Toko faha 11

1 Magniry aho mba ahafahanareo mamela ana hagnano hamola kidy sasany. Fa tena mamela ana tokotry me anareo! 2 Fa saro-piaro gne momba nareo aho. Mana fahasarotam-piaro araky an'Andriamanitry aminareo aho, hatramin'gne nagnomezako toky anareo tamé fanambadia hoan'gne vady raiky avao. Nagnome toky aho gne hanolotry anareo mitovy ame gne virjiny madio ho an'i Kristy. 3 Fa matahotry i aho sao da hitovy gne namitahan' gne menara an'i Eva tamé gn'alalan'gne hafetseny, gn'erignerinareo da mety hiala ame fanoloran-tegna ame fo mahitsy sy madio amin'i Kristy. 4 Fa eritrereto hoe misy olo raiky avy hitory Jesosy hafa akotrin'gne toritsika. Na eritrereto hoe mangala fagnaha hafa akotr'izay nalainareo anareo. Na eritrereto hoe mangala filazantsara hafa akotr'gne raiky izay nalainareo anareo. Apetranareo tsara avao iregny raha tsara iregny! 5 Satria mieritreritry iaho fa tsy farany ambany ame raha zakay fa hoe apostoly ambony. 6 Ndre da tsy nizary gne hizaka aza iaho, fa da nizary tamé fahalala. Tamé fomba rehetra sy tam'gne raha aby da naninay ho fantatrareo izany. 7 Nanota me iaho tame nanetreko tegna mba hagnavota anareo? Fa nitory gne filazantsaran'Andriamanitry maimaipoa ho anareo iaho. 8 Norobain'e fiangona hafa iaho tam'n'alalan'gne fagneke ho fanohagna avy tamindreo mba nafahako manompo anareo. 9 Raha niaraky sy nitady fagnampia taminareo iaho, da tsy nanahira na ia na ia. Fa gne raha nitadiaviko da efa nomen'e mpirahalah izay avy agny Makedonia. Tame raha aby da nintandrigny gn'aiko tsy ho eta- mavesatry aminareo iaho, ary hanohy hagnano an'izany. 10 Raha mbola amina atoa gne fahamarinan'i Kristy da tsy hisÿ gne fireharehako agny am faritr'i Akaia. 11 Nagnino me? Satria tsy tiako me anareo? Andriamanitry gne mafantatry anazy. 12 Fa gne raha aniko da mbola ho aniko avao, mety afako mangala gne fitaraigna noho gne fagnakiagna ana sy gne fitaraigna avy am'izay mankatia andreo hirehareha- fa indreo da hitia fa magnano asa mitovy am'gn'aninay. 13 Fa gn'olo mitovy am'izany da apostoly sandoky sy mpiasa mamitaky. Indreo da magnano sarisari-tegnany akô gn'apostolin'i Kristy. 14 Izany da tsy ,mahagaga, fa ndre da gne devoly azaky magnaboky gn'ainy akô gn'anjelin'e fahazava. 15 Tsy magaga esana izany raha magnaboky gn'ainy akô gne mpanompon'e fahamarinan'gne mpanompony indreo. Gn'anjarandreo da gne raha magneva gne asandreo. 16 Zakaiko etoa koa hoe: ''Aza avela ho hisy gn'eritreritry mizaka hoe mola iaho. Fa raha magnano an'iza anareo, da reso akô gn'anin'e mola iaho ka mba mireareha ndre kidkidy. 17 Gne raha zakaiko mikasiky an'e fahatokisa mirehareha ity da tsy araky gne zakain'i Tompo, fa mizaka akô gne mola iaho. 18 Fa efa maro gne olo gne mirehareha araky gne vatagny, da hirehareha avakoa anefa iaho. 19 Nagneky am-pifalia tam'gne mola anareo. Da hanakagna gn'ainareo! 20 Fa mandefitry am'gn'olo anareo raha misy magnandevo anareo, mandany anareo, magnararaotry anareo, mihevitry gn'ainy ho amboninareo, na raha mamango rakatry anareo azaky izy. 21 Ho zakaiko ame fahafam-barakanay fa malemy lotry iay tame fagnamboara an'izany. Raha misy mireareha - da mizaka akô gne olo mola iaho- Iaho avakoa da hirehareha. 22 Hebreo me indreo reo? Iaho avakoa. Israelita moa indreo? Iaho avakoa. Taranak'i Abrahama me indreo? Iaho avakoa. 23 Mpanompon'i Kristy me indreo? (Mizaka akô gn'olo very say iaho.) Mihotry an'izany iaho. Mbola niasa mafy nihotry an'izany azaky iaho, tagny ame tragno mizy matetiky, tame vango mihotry gne tokony ho izy, tame fagnatreha gne loza maro mafaty. 24 Avy tame Jiosy gne nazahoako ''vangp efapolo latsaky raiky'' Indimy. 25 Itelo vôvango tam'gne kakazo iaho. Indraiky vôtora-bato iaho. Intelo vaky sambo iaho. Nandany aly raiky sy andro raiky tan-dranomasy iaho. 26 Nivezivezy tame lozan'gne renirano iaho, tame lozan'e mpagnendaky, tame lozan'gn'olo manoka, tame lozan'i gne Jentilisa, tame lozan'e tany ame tanà, tame loza tagny agn'efitry, tame loza tan-dranomasy, tame loza avy taminareo ralah sandoky iaho. 27 Efa tam'gn'asa mafy sy satotry iaho tame aly tsisy torimaso, tame mosary sy fangetaheta , tame fifadia hany matetiky, tam'gnatseky sy fikozia. 28 Akotry gne raha hafa, misy fangnindria isan'andro amina avy ame fagnahiako ame fiangona aby. 29 Ia gne malemy, ka tsy malemy iaho? Ia gne mahavignitry, ka tsy vignitry iaho? 30 Raha tsy maitsy mirehareha iaho da hirehareha mikasiky an'izay magnaboky gne falemeko. 31 Gn'Andriamanitry sy Iaban'i Jesosy Tompo, izay deray mandrakizay, da mafantatry fa tsy mivandy iaho! 32 Tagny Damaskosy gne governora ambanin'i Areta mpanjaka da niamby gne tanàn'i Damaskosy mba hanambora ana. 33 Fa nampidigny tame haro be tame varangara-kely raiky teo ame banja malalaky iaho ka nilefa gne tanà.