Toko faha 3

1 Nony zany , koafa tsy afaka niaritry zany eky zahay, dia neritreretinay fao tsara ny mipaitraka manaokagna tao Atena. 2 Nagnandaifa an'i Timoty zahay, rahalahinay ndraiky mpiara-miasa ho an-Jagnahary ao amin'ny vaovao mahafalin'i Kristy, mbô hagnamafy ndraiky hankahery momban'ny finoagnanareo. [Fagnamarihagna: ny dika-nteny sasany hafa talôha dia mivaky hoe: "Nagnandaifa an'i Timoty zahay, rahalahinay ary mpanompon- Jagnahary ao amin'ny vavao mahafalin'ny Kristy." 3 Natanay zany mbô tsy hisy ôlogno ho taitry noho ny fahoriagna reo. Fao ny taignanareo dia mahay fao zany no nagnirahagna atsika. 4 Marigny tatôbe, koafa niaraka taminareo zahay, dia nivolagna mialôha taminareo fao atsika dia tsy maintsy ampahoriagna, ary niboaka zany, araka ny hainareo. 5 Noho zany antony zany, koafa tsy nahadigny zany eky zaho, dia nagniraka mbo ahaizako ny finoagnanareo. Angamba ny mpalaka fagnahy dia afa nalaka fagnahy areo, ary ho tsisy dikany ny asantsika. 6 Fao homby tatô aminay avy tagny aminareo i Timoty ary nitondra ny vaovao maharavoravon'ny finoagna ndraiky fitiavanareo ho nihinay. Nivôlagna taminay izy fao areo dia managna fahatsiarovagna tsara zahay foagna, ary areo dia magniry mafy ny hahita zahay karaha ny fagnirianay hahita areo. 7 Noho zany, ry rahalahiky, zahay dia nampaherezinareo nohon'ny finoagnanareo, tao agnatin'ny fitaintaignagna ndraiky fahoriagnanay jiaby. 8 Fao avaizo velogno zahay, izikoa mirikitry mafy amin'ny Tompo areo. 9 Fao fisaoragna manakory no azonay amegny an-Jagnahary ny aminareo, tamin'ny aravoagna jiaby zay anagnanay teo agnatraihan-Jagnaharinay avy aminareo? 10 Mivavaka mafy andro aman'aligny zahay biaka hahita ny endrikareo ndraiky hamatsy zay tsy ampy ao amin'ny finoagnanareo. 11 Zagnahary Babantsika vokany, ary Jesôsy Tompontsika anie, hagnitsy ny lalagnanay ho aminareo. 12 Ny Tômpo anie hampômbo ndraiky hampiditry amin'ny fifankatiavanareo amin'ny hafa ndraiky ôlogno jiaby, hotry ny atanay aminareo koa. 13 Izy anie hagnamafy ny fônareo, kay mbô tsy hanantsigny amin'ny fahamasignagna zareo akeo agnatrehan-Jagnahary Babantsika, amin'ny fiavian'i Jesôsy Tompontsika mboan-jareo masigny jiaby.