Toko faha 8

1 Rehefa nidigny avy egny an-tendrombohitry Jesosy, da vahoky maro gne nagnaraky Anazy. 2 Igny, nisy boka raiky nagnato Anazy ary nijanogny taloany teo, nagnano hoe: ''Tompo, raha ekenao, da afaky magnadio enah Enao.'' 3 Nagnapatry gne tagnany Jesosy ary nikasika anazy, nagnano hoe: ''ekeko.'' madiova.'' Tampotampoka teo da nadio tamigne fahabokany izy. 4 Hoy Jesosy taminazy hoe: ''ôka mba tsy hizaka na ino na ino na am'ia na am'ia enao. Mandehana amigne lalanao, ka ambaray amigne mpisorona gne tegnanao ary atolory gne rakitry izay nodidiany Mosesy, mbo fijoroana vavolombelo amindreo.'' 5 Rehefa niditry tao Kaperinaomy Jesosy, da nagnato Anazy gne kapiteny raiky ary nagnontany Enazy, 6 magnano hoe: ''Tompo, matory ao antragno gne mpanompoko fa fa malemy ary ao agnatiny gne fahararia mafy.'' 7 Hoy Jesosy taminazy hoe: ''ho avy Iaho ary hanasitrana anazy.'' 8 Namaly ilay kapiteny ary nagnano hoe: Tompo, tsy mendriky hidiranao ao ambany tafon-tragnoko, fa zakay fotsiny gne zaka da ho salama gne mpanompoko. 9 Fa iaho evao koa da lelahy izay napetraky ao ambany fahefana, ary manana maramila izay fiheziko aho. Mizaka amigne raiky iaho hoe: ' mandehana,' da mandeha izy, ary amigne hafa raiky hoe: 'avia,' da magnato izy, ary amigne mpanompoko hoe: 'amboary izao,' da aniny izà.'' 10 Rehefa ren'i Jesosy izà, da gaga Izy ary nizaka tamigne nagnaraky Anazy hoe: ''zakaiko marigne aminareo, fa tsy mbola nahita olo nanam-pinoa akoizà Iaho teto Israely. 11 Zakaiko aminareo, fa maro gn'avy agny atsignana sy avy agny akandrefa no ho tonga, ary indreo da hipetraky eo an-databatry miaraky amin'i Abrahama, Isaka ary Jakoba, agny amignè fanjakanigne lagnitry. 12 Fa gne zanaky gne fanjakana da atsipy agny ivelany gne mizy lavitry agny, izay hisy fitomagnia sy fikitrohanify.'' 13 Hoy Jesosy tamin'ilay kapiteny hoe: ''mandehana! Araky gne ninoanao, da oka izà ho anigny ho anao.'' Ary da sitragny tamin'izà lera izà mihitsy ilay mpanompo. 14 Rehefa nihiditry tao amigne tragnon'i Petera Jesosy, da nahita gne rafozam-bavin'i Petera natory nararinè tazo Izy. 15 Nokasian'i Jesosy gne tagnany, ary ary niala taminazy gne tazo. Da nitsanga izy ary nanomboky nandroso sakafo Anazy. 16 Rehefa avy gn'hariva , da maro ireo nofiheziny gne devoly nindesiny gn'olo teo amin'i Jesosy. Nandroky ireo fagnahy tamigne zaka Izy ary nagnasitragny gne narary aby. 17 Akoizà gne nahatanteraky izay nambara tamin'Isaia mpaminany, nagnano hoe: ''Izy tegnany nangala gne faharariantsika sy nitondra ireo aretitsika.'' 18 Ary rehefa hitan'i Jesosy ireo vahoky nagnodidy Enazy, da nagnome toromariky mba helà amign'eregnilanigne ranomasin'ny Galilia Izy. 19 Avy teo gne mpanora-dalàgna raiky nagnato Anazy da nagnano hoe: ''eh mpampianatry!'' hagnaraky Anao iaho na aia na aia andehananao.'' 20 Hoy Jesosy taminazy hoe: ''gne amboahaolo mana-lavaky, ary gne voro mandrembo mana tragnony, fa gne Zanak'olo tsy mana na aia na aia ampatoriany gne lohany.'' 21 Raiky hafa tamin'ireo mpianatriny nizaka taminazy hoe: ''Tompo, avelay eky iaho andeha ary andevy gne raiko.'' 22 Fa hoy Jesosy taminazy hoe: ''magnaraha Anah, ary avelay gne maty andevy gne maty ao aminazy.'' 23 Rehefa niditry tamigne sambokidy Jesosy, da nagnaraky Anazy tao agnatin'ireo gne mpianatriny. 24 Igny nisy tafio-drivotry zakabe nitranga tamigne ranomasy, da takotry gn'onja gne sambo. Fa azotory Jesosy. 25 Nagnato Anazy gne mpianatriny ary namoha Anazy, nagnano hoe: ''vonjeo isika, Tompo; ho faty isika!'' 26 Hoy Jesosy tamindreo hoe: ''nagnino enareo malia, ry kely finoa? Da nitsanga Izy avy teo ary nizaka mafy gne rivotry sy gne ranomasy. Da nisy filamignany avy teo. 27 Gaga ireo lehilahy ary nizaka hoe: ''fa karazana lehila ino ity, ndre gne rivotry sy gne ranomasy da magneky Anazy?'' 28 Rehefa avy tegny ampita sy tao amigne tanànè Gadarenesa Jesosy, da nisy lehilahy roy izay nofiheziny gne devoly nifakanendriky Taminazy. indreo da nivoky avy agny anin'ireo kobory ary tena mahery fihetsiky, noho izà da tsy nisy mpandeha afaky nandalo an'izà lala izà. 29 Igny, nikoritsaky mafy indreo ary nagnano hoe: ''moa mpifagnino itsika sy Enao, ry Zanake Zagnahary? Avy etoa me enao ampihorohoro anay alohanigne fotoa voatondro?'' 30 Ary nisy andian-kisoa maro nihina teo, tsy da lavitry andreo. 31 Mbola miangavy an'i Jesosy evakoa ireo devoly ary nagnano hoe: ''raha mandraky anay Enao, da alefao ao agnatiny gn'andian-kisoa ireo iahay.'' 32 Hoy i Jesosy tamindreo hoe: '' mandehana!'' Da nivoky irepo devoly ka nandeha amin'ireo kosoa; ary igy, gn'adiany aby nilefa nidigny gne tendrombohitry mandeha megnagny an-dranomasy ary maty tao amigne rano indreo. 33 Ireo izay nikarakara ireo kosoa da niazakazaky ary nandeha amigne tanà indreo ary nitatitry gne raha aby, ary indrindra izay nitranga tamigne rahalahy izay nofihezine devoly. 34 Igny, nivoky gne tao an-tanàgna rehetra mba hihaogny amin'i Jesosy. Rehefa hitandreo Izy, da nangataka Anazy mba hiala gne faritanindreo.