Toko faha 5

1 Ary zao no nitranga, raha nitangorogna nagnodidina an'i Jesosy reo ôla ary nitaino ny tenin'Andriamanitra, de nitsangana teo amoron'ny farihin'i Genesareta Izy. 2 Natazagna sambokely rôy nijanona takeo amoron'ny farihy Izy. Efa nivôka tao reo mpanjono ary nanasa reo haratony. 3 Niditra tao amin'ny sambokely raika tam'reo Jesosy, ze an'i Simona, ary nangataka an'azy mba handefa an'zany aigny amin'ny rano lavidavitry ny tanety. Avy teo de nipetraka Izy ka nampianatra reo ôla teo ivelan'ny sambokely. 4 Rafa nijanona nitare Izy, de niteny tamin'i Simona Izy hoe: "Endeso ho aigny amin'ny rano laligna ny sambokely de halatsao ny haratonareo mba ahazaônareo hazandrano." 5 Simona namaly an'Azy ka nitare hoe: "Tompo ô, efa niasa nakeka ny andro zahay, fa tsy nahazo n'ino n'inona , fa nony teninao de havariko ndre reto haratoko." 6 Rafa nataon-jareo zany, de nahazo hazandrano betsaka zareo, ary rovitra hatamin'ny haraton-jareo. 7 Ka nagnantso an'reo namany izy mba hanampy an'jareo. De tonga zareo ka nameno ny sambokely rôy, ka de nanomboka nilentika zareo. 8 Fa Simona Petera, raha vô natazagna an'zany, de nekoka teo an-tongotr'i Jesosy, ary niteny hoe: "Melà aminà, fa leila mpanota za." 9 Fa gaga izy, sy reo ze niaraka tamin'azy, non'ny hagedan'ny hazandrano ze azon'jareo. 10 Tao agnatin'zany Jakoba sy Jaona, zanak'i Zebedio, ze mpiara miasa amin'i Simona. Jesosy nitare tamin'i Simona hoe: "Aza matatra, fa manomboka zao de hatôko mpagnarato ôla enao." 11 Rafa nentin'jareo taigny an-tanety ny sambokelin'jareo, de namela ny ra daôly zareo ka nagnaraka an'Azy. 12 De nitranga izao raha mbola tao amin'ny tanàna raika Izy, de nisy leila feno habokana takeo. Nony natazanga an'i Jesosy izy, de nenkoka teo amin'Azy ary nitalao tamin'Azy, nagnano hoe: "Tompo, raha mety enao, de afaka magnadio anà." 13 Ary de nagninjitra ny tagnany Jesosy ary nikasika an'azy ka nitare hoe: Mety za. Madiova." Teo no eo de afaka tamin'azy ny habokana. 14 Noferany izy mba tsy hilaza na am'iza na am'iza, fa nolazainy tamin'azy hoe: "Zory ny lalanao, mbôgna amin'ny mpisorogna ary magnanôva sorogna ho an'ny fanadiovana an'nao, araka ze nandidian'i Mosesy, mba ho fijoroana vavolombelona am'jareo." 15 Kanefa ny resaka momba an'Azy de niparitaka lavitra be, ary vôhaka betsaka be no niara-tonga mba hitaino an'Azy nampianatra ary mba ho sitrana amin'ny aretin-jareo. 16 Kanefa matetika Izy de niala nankaigny amin'ny tany tsisy ngazagna ary nivavaka. 17 Ary tamin'ny andro raika tam'reo andro nampenarany, de nisy Fariseo sy mpampiana-dalàna nipetraka teo ze avy amin'ny tanàna samihafa akao amin'ny faritry Galilia sy Jodia, ary ihany kô avy akao amin'ny tanànan'i Jerosalema. Ny herin'ny Tompo no tao amin'azy mba hagnasitranana. 18 Ary nisy leila sasagny tonga, nitondra leila raika ze vôn'ny paralisisa teo amin'ny fandrena, ary zareo de nikaraka fomba fitondrana an'azy akao agnatiny mba hametrana an'azy ho akeo agnolôn'i Jesosy. 