Toko faha 24

1 Nijoso gne tempoly Jesosy ary lasa nandeha. Nagnato Anazy ireo mpianany mba hanoroana anazy gne rafitry gne tempoly. 2 Nefa namaly izy ary nizàka tamindreo hoe: " Tsy hitanareo ireo zavatry rehetra ireo? Zakaiko marina aminareo, tsy havela hisy vato hifapitikitry etoa ka tsy horàvà. 3 Raha nidoboky teo an-tendrombohitr'Oliva Izy, da nagnato anazy mangingina ireo mpianany ary nizàka hoe: " Ambaray anay, ovia ireo zavatry rehetra ireo gne hitranga? Ino gne famantatra gne fahatongavanao sy gne fara-andro?" 4 Namaly Jesosy ary nizàka andreo hoe: " Mitandrema mba tsy hisy hamitaky anareo." 5 Fa ho maro gne ho avy amè agnarako. Ary hizàka indreo hoe: " Iao gne Kristy" , ary maro gne ho voafitaky. 6 Haheno ady sy tatitr'ady anareo. Mitandrema mba tsy hitebiteby anareo, fa tsy maintsy hitranga izà zavatry rehetra izà; nefa tsy mbola tonga gne farany. 7 Fa hisy firenegny hitsanga hanohitry firenegny, ary fanjàka hanohitry fanjàka. Hisy mosary sy horohoron-tany amè toeragny samihafa. 8 Nefa izà zavatry rehetra izà da fiandohan'gne fanaintainan'gne fiterà fotsiny avao. 9 Ka ho atolotrindreo ho amè fahoria anareo ary ho vonoiny. Ho halan'gne firenegny rehetra anareo nohon'gne agnarako. 10 Ary maro gne ho tafatò, ary hifamadiky sy hifankalaigny gne tsirairay. 11 Mpaminagny sandoky maro gne hitsanga ka hamitaky olo maro. 12 Satria gne faharatsia da hitombo, ary hihamanara gne fitiavan'gne maro. 13 Fa gne raiky izay naharitry hatramè farany da ho voavonjy. 14 Ity filazantsaran'gne fanjakà ity da ho toria magnerany izao tontolo izao ho vavolombelo gne amè firenegny rehetra. Avy teo da ho tonga gne farany. 15 Noho izà, raha mahita gne fahavetavetan'gne fandravà anareo, izay nambaran'i Daniela mpaminagny, da hitsanga eo amè toeragny Masina anareo" ( aoky gne mpamaky hahatakatry), ' 16 Aoka indreo izay any Jodia handositry ho any an-tendrombohitry, 17 aoka izay ao an-tampon'gne tragno tsy hidigny hangala zavatry avy ao an-tragnony, 18 ary aoky izay any an-tsaha tsy hipody angala gne lambany. 19 Fa loza ho anè bevoky sy gne mpampinono amin'izà andro izà! 20 Mivavaha mba tsy ho amè ririnina na amè Sabata gne hitranga gne fandosiranareo. 21 Fa hisy fahoria zakabe, izay tsy mbola nisy teo mihintsy hatrany am-piandohan'izao tontolo izao mandrak'ankehitriny, aeky, ary tsy hisy esana. 22 Raha tsy afohezy ireo andro ireo, da tsy hisy nofotry hovonjegny. Fa nohon'gne olom-boafidy, da hafohezy ireo andro ireo. 23 Fa raha misy olo mizàka anareo hoe: " Ity ilay Kristy na, ' iry ilay Kristy da ka mino anizà. 24 Fa gne Kristy sandoky sy gne mpaminagny sandoky ha ho avy ary hampiseho famantara zakabe sy mahagaga, mba hamitaky, raha azo atao, eka fa na gne olom-boafidy. 25 Efa nozakaiko anareo mialohan'gne fotoa. 26 Noho izà, raha magnambara anareo izy hoe: " Any an-efitry izy", da ka megnagny. 'Na hoe, any agnaty efitragno izy' da ka mino anizà. 