Toko faha 11

1 Sady gne finoa gne antoky ame raha nandrasa tammi-patokia. Io gne porofon'e raha miseho izay mbola tsy hita. 2 Fa avy am'izany gne razambe da nankatoavy noho gne finoa ndreo. 3 Ame finoa gne nahalalatsika fa gne didin'Andriamanitry gne namorogna an'izao tontolo izao, ka gne raha hita maso da tsy nany tame rha izay hita maso. 4 Tame finoa gne nanoloran'i Abela fagnatitry tsara hoan'Andriamanitry noho an'i Kaina, tam'gn'alalan'izany gne nagnambarany azy ho mariny, sady Andriamanitry nizaka tsara anazy noho gne fanatitriny, sady ame finoa gne mbola hizakan'i Abela, na da efa maty aza izy. 5 Tame finoa gne namindra an'i Enoka mba tsy ahitany gne fahafatesa. ''Tsy hita izy, satria nalain'Andriamnitry.'' Fa talohan'e nangala anazy, da nitsanga vavolombelo fa nankasitrahan'Andriamanitry izy. 6 Sady raha tsy misy finoa da tsy mety ho ankasitraha izy. Satria ilay hoe izay magnato an'Andriamanitry da tsy maitsy mino fa misy Izy sady Izy gne mamaly soa an'izay mitady Anazy. 7 Tame finoa Noa, da nome gne hafatry avy amin'ANdriamanitry mikasiky gne raha izay tsy mbola hita, niaraky tame fagnaja an'Andriamanitry gne nagnamboara gne sambo izay namonje gne ankohonany. Fa tame fagnamboara an'izany, gne nagnameloha izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova gne fahamarina araky gne finoa. 8 Tame finoa Abrahama, raha nangia, da nagneky sy nandeha ame toera izay hahazahoa gne lova. Nandeha izy, tsy nahalala izay tany nombany. 9 Tame finoa gne niainany tagny ame tany nampagnategnay ako gne vahiny. Niaigny tagnaty tragno lay izy niaraky tamin'Isaka sy Jakoba, izay mpiara-mandova ame fampagnategna mitovy. 10 Fa izy nitady gne tanagny izay mana gne fanoregna, gne tanagny izay Andriamanitry gne mpamari-tragno sy mpambotri-tragno 11 Tame finoa, na i Saraha aza momba tsy niteraky aza, da nahazahoan'i Abrahama gne fahafaha ho iaba. Niseho izany na da efa tegna antitry aza izy, satria nohevery ho ako azo itokisa nome gne fampagnategna izy. [Fagnamaria: Misy fagnotania mikasiky hoe gne finoan'i ABrahama sa finoan'i Saraha gne naboky. ''Tame finoan'i Saraha na da efa antitry aza izy, gne nahazaoany gne hery hanagna anaky, satria nihevitry izay nagnome gne fampagnategna anazy ho matoky.''] 12 Noho izany, da avy am'iza lelah izany, izay efa ho faty, gne nahatanterahan'gne raha ako kitana ame lagnitry gne hamaroany sy ako gne fasiky magnamory gne ranomasy izay tsy voisa gne taranakiny. 13 Tame finoa izany raha izany gne maty tsy nangala gne fampagnategna. Fa tafaran'e nahita sy niharaba anazy avy lavitry, da nagneky indreo fa vahiny sady sesi-tany ety an-tany. 14 Ho andreo izay mizaka ako izany raha izany da magnazava fa mitady tanindraza indreo. 15 Raha nieritreritry gne firene izay nialany ndreo, da mety nana fahafaha hivery. 16 Fa ako izany, nagniry firene tsaratsara koa indreo, ka izany izay agny an-danitry. Noho izany da tsy mahamegnatry an'Andriamanitry gne nangia hoe Andriamanitrindreo, ka nanomagna tanagna ho andreo Izy. 17 Tame finoan'i Abrahama, raha notsapay, da nagnome an'Isaka. Io gne zanany lah tokana izay natolotriny, izy gne 18 nahazo gne fampagnategna. Tamin'i Abrahama gne nizakana hoe: ''Am'gn'alalan'Isaka gne hanondroa gne taranakao.'' 