Toko faha 10

1 Fa gne lalàgna da taindilin'e raha tsara ho avy avao, fa tsy da tena gne endriky gne raha rehetra. Indreo izay magnato an'Andriamanitry da tsy afaky gne ho tonga lafatry am'gn'alalan'e soro izay mitovy am'gn'entin'e mpisorona isa-tao. 2 Raha izany tsy efa nijano gne nagnome gne soro mitsy me indreo? Amin'izany raha izany, raha efa nidiovy indraiky indreo, da tsy mba halala gne fahota esana gne mpivavaky. 3 Fa ame soro da misy fampatsahiva gne fahota isa-tao. 4 Satria gne ran'aomby lah sy gne osy lah da tsy mahay mngala gne ota. 5 Raha avy teto aam'izao tontolo izao Kristy, da niroho Izy hoe: '' Tsy soro na koa fagnatitry gne nirinareo. Fa gne vata izay efa nomaninareo ho Ana. 6 Gne fagnatitry nodora na sorona hoan'e ota da tsy nifalianreo. 7 Sady hoy Iaho hoe: ''Hiteo, ity Iaho, araky izay vosoratry momba Ana ao ame Soratry Masy , mba hagnano gne sitrakareo.'' 8 Voloany da nizaka izy hoe: ''Tsy sorona, na koa fagnatitry, na fagnatitry nodora, na sorona hoan'e fahota gne nirinareo. Sady Anao tsy nifaly tamindreo.'' Izany da sorona izay atolotry araky gne lalàna. 9 Sady nizaka izy hoe: ''Hiteo, ity Iaho hagnano izay sitrakareo.'' Izy da nangala gne fampihara faroa. 10 Tamin'izany fankasitraha izany, atsika da nohamasiny tam'gn'alalan'e fagnatitry gne vatan'i Jesosy Kristy indraiky mandeha. 11 Ame lafiny raiky hafa, gne mpisorona aby da mitsanga isan'andro manompo an'Anfdriamanitry. Izy da magnome sorona mitovy fezay, na izany aza indreo da tsy afaky mangala gne fahota mitsy. 12 Ame lafiny raiky hafa, i Kristy da nagnome sorona raiky hoan'e fahota mandrakizay, nipetraky tame tagnakavanan'Andriamanitry Izy. 13 Izy da mandigny mandra-pagnamboara ne fahavalony gne fpetran'e tongotry hoan'e tombokiny. 14 Fa tame fagnatitry raiky izy da nahalavorary mandrakizay izay nohamasiny. 15 Gne fagna Masy da mitsanga vavolombelo ho atsika. Fa tame voloany Izy da nizaka hoe: 16 '' Ity gne fagneke izay ho aniko miaraky amindreo afaran'gne andro, hoy e Tompo. Hapetrako ame fo-ndreo gne lalàko, sady hosoratako ame sain-dreo izany. 17 Tsy hatadidy gne fahota sy gne fahadisovandreo esana Iaho. 18 ''Sady na aia misy famelà an'izany, da tsy misy sorona hoan'e fahota esana. 19 Noho izany, rahalah, atsika da mana fahatokia gne hidiitry ame toera farany e masina tame ran'i Jesosy. 20 Izany gne lala vaoavao sady velo izay nosokafany ho atsika tam'gn'alalan'e raitsiky, izany hoe, tam'gn'alalan'e nofony. 21 Satria atsika da mana mpisorona zakabe mitandry gne tragnon'Andriamanitry, 22 aleo atsika hagnato ame fo madio ame finoa feno fahatokia, mba hanagnatsika fo vôdio ame fieritrereta ratsy sady hanagnatsika vata vodio tame rano madio. 23 Aleo atsika hitazo mafy gne fagneke ne fiandrandra itokisatsika, tsy misy fiozongozogna, satria Andriamanitry, izay nampagnategna, da mampatoky. 24 Aleo atsika handiniky gne fomba hamporisiha gne tsiraikiraiky ame fitiava sy gne asa tsara. 25 Aleo atsika tsy hagnajano gne fiaraha miangona, ako gne nanin'e sasany. Fa mifankahereza fezay, sady raha hitanareo fa mihamariny gne andro farany. 26 Fa raha atsika avakoa gne magnano fahota raha vay nangala fahalala gne mariny, da tsy misy fagnatitry hoan'e fahota esana. 27 Fa raiky avao gne fandraisa mampatahotry gne fitsarana, sady gne havignira mirehitry da hamotiky 28 Na ia na ia nandà gne lalan'i Mosesy da ho faty tsy misy indrafo ame fijoroa vavolombelondreo roa na telo izay nagnatri-maso. 29 Fagnasazia ratsy lavitry ako gnaia gne eritreritrareo fa mendriky izay nagnitsaky gne Zanak'Andriamanitry me, izay nagnano gne ràn'e fagneke da tsy ho masy- gne rà izay nagnamasiny Anazy- sady naniratsira gne Fagnan'e fahasoava? 30 Fa atsika da ,mahalala gne raiky izay nizaka hoe: ''Ana gne valifaty; Iaho gne hamaly. 31 ''Raha mampitahotry gne hilatsaky ame tagnan'Andriamanitry velo! 32 Fa tadidio gne andro taloha, raha nohazavay anareo, gne fomba neretanareo gne ady mafy tame fijalia. 33 Anareo da nalay baraka ampahibemaso tame fagnaratsia sy tame fagnejeh, sady anareo da niaraky nizara tamindreo zay nandalo fikjalia ako izany. 34 Satria anareo da nana fo nangoraky tamindreo zay nigadra, sady anareo da nagneky tami-kafalia gne fangala gne fanagnanareo. Da nafantatry anareo fa gne tegnanarepo da mana fanagna tsara lavitry sy maharitry mandrakizay. [Fagnamaria: Gne dikan'e zaka taloha da tsy hahita gne fehezanteny hoe: ''Fa anareo da nana fo mangoraky tame gadrako.''] 35 Noho izany da aza aria gne fatokiandreo izay mana valisoa zakabe. 36 Fa anareo da mila fahareta, mba hahazahoanareo izay nampagnategnain'Andriamanitry, raha nagnano gne sitrapony anareo. 37 Fa tsy ho ela, gne raiky izay ho avy da ho avy tokotry sady tsy ho tara. 38 Gne oloko mariny da hivelo ame finoa. Raha mihemotry izy, IAho da tsy ho faly aminazy. 39 ''Fa atsika da tsy agnisan'e mihemotry ho ame faharava. Fa atsika da agnisan'izay mana finoa ho ame fitazoma gme fagnatsika.