Chapitre 3

1 Izy koa Zagnahary zegny no nampitsangagna anarô niaraka tamin'i Kristy, mitadiava raha agnabo agny anarô, izay ipitrahan'i Kristy an-tagnan-kavanan-dRagnahary. 2 Mieritrereta raha ambony agny anarô, fa tsy raha eto an-tany eto. 3 Fa efa maty anarô , abôko, ny fiainanarô koa misitriky miaraka amin'i Kristy ao amin-dRagnahary. 4 Kristy izay fiainanarô kofa miboaka amin'ny rondro, anarô koa hiaraka hiboaka aminany amin'ny voninahitra. [Fagnamarihagna egny ambanin'ny pejy : Irô dikan-teny taloha sasany irô mivolagna hoe: " Izy kofa miboaka amin'ny rondro i Kristy, izay fiainanarô, anarô koa hiaraka hiboaka aminany amin'ny voninahitra.] 5 Vonenarô ny mahakasika ny tegnanarô izay aty an-tany aty: ny filan-dratsy, ny fahalotoagna, firihetan'ny filàgna, fagnirian-dratsy, ny fahatendàgna, izay fanompoan-tsampy. 6 Navy baka amininirô raha aby irô no avian'ny helokon-dRagnahary aminirô zanaky ny tsy fankatoavagna. [ Fagnamarihagna egny ambanin'ny pejy: Ny dikan-teny taloha sasany vakigny hoe: " Navy baka amin'irô raha aby irô no avian'ny helokon-dragnahary."] 7 Izegny koa no nandihananarô taloha taminarô mbola velogno taminany. 8 Amin'iziô ty, adosoanarô raha jiaby reto : heloko, fahasosoragna, irô fikasagna ratsy, fanevatevagna, ndraiky teny fanevatevagna avy amin'ny vavanarô. 9 Aza mifampavandy, fa efa narianarô ny toetranarô taloha miaraka amin'ny fagnanaovanarô izy. 10 Efa nisikininarô ny toetra vaovao izay navaozigny ao amin'ny fahalalagna tsara karaha endrik'ilay namorogno izy. 11 Kay aminjegny, tsisy Grika ndraiky Jiosy na voavositry ndraiky tsy voavositry, barbariana, Skytiana, andevo, olon' afaka, fa Kristy no raha jiaby sady amin'olo jiaby. 12 Misikina famindram-po, hatsaram-pagnahy, fagnetren-tegna, fahalemem-pagnahy ndraiky faharetagna, amin'ny maha olom-boafidin-dRagnahary anarô, sady masigny no tiany. 13 Mifampitondra tsara anarô. Mifamelà. Izy kô misy olo araiky managna fitaraignagna mikasiky olo hafa, mamelà karaha namelan'ny Tompo anarô. 14 Ambonin'ny raha jiaby zegny, manàgna fitiavagna izay mamehy atsika amin'ny fahatanterahagna. 15 Ambilà ny fiadagnan'i Kristy hanapaka amin'ny fonarô. Fa avy baka aminjegny fiadanagna zegny no nikaiagna anarô ho vatagna araiky fo. Abôko, mankasitraha. 16 Ambilà ny tenin'ny Kristy hipetraka maro aminarô amin'ny fahendrena jiaby, abôko, mifampianara ary mifagnanara amin'ny salamo, ndraiky amin'ny fihiragna, ndraiky amin'ny tonon-kiram-pagnahy, mihirà amin'ny fahasoavagna ao am-ponarô ho an-dRagnahary. 17 Na ino na ino raha ataonarô, na amin'ny volagnagna na amin'ny asa, ataovanarô amin'ny agnaran'ny Tompo Jesosy raha jiaby. Magnamaiza fankasitrahagna ho an-dRagnahary amin'ny alalany. 18 Anarô magnangy, magnikia vadinarô, fa zegny no mety ao amin'ny Tompo. 19 Anarô lelahy, tiavà ny vadinarô, ary aza masiaka amindrô. 20 Anarô zanaka, magnikia ray aman-dreninarô amin'ny raha jiaby fa zegny no ankasitrahigny ao amin'ny Tompo. 21 Anarô baba, aza magnano raha mampalahelo zanakarô baiky irô tsy ho kivy. 22 Anarô andevo, magnikia ny tomponarô amin'ny raha jiaby amin'ny maha olo, tsy amin'ny asa ataonarô alohanany baiky hahazoanarô fankasitrahagna fo fa amin'ny fo tsotra. Matahora ny Tompo. 23 Na ino na ino ataonarô, ataovanarô amin'ny fo, karaha ny ho an'ny Tompo fa tsy ho an'olo. 24 Satria hainarô tsara fa avy baka amin'ny Tompo no hazahoanarô valisoan'ny lova ho anarô. Izy no Kristy izay Tompoinarô. 25 Fa olo jiaby izay magnano tsy fahamarinagna, tsy maintsy hahazo sazy baka avy amin'ny tsy fahamarinagna izay nataony, ary tsy misy fizahagna tarehin'olo.