Toko faha 4

1 Tafaran'zany Jesosy, rafa feno ny Fagnahy Masina, de niverigna avy taigny amin'ny reniranon'ny Jordana, ary nentin'ny Fanahy Masina taigny agn'efitra 2 ze nangalan'ny devoly fagnahy an'Azy nandritry ny efapolo andro. Tsy nihinana na ino na ino Izy nandritra reo andro reo, ary tamin'ny fotôna farany de nôna izy. 3 Ny devoly nitare tamin'Azy hoe: "Raha zanak'Andriamanitra Anao, de didio ho lasana mofo io vato io." 4 Jesosy namaly an'Azy hoe: "Vôsoratra hoe: 'Tsy ny mofo fogna no iveloman'ny ôla.'" 5 Avekeo nentin'ny devoly taigny amin'ny tôrana agnambo Jesosy ary nabôgnany an'Azy vetiketika daôly ny fanjakana daôlin'zao tontolo zao. 6 Ny devoly nitare tamin'Azy hoe: "Ameko An'nao ny fahefana daôly sy ny famirapiratana daôly, satria efa namena anà reo, ary afaka ameko ny ôla ze teko amena an'azy. 7 Noho zany, raha menkotra sy manompo anà Anao, de ho lasanao zany." 8 Kanefa Jesosy namaly ka nitare an'azy hoe: "Vôsoratra hoe: 'Hidera ny Tompo Andriamanitrao anao, ary Izy rerika fôgna no ho tompoinao." 9 Avekeo ny devoly de nitondra an'i Jesosy taigny Jerosalema ary nataony taigny amin'ny fara-tampon'ny tempoly, ary nitare tamin'Azy hoe: "Raha zanak'Andriamanitra Anao, de alavô avy aty ny tegnanao. 10 Satria efa vôsoratra hoe: 'Hibaiko ny Anjeliny ny aminao Izy, mbô hiaro an'nao,' 11 ary, 'Zareo hanandratra an'nao amin'ny tagnany, mbô tsy ho tafitona amin'ny vato ny tongotrao.'" 12 Namaly an'azy Jesosy, nitare hoe: "Efa nambara hoe: 'Aza miaka fagnahy ny Tompo Andriamanitrao.'" 13 Rafa vita ny fangalàn'ny devoly fagnahy an'i Jesosy, de lasana izy ary nandao an'Azy ambara pahatongan'ny fotôna hafa. 14 Avekeo Jesosy niverigna taigny Galilia tamin'ny herin'ny Fagnahy, ary ny vaovao momba an'Azy de efa niely nanerana ny faritra magnodidigna daôly. 15 De nanomboka nampianatra takao amin'ny Synagogan-jareo Izy ary noderain'ny daôly. 16 Nande taigny Nazareta Izy, le tanàna nahageda an'Azy, ary araka ny fomba fataony, de niditra takao amin'ny Synagoga tamin'ny andro Sabata Izy ka nitsangana mbô hamaky teny mafy. 17 Natolotra an'Azy ny horognan-taratasin'Isaia mpaminagny. Nosokafiny le boky ary hitany ny tôrana nanoratana an'azy, 18 "Ny Fanahin'ny Tompo de akato aminà, satria Izy nagnosotra Anà hilaza ny vaovao mahafaly ho an'ny mahantra. Izy no nandefa Anà hagnambara fafahana ho an'reo babo, ary hamerigna ny fahitana ho an'ny jamba, hagnafaka reo ze ampahorena. 19 Hagnambara ny taom-pankasitrahan'Andriamanitra." 20 Avekeo de nahorogny ny taratasy, naverigny taigny amin'ny mpitandrina, ary nipetraka Izy. Ny mason'reo daôly takao amin'ny Synagoga, de nibanjina an'Azy. 21 Nanomboka nikoragna tamin-jareo Izy hoe: "Gniany ty Soratra Masina ty de tanteraka akeo ampitandrignesanareo." 