19 Abrahama da nihevitry fa Andriamanitry da hahavita hananga an'Isaka ame maty, sady ame hevitriny ame ohatry, avy tamindreo gne hahazahoa anazy koa. 20 Tame finoa momba an'gne raha ho avy ka nitsofan'Isaka rano an'i Jakoba sy Esao. 21 Tame finoa i Jakoba, tamin'izy efa ho faty, gne nitso-drano gne zanak'i Josefa tsiraikiraiky. Nivavaky Jakoba, nitehigny tame lohan'e tehigniny. 22 Tame finoa Josefa, raha nagnakaiky gne fiafarany, gne niresaky gne fielan'e zanak'Israely avy tagny Egypta sady nagnafara gne ame tolany. 23 Tame finoa i Mosesy, raha teraky izy, da nafenin'iabany am'endriny nandritry gne telo vola satria hitandreo fa zaza tsara izy. Tsy natahotry gne didin'e mpanjaka indreo. 24 Tame finoa i Mosesy, tafaran'e nahazakabe anazy, gne nandà gne hangia anazy ho zanaka lahin'e zanaka vavin'i Farao. 25 Fa nifidy gne hijaly niaraky tame vahokan'Andriamanitr izy, aki kizay hakanfy gne fahafinaretan'e fahota mandritry gne fotoa fohy. 26 Nizaka izy hoe gne fahafa-baraka ame fagnaraha an'i Kristy da harena zakabe noho gne harenan'i Egypta. Satria nampifatoky gne masondreo tamee valisoany izy. 27 Tame finoa gne nialan'i Mosesy tagny Egypta. Tsy natahotr gne fahatezeran'e mpanjaka izy, fa niaritry an'izany izy ako gne nahitany gne tsy hita maso. 28 Tame finoa gne nitandremany gne Paska sy gne famafamaza gne rà, mba tsy hikasiky gne zanaky voloany gne Israelita gne mpandringa gne zanaka lelah voloany. 29 Tame finoa gne niampitandreo gne Ranomasina Mena ako gne mandeha ame tany maiky. Raha nagnandra gne nagnano izany gne Egyptian, da votely indreo. 30 Tame finoa gne nirodagnan'e mandan'i Jeriko, raha avy nihodidy nandritry gne fito andro indreo. 31 Tame finoa gne tsy nahafaty an'i Rahaba izay makorely niaraky tame mpanota, satria nandray gne mpisafo tany tame fiadana izy. 32 Ino avakoa gne raha ho zakaniko? Fa ho lany gne fotoako raha miresaky momba gne Gideona, Baraka, Samsona, Jefta, Samoela, sady mikasiky gne mpaminany iaho. 33 Tam'gn'alalan'gne finoa gne nahazahoa ndreo gne fanjaka, niasa ara-drariny, sady nangala gne fampagnategna. Nanomboky gne vavan'e liona indreo, 34 namono gne herin'gne afo, nilefa gne lelen'antsy, sitragny tam'gn'arety, lasa nahery an'ady, sady nandresy gne tafiky hafa. 35 Nitsanga tame maty tame fanangan-ko velo gne viavy. Gne hafa da nampijaly, tame tsy fagneke gne famelaha heloky mba hahazahoandreo fitsangana tsara kokoa. 36 Gne hafa da notsapay tame fagnabarabara sy gne famangoa, ndre da gne fototry sy gne fagnagadra aza. 37 Notora-bato indreo. Nozaray roa indreo. Novonoy tame antsy indreo. Nirerirery tame hoditr'aomby sy gne osy indreo. Sahira indreo, nampitahory, sady nampijaly. [Fagnamaria: Gne dikan'e zaka sasany taloha da mivaky hoe: ''Notora vato indreo. Nozaray roy indreo. Nampandalovy fitsapaha indreo. Novonoy tame antsy.''] 38 Izao tontolo izao da tsy mendriky andreo. Nirerirery tagny an'efitry, tagny ame tendrim-bohitry, tagnaty lava-bato, sady tagny ame lavaky ambany tany indreo. 39 fa gne olana aby da neken'Andriamanitry noho gne finoandreo, tsy nandray gne fampagnategna indreo. 40 Nagnoma ge raha tsara ho atsika Andriamanitry, mba tsy ho lavorary indreo, raha tsy misy atsika.