoa akeo amin'ny tahaolany. 29 avakeo koafa matoa ny taignany dia tonga dia izy hagnandaifa fandidiagna, fao afa laira ny fotoam-pandidiagna." 30 Ary nivaolagna koa Izy hoe: "Ino moa raha azontsika ampitoviagna ny fanjakan-Jagnahary, na ino ny fagnoharagna hampiasaintsika hagnazavagna zany? 31 Zany dia karaha ny voatsinampy lehy, koafa hafafy, dia izy no ambeo farany hely amin'ny ambeo jiaby eto ambonin'ny tany. 32 Kanaifa, koafa voapariaka zany, dia miboaka avakeo manjary giaidagiaidan'ny kakazo jiabay, avakeo mamoa rantsagna giaida, kay hazon'ny vôrogno magnembagna hagnamboaragna ny tragnony akeo amin'ny naranarany." 33 Ary fagnohoaragna fôntry karaha zany no nagnambarany ny vaolagna tamin-jareo, araka lehy fahazahoan-jareo azy, 34 avakeo tsy nikoragna tamin-jareo koa tsy tamin'ny fagnoharagna Izy. Kanaifa koafa latsatôkagna Izy, dia nazavainy tamin'ny reo mpianany manaokagna ny raha jiaby. 35 Tamin'ny zany andro zany, koafa tonga ny aligny, dia ninainagna Izy tamin-jareo hoe: Andaiha atsika hitsaka arô an-dafirô." 36 Kay niala teo amin'ny reo vahoaka zareo, ninday Jesôsy niaraka tamin-jareo, koafa igny Izy, tao angatin'ny lakagna igny. Nisy lakagna hafa nandaiha niaraka taminy. 37 Avakeo nanomboko nisy rivotro mafy aveo daroba nanafotro ny lakagna kay afa tsoko feno rano ny lakagna. 38 Ary Jesôsy zeraiky nandry teo ambon'ny lakagna, tambon'ny ondagna. Ninjonin-jareo Izy, ninainagna hoe: "Mpagnanatra ô, tsy mampagnino Anao moa koa hofoaty aketo atsika?" 39 Avakeo nonjogno Izy, dia ninainagna mafy tamin'ny rivotro, avakeo ninainagna tamin'ny ranomasigny hoe: "Mijanona! milamina! Aveo nijanogno ny rivotro, kay nisy filaminagna be. 40 Avakeo nivaolagna Izy tamin-jareo hoe: "Nagnino moa areo matahotro? Mboala tsy managna finoagna foagna moa areo"? 41 Feno tahotro zareo kay nifampivaolagna hoe: "Zôvy moa tô, fao na dia ny rivotro ndraiky ranomasigny aby magneky Azy?"