27 Fa mitovy amè varangara izay mitselatry avy lata-tsignana ka mazava ka hatrany handrefa, da mitovy amin'izà gne fihavian'gne zanak'olo. 28 Na aia na aia misy biby maty, da any gne hiangonan'gne voromahery. 29 Ary vao afaky gne fahoria amin'ireo andro ireo da ho mizy gne masoandro, tsy ho balaky gne volagny, hilatsaky avy any an-danitry gne kintany, ary hihozongozo gne herin'gne lanitry. 30 Avy teo da hiseho eny amè lanitry gne famantaran'gne zanak'olo, ary gne karazà rehetra ambonin'gne tany hisaogny. Hahita gne zanak'olo tonga amè rahon'gne lanitry miaraky amè hery sy voninahitry zakàbe indreo. 31 Handefa ireo anjeliny Izy miaraky amè feo trompetra mafy, ary hanangony gne olom-boafidiny avy any amè vazan-tany efatry indreo, manomboky amè faravodilanitry ka hatrany amè hafa. 32 Mianara gne lesona avy amè aviavy. Raha vantany vao matoy gne sampany ary mamôky gne raviny, da fantatrareo fa manakaiky gne fahavaratry. 33 Mitovy amin'izà, raha mahita izà raha agnaby izà anareo, da tokotry efa fantatrareo fa tsy ela esana da avy Izy, eo am'ireo vavahady mihitsy. 34 Zakaiko marina aminareo, fa tsy ho lany taranaky ity mandra-pisehoan'izàrehetra izà. 35 Tsy hisy esana gne lanitry sy gne tany, fa gne zakako da tsy mba ho levony mandrakizay. 36 Kanafe gne mahakasiky izà andro sy ora izà da tsy misy mahalala, na gne anjelin'gne lanitry azà, na gne Zanaky lahy, fa gne Ray avao. 37 Mitovy tamè andron'i Noa, da mitovy amin'izà koa gne fiavian'gne Zanak'olo. 38 Fa mitovy tamin'ireo andro mialohan'gne safo-drano da nihinà sy nisotro indreo, nagnambady sy nampakary mandra-pahavin'ilay andro nidiran'i Noa tao agnatin'ilay Sambo fiara, 39 ary tsy nahafatatry na ino na ino indreo mandra-pahavin'gne safo-drano ka nandringany anazy rehetra- da mitovy amin'izà gne fihavian'gne zanak'olo. 40 Avy teo nisy lehilahy roy teny an-tsaha - gne raiky ho raishy ary gne raiky ho aboda. 41 Viavy roy gne handisa vary - gne raiky ho raishy, ary gne raiky ho aboda. 42 Noho izà da miambena, fa tsy fantatrareo izay andro hiavian'gne Tomponareo. 43 Fa fantaro izao, raha fantatry gne tompon-tragno hoe am-firy aly gne hiavian'gne mpangalatry, da hibiniky izy ary tsy hamela gne tragnony ho vaky. 44 Noho izà da tsy maintsy mivonogny evakoa anareo, fa ho avy gne Zanak'olo amè ora tsy ampoizinareo. 45 Ka ia ilay mpanompo mahatoky sy hendry izay notendren'gne tompony hanapaky gne fianakaviny mba hanomezany andreo gne sakafondreo amè fotoa mety? 46 Sambatry izà mpanompo izà izay hitan'gne Tompony fa magnano izà rehefa avy izy. 47 Ambarako marina aminareo fa gne tompony gne hanapoky anazy ho ambonin'gne zavatry rehetra izay anagnany. 48 Fa raha misy mpanompo ratsy mizàka ao am-pony hoe: " Mahadigny tsy avy gne tompoko" , 49 ka manomboky mamono ireo mpanompo namany, sy mihina ary misotro miaraky amindreo mpimamo; 50 da ho avy gne tompon'ilay mpanompo amè fotoa izay tsy ampoiziny ary amè ora izay tsy fantany. 51 Da ho kapakapain'gne tompony izy ary ho ataony mitovy amè mpihatsarambelatsy gne anjarany, izay hisy gne fitomania sy gne fikitroha-nify