Toko faha 3

1 Dia nandaiha tao amin'ny Synagoga ndraiky Jesôsy ary nisy lalaha maty tagnagna tao. 2 Nizaha narikitry Aza ny ôlogno sasantsasany mbô hizaha raha hampahivagna azy amin'ny Sabata Izy mbô ahavitan-jareo magnameloko Azy. 3 Nivôlagna Jesôsy tamin'ny lehy lalaha maty tàgnagna hoe: "Mitsangàna avakeo mitsangana aketo agnivon'ôlogno jiaby aketo." 4 Dia nivôlagna tamin'ôlogno Izy hoe: "Ara-dalàgna moa ny mitsabo raha tsara amin'ny andro Sabata sa ny magnano ratsy; ny magnavotro aigny, sa ny mamono?" Kanaifa zareo tsy tafivôlagna. 5 Nizaha zareo tamin'ny havigniragna Jesôsy, avakeo nalahelo Izy nohon'ny hamafisan'ny fôn-jareo, dia nivôlagna tamin’ny lehy lalaha Izy hoe: "Vavaro ny tagnagnao." Dia nivavarany lehy lalaha ny tagnany kay nahivagna. 6 Niboaka reo fariseo avakeo nivôrivôry malaky niaraka tamin'ny Herodiana hizaha fomba hamonoagna Azy. 7 Avakeo Jesôsy, niaraka tamin'ny reo mpianany, nandaiha an-dranomasigny, ary nisy vahoaka fôntry nagnaraka avy agny Galilia sindraiky avy akagny Jodia 8 avakeo avy akagny Jerosalema sindraiky avy akagny Edoma ary baroko amin'ny matsabôrin'i Jordana sindraiky magnodidigny Tyra ndraiky Sidona. Koafa naharegny mikasiky reo raha nitsabony zareo, dia nisy vaoaka fôntry nandaiha taminazy. 9 Dia nampizaha lakagna ny mpianany Jesôsy hamiagna Azy nohon'ny hafôntriran' ôlogno teo, mbô tsy hifanosihan'ny ôlogno Izy. 10 Nohony Izy nangasitragn'ôlgno fôntry Izy, dia nifandrômbo nagnatogno Azy ny ôlogno jiaby lehy nanagna aretigny mbô hikasiky Azy. 11 Atsika ny nahita Azy reo fagnahy ratsy, dia nondriky teo alohany avakeo niafatrafatra, ary nivôlagna zareo hoe: "Anao no zanaka Zagnahary." 12 Nivolagniny mafy zareo mbô tsy hagnambara Azy. 13 Niakatra tagny an-tampon-tanety Izy, ary nagnantso ireo lehy tiany, dia nagnatogno azy zareo. 14 Nagniraka reo roa ambinifôlo Izy (lehy nantsôviny hoe Apostôly), mbô hahavitan-jareo miaraka aminazy avakeo hahavitany magnandaifa zareo magnambara ny hafatra, 15 aveo hanagna fahefagna handroaka masantôko. 16 Avakeo koa nagniraka reo roa ambinifôlo Izy: Simona, lehy namiany agnaragna hoe Petera; 17 Jakoba zanak'i Zebedio, ndraiky Jaona rahalahiny, lehy namiany agnaragna hoe Boanarijesy, lehy midika hoe, zana-baratra; 18 ary Andrea, Filipo, Baritolomeo, Matio, Tomasy, Jakoba zanak'i Alfeo, Tadeo, Simona Zelota, 19 avakeo Jodasy Iskariota, lehy hamadiky Azy. 20 Dia nôdy tagny an-tragno Izy, avakeo niaraka homby indraiky ny vahoaka, naifa tsy afaka nihinagna aby zareo, 21 koafa naharegny raha mikasiky zany ny fianakaviagna, dia niboaka zareo hangala Azy, satria nivôlagnin-jareo hoe: "Laifaka Izy." 22 Avakeo reo mpanoratra lalàgna lehy nijôtso avy tagny Jerosalama dia nivôlagna fao: "Pitrahan'i Belzeboba Izy", kay, "Amin'ny alalan'ny mpanapaka ny masantôko no androahany ny masantôko." 23 Dia nantsôvin’i Jesôsy hagnatogno Azy zareo kay nivôlagna zareo tamin'ny alalan'ny fagnoharagna hoe: "Magnankôry moa hahavitan'i Masantôko magnaboaka an'i Masantôko? 24 Izikoa misy fanjakagna miady an-tragno, dia ho ravagna zany. 25 Avakeo koa misy tokan-tragno miady an-tragno,dia halaky ravagna zany tokan-tragno zany. 26 Koafa nitsangagna namaly ny haigniny Masantôko avakeo nisaraka, dia tsy hadigny haila, kay hifaragna. 27 Fao tsisy afaka mitsôfotro akao amin'ny tragnon'ny lalahy matanjaka araiky avakeo mandratra ny fanagnany koa tsy manady lehy matanjaka aloha, ary handratra ny tragnony izy avakeo. 28 Ambarako marigny aminareo, ho voavaila aby ny heloky ny zanak'ôlombelogno, na dia reo koragna ratsy jiaby zay aboakan'ny vavany aby, 29 fao zay mivôlagna ratsy ny Fagnahy Masigny ndraiky dia tsy ho voavaila heloko bariky dintany." 30 Nagnabara zany Jesôsy avy amin'ny fagnambaran-jareo hoe: "Managna fagnahy maloto Izy." 31 Avakeo dia homby ny nininy ndraiky reo rahalahiny avakeo nitsangagna tagny ambailany. Nagnandaifa ôlogno nagnambara Azy zareo, kay nampagnantso Azy. 32 Nantotry magnodidigny Azy ny vahoaka ary nivôlagna taminazy zareo hoe: "Ny nininao ndraiky reo rahalahinao dia akao ambailany akao, avakeo mizaha anao zareo." 33 Ary Izy namaly hoe: "Zôvy moa niniky ndraiky rahalahiky?" 34 Ary nizaha nagnodidigny tamin’ny ôlogno nantotry magnodidigny Azy Izy avakeo nivôlagna Izy hoe: "Zahavo, reto niniky sindraiky rahalahiky! 35 Fao na zôvy na zôvy magnano ny sitrapôn-Jagnahary, dia zany ôlogno zany no rahalahiky, ndraiky rokivaviky, avakeo niniky."