toko faha 4

1 Ary farany, oà rahalahy, mampahery ndraiky magnanatra are zahay aka amin' ny Tompo Jesôsy. Raha nahazo reo fampianaragna avy aminay are mahakasiky ny fomba tsy maintsy handihiananare ndraiky hampiravoravoagnare an' i Zagnahary, ny amin' io lalàgna andianagna io fogna koa, dia mbô hagnanaovanare mihoatra zany. 2 Fao are dia mahay fampianaragna zay namenay are tamin' ny alalan' ny Jesôsy Tompo. 3 Fao zao no sitran-Jagnahary, dia ny hagnamasigny areo, mbô hialanareo amin'ny fijangajanganareo, 4 lehy ahaizan'ny tsiraikeraiky avy aminareo ny fomba azahoagna ny fanaka ny aigniny akao amin'ny fahamasignagna vogninahitra, 5 tsy amin'ny filan-dratsy(tôrotro reo jentilisa lehy tsy mahay zagnahary.) 6 Aoka tsy hisy ôlognohandika na hagnaratsy ny rahalahiny amin-jany. Fao ny Tômpo no namaly amin'ny regny raha jiaby regny, karaha ny nampitandtraimanay mialôha ndraiky nitsangananay tomoa taminareo. 7 Fao Zagnahary tsy nagnantso zahay ho amin'ny fahalotoagna, fao amin'ny fahamasinagna. 8 Noho zany lehy tsy magneky zany dia tsy magneky olôgno, fao Zagnahry, lehy nagnamia Fagnahy Masigny hoanareo 9 Mahakasiky ny fifankatiavan'ny mpirahahy, tsy mila olôgnon-kafa areo hanôratra hoanareo, fao areo aignynareo dia nampianarin-Jagnahary mbô hifankatia. 10 Atanareo tatô zany, hanareo rahalahy jiaby zay airan'iMakedonia. Fao zahay dia magnanatra areo, oà rahalahy, mbô hagnano mihoatra. 11 Magnanatra areo koa zahay mbô hagnandragna hiaigny ampilaminagna, handiniky ny raharahanareo manokagna, aveo hiasa amin'ny aigninareo, araka ny nagnirahanay areo, 12 mbô hanagnanareo fitondrantaigna tsara ake alohaka reo tsy mankatô avake tsy hanagna raha hampijaly. 13 Fao tsy tianay tsy ho hanareo, oa rahalahy, ny mahakasika reo lehy afa naty, mbô tsy haharavagna areo tôrotrô reo ambiny lehy tsy managna antoko ny amin'ny hoavy. 14 Fao raha mankato atsika fa Jesôsy dia maty ave nitsangagna ndraiky, dia karha zany koa no hitognoasan-Jagnahary miaraka amin'i Jesôsy reo lehy afa naty tao aminazy. 15 Fao tô no nambaranay aminareo tamin'ny tenin'ny TOmpo, fao atsika lehy veligno, zay mbôla tavaila amin'ny faviagnan'ny Tompo, dia tsy hialôha tatô reo lehy afa maty. 16 Fao ny aignin'ny Tômpo hirôrogno avy agny andagnitry. Ho tonga miaraka amin'ny feo ambony Izy, miaraka amin'ny feon'ny Arkanjely, aveo amin'ny trompetran-Jagnahary, ave ny maty akao amin'ny Kristy no hitsagnagna voalohany. 17 Aveo atsika lehy velogno, lehy mbôla tavaila,hiaraka hiakatra aminjareo agny amin'ny rondro kay hitratro amin'ny Tompo agny amin'ny habakabaka. Aminjany die hiaraka amin'ny Tômpo lalandava atsika. 18 Noho zany, mifankaheraiza amireo teny reo.