Toko faha 28

1 Ary tamè harivan'gne Sabata, raha vao nazava ratsy gne andro voalohany am'gne herignandro, da avy hagnety gne kobory i Maria Magdalena sy i Maria raiky. 2 Ary nisy horohorotany mafy; fa nisy anjelin'i Tompo nidiny avy tany an-danitry, nandeha teo ka nagnodidy gne vato, da nidoboky tamboniny. 3 Ary gne fagnitè anazy da mitovy amè tselatry, gn'akanjony fotsy mitovy amè orampanala. 4 Ary gne mpiamby nivady fo noho gne fahatahora anazy ka nazary akô maty. 5 Gne anjely namaly sady nizàka tamine viavy hoe: " Ka matatry anareo, fa fantako i Jesosy, izay efa naisy tame hazo fijalia gne tadiavinareo. 6 Tsy atoa izy, fa efa nitsanga araky gne nozakainy. Avia, da iteo, fa tao gne natorian'i Tompo. 7 Ary mandehana malaky, da zakay ame mpianatriny fa efa nitsanga tamè maty izy; ary efa ho aloanareo ho agny Galilia Izy. Agny gne hahitanareo Anazy. Efa nizàka taminareo iao io." 8 Da niala nalaky tamè kobory indreo sady natatry gne faly lôtry evakoa, da nihazakazaky hizàka tamè mpianatry. 9 Ary io i Jesosy nifakatendriky taminazy ka nizàka hoe: " Akoraby!" Ary indreo nagnato, da nitaha gne tombony da nandohaliky sy nidera Anazy. 10 Hoy Jesosy taminazy : " Ka matatry, fa mandehana, ka mizàka amin'ireo rahalahiko mba hiala ka hihazo an'i Galilia. Agny gne haitandreo Anah." 11 Ary raha nandeha indreo, igny fa nisy mpiamby sasany nadeha ta-tanà, nizàka tamè lohane mpisorona gne zavatry aby izay vao niboda. 12 Ary raha nifandagno izy amè loholona, da niara-nandiniky ka nagnome vola be gne miaramila. 13 Sady nizàka hoe: " Izakay hoe : ' Gne mpianatriny ho avy ariva ka nangataky anazy, raha tazoa natory iahay. 14 Ary raha misy mizàka an'izà amè governora, iahay da hampagneky anazy ka hagnano izay tsy hampagnino anareo. 15 Da nandray gne vola izy sady nagnano araky gne zakà nomeny anazy. 16 Fa negnagny Galilia ireo mpianatry ireika ambin'ny folo, tany amè tendrombohitry izay efa natoron'i Jesosy andreo. 17 Rehefa nahita Anazy indreo, da nidera anazy, fa gne sasany kosa nisalasala. 18 Nagnato andreo Jesosy ka niresaky tamindreo ary nizàka hoe: " Efa nomena Anah gne fahefà rehetra any an-danitry sy gn'ety an-tany. 19 Ka mandehana ary ataovy tonga mpianatro gne firenen-drehetra. Ataovy batisa indreo am'gn' agnaran'i Ray, Zanaka, ary Fanahy Masina. 20 Ampianaro indreo hifady gne raha agnaby nandidiako anareo mandrakariva mandra-piavisan'gne fahataperan'izap tontolo izao.