Toko faha 9

1 Niditry tao amigne sambo kidy Jesosy, nitsaky, ary avy tao amigne tanàgnany. 2 Igny, nisy lelahy mararinignè paralysisa natory teo amigne fandria nindesindreo Taminazy. Rehefa nahita gne finoa indreo, da hoy Jesosy tamin'ilay lelahy marariny gne paralysisahoe: ''anaky, aoka enao hifaly. Efa voavela gne helokao.'' 3 Indro, gne sasany tamigne mpanora-dalagna nagnano anampo hoe: ''mizaka ratsy io lelahy io.'' 4 Fantatr'i Jesosy gn'eritreritrindreo ary nizaka hoe: ''nagnino enareo mieritreri-dratsy ao am-ponareo? 5 Fa ia gne moramora kokoa gne mizaka anazy hoe: 'voavela gne helokao,' sa gne mizaka hoe: 'mitsangàna da mandehana? 6 Fa mba ho fantatrareo fa gne zanak'olo da mana fahefa hamela heloky ambonin'ny tany etoa,...''hoy Izy tamin'ilay paralysisa hoe: ''mitsangana, batay gne fandrianao, ary mandehana agny an-tragnonao.'' 7 Avy teo nitsanga ilay lelahy ary nandeha an-dragnony. 8 Rehefa nahita izà gne vahoky, da gaga indreo ary nidera aigne Zagnahary izay nagnomè fahefa ekoizà gn'olo. 9 Ary raha niala avy teo Jesosy, da nahita lelahy nangia hoe Matio Izy, izay nipetraky teo amigne lainigne fandagnona-ketra. Hoy Izy taminazy hoe: '' magnarà Anaha.'' Nitsanga izy ary nagnaray Anazy. 10 Ary raha nidoboky hihina tao an-tragno Jesosy, igny, mpamory hetra sy olo mpanota maro tonga ary nira-nihina tam'i Jesosy sy gne mpianatriny. 11 Rehefa nahita an'izà ireo Fariseo, da nizaka tamigne mpianatriny indreo hoe: ''nagnino gne mpampianatrareo no miara-mihina amigne mpamory hetra sy gn'olo mpanota?'' 12 Rehefa naharè an'izà Jesosy, da hoy Izy hoe: ''gn'olo mantanjaky ara-bata da tsy mila mpitsabo, fa gne marary evao. 13 Mandehàna enareo mianatry gne dikany gne hoe: 'famindram-po fa tsy sorogny.' Fa avy Iaho, tsy hiantso gne marigny hibebaky, fa gne mpanota.'' 14 Avy eo nagnato Anazy gne mpianatr'i Jaona ka nizaka hoe: ''nagnino iahay sy ireo Fariseo no mifady hany matetiky, fa gne mpianatrao da tsy mifady?'' 15 Hoy Jesosy tamindreo hoe: ''mety alahelo gne havanigne mpmpakatra, raha mbola miaraky eo amindreo gne mpampakatry? Fa ho avy gn'andro angala gne mpampakatra eo amindreo, da am'izay indreo va hifady haniny. 16 Tsy misy olo magnano takobaraby amigne tapa-lamba vaovao, fa gne tampiny handrivatry gne lamba, ary hihitatry gne rota aminazy. 17 Tsy misy olo magnisy dovay vaovao ao agnaty barika hoditry tota. Raha magnano an'izà indreo, da ho triatry gne hoditry, ho rararaky gne dovay ary ho potiky barika hoditry. Fa kosa, magnisy dovay vaovao ao agnaty barika hoditry vaovao indreo, ary ho voahompy izy roy. 18 Raha mbola nizaka ireo zavatry ireo tamindreo Jesosy, da igny, nisy manam-pahefa raiky tonga da nandohaliky teo Aminazy. Nizaka izy hoe: ''maty amin'izao fotoa izao gne zanako viavy, fa mevia ary apetraho eo aminazy gne tagnanao, da ho velo izy.'' 19 Avy eo nitsanga Jesosy ary nagnaraky anazy, da nagnano akoizà koa ireo mpianany. 20 Indro, nisy viavy izay efa nandeha fotoaha nandritry gne roy ambin'ny folo tao, nandeha tao afaran'i Jesosy ary nikasiky gne moron'ankanjony. 21 Fa hoy izy tamigne tegnany hoe: ''raha maha voakasiky gne lambany fotsiny iaho, da ho sitragny.'' 22 Fa nitodika Jesosy ka nahita anazy, da nizaka hoe: ''ry zanako viavy, mahereza; gne finoanao gne nahasitragny anao.'' Ary sitragny io viavy io nanomboky tamin'io lera io. 23 Rehefa avy tagny amigne tragnon'ilay manam-pahefa Jesosy, da nahita mpitsoky asody, sy ireo vahoky mitabataba be Izy. 24 Da hoy Izy hoe: ''mandehana, fa tsy maty ilay zazaviavy, fa matory izy.'' Fa nihome Enazy tamign'ekeky indreo. 25 Rehefa navoky tagny iveny gne vahoky, da niditry tao agn'efitry Izy ary nandray enazy tamigne tagnany, ary nitsanga ilay zazaviavy. 26 Niparitaky nagneragny gne faritry aby gne vaovao mikasiky enizà. 27 Ary raha niala teo Jesosy, da nisy jamba roy lahy nagnaraky Enazy. Tsy nizano indreo gne nangaiky hoe: ''mamindrà fo aminay, ry zanak'i Davida!'' 28 Rehefa avy tao an-tragno Jesosy, da nagnato Anazy ireo jamba. Hoy Jesosy tamindreo hoe: ''mino enareo fa mahay magnano an'izà Iaho?'' Da hoy indreo taminazy hoe: ''eka, Tompo.'' 29 Avy teo nokasihan'i Jesosy gne masondreo ary nizaka hoe: ''ho tanteraka aminareo araka gne finoanareo izà,'' 30 ary nahiratry gne masondreo. Avy eo Jesosy nandidy mafy andreo ary nizaka hoe: ''ôka mba tsy hisy olo hahafantatry gne momba an'izao.'' 31 Fa nandeha izy roy lahy ka nampiely gne vaovao momba izà nagneragny izà faritry izà. 32 Ary rehefa nandeha izy roy lahy, da igny, nisy lelahy moa nipetrahanè devoly nindesy tam'i Jesosy. 33 Ary rehefa nala gne devoly, da nizaka ilay lehilahy moa. Gaga gne vahoky ka nizaka hoe: ''tsy mbola fahita hatr'izay tam'Isiraely izao!'' 34 Fa hoy ireo Fariseo hoe: ''tamignè fanapahan'ireo devoly, gne namoahamy ireo devoly.'' 35 Nandeha nitety ireo tanà-zakabe sy gne vohitry aby Jesosy. Nanohy nampianatry tam'ireo synagogandreo Izy, nitory gne filazantsara ny gne fanjaka, nagnasitragny gne karazan'arety maro sy karaza fahoria aby. 36 Rehefa nahita gne vahoky Izy, da nana fahadiovam-po tam'ireo, satria nisalasa sy kivy indreo. Akoign'ondry sy misy mpiandry indreo. 37 Da hoy izy tamireo mpianany hoe: ''maro gne vahoky, fa gne mpiasa gne kidy. 38 Noho izà mivava malaky amigne Tomponè vokatry, mba handefany mpiasa egny amigne vokatriny.