19 Tsy nahita fomba hampidirana an'azy tao agnatiny izy reo noho reo vahôka, no zany de nankaigny amin'ny tamfo-tragno zareo ary nampidigna ny fandren'le leila avy akeo an-tafo tragno, tamin'ny fandreny, teo ampovôn'ny ôla, teo agnolôn'i Jesosy. 20 Rafa nahita ny finôn'jareo, de ozy Jesosy hoe: "Raleila, vôvela ny helokao." 21 Nanomboka nagnontany reo mpanora-dalàna sy reo Fariseo, ka nitare hoe: 'Iza ma ty ze miteny ratsy ty? Iza no afaka mamela ny fahotany afa-tsy Andriamanitra rerika ihany?" 22 Fa Jesosy, nahalala ze neritreretin'jareo, namaly ary nitare an'azy reo hoe: "Nagnino anareo no magnontany an'zany akao am-ponareo? 23 Ino no mora lazaina kokoa: "Vôvela ny helokao" sa ny meteny hoe: "Mitsangana ary madana?" 24 Nefa mba hafantaranareo fa ny Zanak'Ôla de manam-paefana hamela heloka aketo an-tany, de lazaiko aminao, mitsangàna, ndeso ny fandrenanao ary mandana aigny an-tragnonao." 25 Teo eo de nitsangana teo agnolôn'jareo izy ary naka an'le fandrena ze natoreny. Avy akeo de niala nankaigny an-tragnony izy, nagnome voninahitra an'Andriamanitra. 26 Gaga ny daôly ary nagnome voninahitra an'Andriamanitra zareo. Feno tatra zareo, nitare hoe: "Nahita ra-magaga tsika ngiany." 27 Tafaran'ny nitrangan'reo ra reo, de niala teo i Jesosy ka natazagna mpamory hetra raika ze antsovina hoe Levy nipetraka takeo amin'ny tragno lain'ny mpamory hetra. Nitare tamin'azy Izy hoe: "Magnarà Anà." 28 De nitsangana i Levy ka nagnaraka an'Azy, da nametraka ny ra-daôliny. 29 De nagnao fagnasana geda be takao an-tragnony ho an'i Jesosy i Levy. Betsaka reo mpamory hetra sy reo ôla hafa ze nipetraka takeo amin'ny latabatra ary ninana niaraka tam'jareo. 30 Kanefa reo Fariseo sy reo mpanora-dalàna de nitaraigna tam'reo mpianany, nitare hoe: "Nagnino enao no minana sy misotro miaraka am'reo mpamory hetra sy ny ôla mpanota hafa?" 31 Namaly an'azy reo Jesosy hoe: "Tsy mila dokotera ny ôla salama; fa reo marary ihany. 32 Tsy tonga hagnantso ny ôlo-marina ho amin'ny fibebana Za, fa hagnantso ny mpanota mba hibebaka." 33 De ozy zareo tamin'azy hoe: "Reo mpianatr'i Jaona de matetika mifady hanina sy mivavaka, ary reo mpianatr'reo Fariseo de magnano ôtran'zany kô. Kanefa ny mpianatrao de minana sy misotro." 34 Jesosy nitare an'azy reo hoe: ''Nga ma misy ôla mavita mapifady hanina ny havan'ny mpampakatra raha tôka mbola mipetraka akeo am'jareo ny mpampakatra? 35 Fa ho avy ny andro ze hangalana ny mpampakatra akeo am'jareo, ary am'zany andro zany de hifady hanina zareo." 36 De nagnano fagnoharana tam'jareo kô Jesosy. "Tsisy ôla mandrovitra tapa-damba avy amin'ny lamba vaovao ary mampiasa an'zany mba hagnamboarana ny lamba korô. Raha magnano an'zany izy, de hanimba le lamba vaovao, ary le tapa-damba avy am'le lamba vaovao de tsy hifanaraka am'le lamba korô. 37 Tsisy ôla magnisy divay vaovao akao agntin'ny siny hoditra korô. Raha magnano an'zany izy, de hampitretra ny hoditra le divay vaovao, ary de ho raraka ny divay, ary ho simba le siny hoditra. 38 Fa ny divay vaovao de tsy maintsy atao akao agnatin'ny siny hoditra vaovao. 39 Tsisy ôla avy nisotro ny divay talô ka hagniry ny vaovao, fa ozy izy hoe: "Le talô no tsara."