Toko faha 23

1 Ary Jesosy nizàka tamin'ireo vahoaky sy ireo mpianany. 2 Hoy Izy hoe: " Ireo mpanora-dalàna sy Fariseo da midoboky eo amè fidoboan'i Mosesy.' 3 Noho izà na ino na ino handidiandreo anareo ho amboary, da amboaro agnaby ka mitandrema avao. Fa ka hanì mitovy gne asandreo, satria indreo da mizàka zavatry nefa avy teo tsy magnano aby. 4 Eka, fatorandreo gne enta-mavesatry izay sarotry indeshy, avy teo da aishindreo eo amè soroky gne olo. Fa tsy hagnetsiky gne ratsan-tagnany raiky avy gne tegnandreo mba hinday azy ireo. 5 Magnano gn'asany agnaby indreo mba ho hitan'gne olo. Fa ataondreo malalaky gne filakiterany, ary itarindreo gne moron'akanjony. 6 Tiandreo gne toeran'gne manan-kaja any amè fagnashà sy gne toeran'gne zakabe ao amè synagoga, 7 sy gne fiarabà miavaky eny abezara, ary mba ho angian'gne olo hoe: 'Raby'. 8 Fa anareo tsy azo angia hoe: ' Raby', fa fa raiky evao gne mpampianatrareo, ary mpirahalahy anareo agnaby. 9 Ary ka mangaiky gne olo ety an-tany hoe rainareo, fa raiky evao gne Rainareo, ary Izy da any an-danitry. 10 Fa anareo ka mizàka angia hoe: 'Mpampianatry', fa raiky evao gne mpampianatrareo, da i Kristy. 11 Fa gne zakabe indrindra aminareo gne ho mpagnomponareo. 12 Na ia na ia manandra-tegna da ahetry, ary na ia na ia magnetry tegna da hasandratry. 13 Fa loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa arindrinareo amè olo gne fanjankan'gne lanitry. Fa anareo tsy mampiditry gne tegnanareo, ary tsy homanareo indreo izay mitady hiditry. 14 Loza hoa anareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsarambelatsy! Fa laninareo gne tragnon'gne mpitondrategna, ary da magnano vavaky lavareny ho fialohana anareo, ka izà gne hahazoanareo fanamelohana mafimafy kokoa. 15 Loza ho anareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsarambelatsy! Fa mandeha mitety gne ranomashy sy gne tany maigny anareo mba hampiova fo gne olo raiky, ary rehefa miova izy, da aninareo gne zanaky gne helo avo roy heny mihoatry anareo izy. 16 Loza ho anareo, mpitariky jamba izay magnano hoe: " Raha misy mitangè amè tempoly, da tsy mampagnino izà, fa raha misy mitangè amè volamena amè tempoly, da voafatotry gne fitangenany izy." 17 Ry mola sy jamba! Ia gne zakabe, gne volamena, sa gne tempoly izay magnano gne volamena ho masina? 18 Ary, ' Na ia na ia mitangè amè alitara, da tsy misy dikany izà. Fa na ia na ia mitangè amè fanatitry izay eo ambonin'izà, da voafatotry gne fitangenany izy'. 19 Anareo olo jamba! ia gne zakabe kokoa, gne fanatitry sa gne alitara izay magnano gne fanatitry ho masina? 20 Noho izà, izay mitangè amè alitara, da mitangè amin'izà sy amè zavatry rehetra eo amboniny. 21 Gne raiky izay mitangè amè tempoly, da mitangè amin'izà sy amin'izay moniny ao aminy, 22 ary gne raiky izay mitangè amè lanitry, da mitangè amè seza fiandrianan'Andriamanitry sy aminy izay midoboky eo ambonin'izà. 23 Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsarambelatsy! Fa mandoa gne fahafolon'gne solila sy gne aneta ary gne komina anareo, fa anareo datsy nankasitraky gne raharaha mavesa-danja indrindra amè lalàna- da gne rariny sy gne famindram-po ary gne finoa. Fa ireo gne tokotry haninareo ary tsy tokotry navelanareo ho tsy vita gne raiky hafa. 24 Anareo ry mpitariky jamba, anareo izay manivany gne lalitry nefa mitely rameva! 25 Loza hoa anareo, ry mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsarambelatsy! Fa diovinareo gne hivalan'gne kapôky sy gne lasety, nefa gn'agnatiny da feno fitsiriritany sy filàgny. 26 Anareo Fariseo jamba! Diovy aloha gne ao agnatin'gne kapôky sy gne lasety, mba ho lasa madio evakoa gne ivelany. 27 Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsarambelatsy! Fa anareo da mitovy amè kobory voalalotry fotsy; izay tsara ivelany, fa gne ao agnatiny kosa da feno araka sy gne loto agnaby. 28 Mitovy amin'izà evakoa, ivelany anareo miseho ho marina eo amè olo, nefa gne ao agnatinareo da feno fihatsaram-belatsihy sy heloky. 29 Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsarambelatsy! Fa mambôtry gne koborin'gne mpaminany anareo ary mampiaingo gne koborin'gne olo marina. 30 Hoy anareo hoe: ' Raha niaigny tamè andronin'gne razambetsika isika, da tsy ho nandray anjara niaraky tamindreo tamè fandatsahana gne ràn'gne mpaminagny isika.' 31 Noho izà da mijoro vavolombelona amè tegnanareo anareo fa zanak'ireo izay namono gne mpaminagny. 32 Anareo evakoa da nahafeno gne fahotan'ireo razambenareo. 33 Anareo ry bibilava, anareo ry taranaky gne menarana, akongaia gne handosiranareo gne fanamelohana ho any amè parasolo? 34 Noho izà, Igny, magniraky mpaminagny sy olo-kendry ary mpanora-dalàna ho anareo Iao. Gne sasany amindreo da ho vonoinareo sy hofantsianareo; ary gne sasany ho vangonareo fiky ao amè synagoganareo ary handrôky anazy hiala ao an-tanà. 35 Gne vokatr'izà da hanody anareo gne rà marina izay nalatsaka teto an-tany, nanomboky tamè ràn'i Abela marina, ka hatramè ràn'i Zakaria zanak'i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan'gne fitoera masina sy gne alitara. 36 Ambarako marina aminareo, fa gne zavatry rehetra da ho tonga amin'ity taranaky ity. 37 Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono gne mpaminagny sy mitora-bato izay irahina ho aminao, impiry Iao gne ta-hanangony gne zanakao, mitovy amè fanangonan'gn'akoho gne zanany ao ambanin'gne elatriny, fa nalay anareo! 38 Ka, avela ho lao anareo gne tragnonareo. 39 Fa ambarako aminareo: " Hatramin'isia da tsy hahita anah tokôtry anareo mandra-pizakanareo hoe: ' Isaorà anie Izay avy amè agnaran'i Jehovah.'"