Toko faha 27

1 Laha narandray gn'andro, gne lohan'gne mpisorogny aby sy gne loholona da nitadia hevitry hiampangà an'i Jesosy mba hamonoa anazy. 2 Ary raha nofeheziny izy, da nindesiny ka nomeny an'i Pilato governora. 3 Ary Jodasy, namadiky Anazy, raha nahita fa nosazy i Jesosy, da nanegny ka nagnapody gne Sekely volafotsy telo-polo tamè lohan'gne mpisorona sy gne loholona, 4 ka nizàka hoe: " Nanota iao, satria, namadiky raha marina. Fa hoy indreo: " Aninay ino izà? fa asakasakao ". 5 Ary raha napitsikiny teo amè tempoly gne vola, da lasa izy nandeha niala, ary nagnano tadimody da nagnashapy gn'ainy, ka da maty. 6 Ary gne lohan'gne mpisorona nangala gne vola sady nizàka hoe: " Tsy mety raha alatsaky amè rakitre tempoly io , fa vidin-drà. 7 Ary raha mbola nindray nidiniky indreo, da navidiny gne Sahane mpanefy vilagny gne vola ho fandevegnam-bahiny. 8 Ka izà gn'agnamboara gne agnaran'izà saha izà mandrak'androany hoe: " Sahan-drà". 9 Ary tamin'izàny, da tanteraky izay nampizakay an'i Jeremia mpaminagny hoe: " Da nalainy gne sekely volafotsy telo-polo, vidin'gne notombagna, da gne notombanan'gne Zanak'Israely, 10 ka nomeny havidy gne sahanè mpanefy vilagny izà, araky gne nandidian'i Jehovah anah. 11 Ary Jesosy nitsanga teo agnatrehan'gne governora; ary gne governora nagnotany anazy hoe: " Anao me gne mpanjakan'gne Jiosy?" Da hoy Jesosy taminazy se : " Vôzakanao". 12 Ary raha napangaine lohane mpisorona sy gne loholona izy. 13 Da hoy Pilato taminazy: " Tsy renao me gne raha iampangà Anao izà? 14 Fa tsy namaly ndre da indraiky izy. Ka gaga gne governora. 15 Ary isake gn'avy gn'andro firavoravoa da faninè governora gne gadra raiky ho ané vahôky, arakigne tiany. 16 Ary tamin'izà, danisy gadra malaza atao hoe: " Barabasy". 17 Ka raha tafavory gn'olo, da hoy i Pilato taminazy: " Iao me gne tianareo homeko anareo, Barabasy sa Jesosy, Izay hanigny hoe i Kristy?" 18 F'izy fatany fa fialogna gne nagnolorandreo anazy. 19 Ary raha nidoboky tamè fitsarà izy, gne vadiny gne nagniraky handeha aminazy ka nizâka hoe: " Tsy mana na ino na ino atao amin'ity lehilahy tsy magna-tsigny ity iao. Fa ory lôtry iao androany nohon'gne nofy azoko momba Anazy." 20 Ary gne lehiben'gne mpisorona sy ireo loholona nandresy lahatry gne vahoaky mba hangataky an'i Barabasy, ary hampamono an'i Jesosy. 21 Nagnotany andreo gne Governora hoe: " Ia amindreo roy gne tianareo halefako ho anareo?" Hoy indreo hoe: " Barabasy." 22 Pilato nizàka tamindreo hoe: " Ino e rokony ho aniko amin'i Jesosy izay angia hoe Kristy?" Indreo agnaby namaly hoe: " Fantsiho amè hazo fijalia Izy." 23 Da hoy Izy hoe: " Naoa, ino gne heloky nanìny?" Fa maika indreo nizàka mafy hoe: " Fantsiho amè hazofijalia Izy." 24 Fa rehefa hitan'i Pilato fa tsy afaky hagnano na ino na ino izy, kanefa efa manomboky gne tabataba, da nangala rano izy, nanasa gne tagnany teo anoloan'gne vahoaky, ary nagnano hoe: " Tsy manan-tsigny amè ràn'ity lehilahy tsy manan-tsigny ity iao. Fa asanareo izany." 25 Ireo olo agnaby nizàka hoe: " Ho aminay sy gne zanakay anie gne ràny." 26 Da nalefany ho andreo Barabasy, fa nifiky karavasy an'i Jesosy izy ary nagnolotry Anazy ho fantsihy. 27 Avy teo indreo miaramilan'gne governora nangala an'i Jesosy hegnagny an-dapa ary nanambatry ireo vondrona miaramila rehetra. 28 Nangala gne fitafiany indreo ary nampagnano akanjo jaky Anazy. 29 Nagnambôtry satro-boninahitry fantsy indreo ary nametraky izà tamè lohany, ary nametraky tehina teo amè tagn'ankavagna. Nandohaliky teo anatrehany indreo ary nagneso Anazy, nagnano hoe: " Akôraby, ry mpanjakan'gne Jiosy!" 30 Da nandrorany Izy, ary nalainy gne volotara, ka notakapiny gne lohany. 31 Ary raha nagneso Anazy izy, da nangala gne lamba taminazy, ka napitafiny anazy indraiky gne lambany, ary nindesiny izy mba haisy amè hazo fijalia. 32 Ary raha nandeha izy, da nahita lehilahy raiky Syrena angia hoe Simona, ka izy gne noforoseny hinday gne hazo fijalian'i Jesosy. 33 Ary raha avy teo tamè tany atao hoe Golgota izy, izany hoe " Toeran'gne Karandoha." 