Toko faha 12

1 Iaho da tsy maintsy mirehareha fa tsy misy ndre ino ndre ino azo avy am'izany. Fa iaho da hanohy gn'ame fahita sy gne fagnambara avy tam'i Tompo. 2 Mafantatry lelah ao am'i Kristy iaho izay efatry ambifolo tao lasa izay- na ao am'tegna na tsy am'tegna, iaho da tsy mafantatry fa Andriamanitry gne mafantatry- nalay niakatry tagny ame lagnitry fahatelo. 3 Ka fantaro fa io lelah io- na ao am'tegna, na tsy am'tegna, iaho tsy mahalala fa Andriamanitry gne mahalala- 4 da nslay niakatry tam-paradisa sady naré raha izay tegna masy lotry am'gn'olo hizaka anazy. 5 Am'gn'agnaran'gn'olo mitovy am'izany da hirehareha iaho. Fa ame agnaran'gn'aiko da tsy hirehareha iaho, afa-tsy gne mikasiky gne falemeko. 6 Raha te hirehareha iaho da tsy ho mola fa te hizaka gne marina. Fa hife gn'aiko ame firehareha iaho, mba tsy hisy na ia na ia hihevitry ana ho ambony noho izay hita amina na rè avy amina. 7 Hofeheziko ame firehareha avakoa gn'aiko noho gne fagnambara miavaky. Noho iza da tsy ho feno firehareha iaho, da nasia fantsy gn';aiki, gme mpinday gn'hafatry gne devoly da hagankoronta ana, mba tsy hirehareha lotry iaho. 8 Itelo iaho gne nitalaho tam'i Tompo momba an'izany, mba angalany an'izany amina. 9 Fa hoy izy tamina hoe: ''Ampy anao gne fasoavako, fa gne hery da nanÿ ho lafatry ame fahaleme.'' Aleoko mirehareha kokoa ame falemeko, mba hipetrahan'gne tanjak'i Kristy amina atoa. 10 Noho izany da fifalia gne ao am'i Kristy ame faleme, ame fifanevateva, ame koronta, ame fagnia sy gn'ame fotoa sarotry iaho. Fa na ovia na ovia malemy iaho da mantanjaky avao. 11 Iaho da lasa mola! Anareo gne namôrise ana am'izany, fa iaho da tokony noderainareo. Fa iaho da tsy ambany noho gn'apostoly ambony zany mitsy, ndre da tsisy dikany aza iaho. 12 Gne hafantara mariny gne maha apostoly da efa nontanteray taminareo tame fahareta tanteraky, fahafantara sy fahagaga ary gne asa mahery. 13 Fa nagnino anareo vo tsisy dikany noho gne fiangona sasany, ankotry gne tsy maha vesatry ana ho anareo? Mamelà ana noho izany fahadisoa izany. 14 Ity f avono gne ho avy fagnitelo agny aminareo iaho. Tsy ho olagny ho anareo esana iaho, fa iaho da tsy mila gne raha nareo. Fa anareo gne ilaiko. Fa tsy gne zanaky gne tokotry hitady hoan'ny gne lray aman-dre ny. Fa gne ray aman-dreny gne tokotry hitady hoan'e zanany. 15 Iaho ida faly tanteraky gne handany sy gne mbola ho lanÿ hoan'e fagnanareo. Raha mankatia be anareo ve iaho, da ho kidikidy gne hitiavanareo ana? 16 Fa ndre da akô izany aza, da tsy nagnavesatry anareo iaho. Satria iaho fetsifetsy be, da iaho raiky gne nahazo anareo tame fitaky. 17 Nagnararaotry anareo tam'gn'alalan'gn'olo izay nirako taminareo iaho? 18 Nagniraky malaky an'i Titosy ho agny aminareo iaho, sady nirako niaraky taminazy gne ralahiny sasany. Nagnararaotry anareo me i Titosy? Raiky lala me atsiaka? Tsy niara-dia me atsika? 19 Mba nieritreritry me anareo nandritry gne fotoa rehetra izay niarovanay gne ainay taminareo? Eo agnatrehan'e Zagnahary gne hizakananay fa tao am'i Kristy gne raha rehetra mba hampahereza anareo. 20 Fa mataotry iaho so da tonga iaho da mety tsy hahita anareo araky gne fagnategnako. Mataotry iaho so da tsy ho hitanareo araky gne fagnatagnanareo. Mataotry iaho so da mety hisy hady, fialogna, fahavignira, fikasa ame fitiava-tegna, fidinia roho, firehareha, ary fikorotagna. 21 Mataotry iaho raha miverigny iaho da ho ambaninareo agnatrehanareo gne Andriamanitriko. Mataotry iaho so mety alahelo gne maro aminareo zay nanota taloha, ka mbola tsy nibebaky tame fahalotoa sy gne fijangajanga ary fihengohengoa feno fagniria ratsy izay nanindreo.