34 Nomendreo divay mifangaro amè efero Izy mba ho indranominy. Fa rehefa nandramany izà, da tsy nindragno Izy. 35 Rehefa nofantsiandreo tamè hazo fijalia Izy, da nanindreo loka gne fizarà gne fitafiany, 36 ka nidoboky indreo ary nijanogny niamby Anazy. 37 Teo ambonin'gne lohany gne nametrandreo soratry mizàka gne nagnamelohana Anazy, izay magnambara hoe: " Ity gne Jesosy, mpanjakan'ireo Jiosy." 38 Nisy jiolahy roy nofantsia niaraky taminy, gne raiky teo ankavagnany ary gne raiky teo ankavia. 39 Ireo izay nandalo da nagnano tsinotsino Anazy, nanivingivigny gne lohany indreo 40 ary nagnano hoe: " Anao handrava gne tempoly ary hagnambôtry izà agnatin'gne telo andro, vonjeo eky gne tegnanao aloha! Raha anao gne Zanak' Andriamanitry, mijosoa laha-tegny amè hazofijalia tegny raha mafy!" 41 Ary da nagneso akôiza koa gne lohane mpisorogny izy amè mpanoratry lalàgna sy gne loholona ka nizàka hoe: " 42 Gne sasany novonjeny; fa gn'ainy tsy hainy vonjè. Mpanjakan'gne Israely Izy, aoka hijoso hiala am'gne hazo fijalia izy amisia, raha ankasitrahany Izy satria hoy Izy : " Zanak'Andriamanitry iao" 43 Natoky an'Andriamanitry Izy, apetray Andriamanitry hamonjy Anazy etoa, raha mankasitraky gne hanafaky Anazy Andriamanitry. Fa na Izy ary da nizàka hoe: " Iao gne Zanak'Andriamanitry." 44 Mitovy amin'izà koa ireo jiolahy izay nafantsia niaraky taminy nizàka fanevateva taminy evakoa. 45 Ary hatramè lera fahenina sy fahasivy da mizy gne tany aby. 46 Ary tokony tamè lera fa sivy, da nangaiky tamè feo mafy i Jesosy ka nizàka hoe: " Ely,Ely, lamà sabaktany?" izany hoe : " Andriamanitry ô, Andriamanitry ô, nagnino raha mahafoy anah Anao?" 47 Ary gne sasany tam'izay nijano teo, raha nahare anzà, da nagnano hoe: " Mangaiky an'i Elia izy. 48 Ary niaraky tam'izà gne raiky taminazy teo da nihazakazaky nangala sipaonjy ary raha natsombokony tamè vinaingitra izà da notohizany tamè volotara, da nomeny hotsetsefin'i Jesosy. 49 Fa gne sasany koa nizàka hoe: " Apetray Izy. Hitantsika eo raha ho avy hamonjy Anazy Elia." 50 Da nihiaky tamè feo mafy indray Jesosy ary nagnolotry gne fagnàny. 51 Ary gne efitry lamba tao ame tempoly da triatry nizara roy hatragny ambony ka hatramè ambany; da nisy horohoro tany, ka nitresaky gne pelapelam-bato. 52 Ary nipôky gne kobory, ka maro gne fatin'olo masina izay efa nody mandry gne nitsanga. 53 Ka nijoso tamè kobory indreo tafaranè nitsanganan'i Jesosy; da nandeha tamè tanà masina ka naboda tamè maro. 54 Ary gne kapiteny sy gne fehiny, izay niamby an'i Jesosy, raha nahita gne horohoro tany izy amè raha hisy teo, da tena natahotry ka nizàka hoe: " Marigny datò fa zanak'Andriamanitry io lehilahy io." 55 Ary nisy viavy maro nitsinjo lavitry, izay nagnaraky an'i Jesosy hatragny Galilia ka magnompo anazy. 56 Isan'izà i Maria Magdalena sy Maria endrin'i Jakoba sy Josefa, ary gne endrindreo zanakalahin'i Zebedio. 57 Ary raha ariva gn'andro, da avy gne lehilahy manan-karena avy any Armatia, angia hoe Josefa, izay mpianatr'i Jesosy evakoa. 58 Nagnato an'i Pilato izy ary nangataky gne fatin'i Jesosy. Da nobaikon'i Pilato omè anazy izany. 59 Nangala gne faty Josefa, namono izany tamè lamba rongony madio, 60 ary nampandry izany tamè kobory vaovao izay nolavahany tamè vatolampy. Da nagnakodia vato zakabe hanohina gne varangaran'gne kobory izy ary nijoso. 61 Maria Magdalena sy ireo Maria hafa da teo, nidoboky teo ampitan'gne kobory. 62 Ary raha omaray gn'andro fiomagna,da nivory tam'i Pilato gne lohan'gne mpisorona sy gne Fariseo. 63 Ka nizàka hoe: " Tompoko, tadidinay fa igny mpamitaky igny, tamin'izy ambola velo, da nizàka hoe: ' Raha afaky telo andro, da hitsanga iao.'" 64 Ka hanio tsara hambiny tsara gne kobory mandrapevisan'gn'andro fahatelo, fa sao avy evao gne mpianatriny ka hangalatry anazy, da izàka amin'olo hoe: " Efa natsanga tamè maty Izy", ka ho ratsy gne fitaky farany hono ne voalohany. 65 Hoy Pilato taminazy se: " Mangala mpiamby ka mandehana, ary anio mafy araky gne hainareo gne fembena. 66 Ary ndreky lasa izy, da nalefany gne mpiamby hiamby mafy gne kobory, rehefa naisiny tombo-kase gne vato.