22 Ny daôly takao de nilaza tsara ny momba an'Azy ary gaga tamin'ny tenim-pahasoavana ze nalôkan'ny vavany zareo, ary nagnontany zareo hoe: "Fa tsy le zanak'i Josefa ma ty?" 23 Izy nitare tamin-jareo hoe: "Azo antoka fa hilaza ty ohabolagna ty Aminà anareo hoe: 'Dokotera, sitrano ny tegnanao. Na ino na ino regninay fa nataonao takao Kapernaomy, de magnanôva ôtran'zany aigny amin'ny taninao.' 24 Nefa nitare Izy hoe: "Lazaiko marina aminareo, tsisy mpaminagny voaray akao amin'ny taniny. 25 Kanefa lazaiko marina aminareo fa maro ny vevavy mpitondra tegna taigny Israely tamin'ny andron'i Elia, raha nihidy ny lagnitra nandritra ny telo taona sy enim-bolana, ary nisy silaona lehibe tonga teo amin'ny tany daôly. 26 Nefa Elia tsy nalefa na tamin'ny raika tamin-jareo aza, fa tao Zerapata any Sidona fôgna, taigny amin'ny mpitondra tegna ze nipetraka taigny. 27 Fa betsaka reo boka takao Israely tamin'ny andron'i Elisa mpaminagny, nefa tsisy na de raika tamin-jareo aza sitrana afa-tsy Namàna le Syriana." 28 Ny ôla daôly takao amin'ny Synagoga de enika fasosena rafa naregny an'reo ra reo. 29 Nitsangana zareo, nanery an'Azy hiala ny tanàna, ary nandefa an'Azy taigny an-tampon-tanety ze niorenan'ny tanànan-jareo, mbô handavôna an'Azy amin'ny tevagna. 30 Nefa nandeha nagnivakivaka takeo ampovôn-jareo Izy de lasana nadeha taigny amin'ny tôran-kafa. 31 Avy akeo Izy de nidigna taigny Kapernaomy, tanàna raika aigny Galilia, ary nanomboka nampianatra an-jareo tamin'ny Sabata Izy. 32 Zareo de gaga tamin'ny fampenarana nataony, satria nitare tamin'ny faefana Izy. 33 Ary takao amin'ny Synagoga de nisy leila ze nitôran'ny fagnahy maloton'ny demonia, ary izy de nilelalela tamin'ny feo mafy hoe: 34 "Ah! Ino no ifandraisanay Aminao, ry Jesosy avy aigny Nazareta? Tonga mbô hamotika an'nay ma Anao? Fantatro hoe iza Anao - le Raika Masin'Andriamanitra!" 35 Jesosy nitare mafy le demoniaka, ka nagnano hoe: "Aza mitare ary mialà akao amin'azy!" Rafa nanipy le leila hiantreka takeo ampovôn-jareo ny demony, de niala takao amin'azy, ary tsy nandratra an'azy mihitsy. 36 Gaga avokoa ny ôla daôly, ary nanohy nifampikoragna ny momba an'zany. Nitare zareo hoe: "Fa teny manakôry ma zany? Baikòny amin'ny faefana sy hery ny fagnahy maloto de mivôka." 37 Noho zany de nanomboka niely nagnerana ny faritra magnodidina ny lazany. 38 De nandao ny Synagoga Jesosy ary niditra takao an-dragnon'i Simona, ary nampijalian'ny tazo mahery ny rafozam-bavin'i Simona, ary nengavy tamin'Azy zareo mbô hagnasitrana an'azy. 39 Ka nitsangana takeo agnolôny Izy ary nitare mafy ny tazo, de niala tamin'azy zany. Avy hatraigny izy de nitsangana ary nanomboka nanompo an-jareo. 40 Rafa nilentika ny masoandro, de nitondra ny ôla daôly nararin'ny aretina betsaka samy hafa takeo amin'i Jesosy ny ôla. Nametra-tagnana tamin'ny tsiraikaraika avy tamin-jareo Izy ka nagnasitrana an-jareo. 41 Reo demony iany kô de niala takao amin'ny betsaka tamin-jareo, nilelalela mafy sy nilaza hoe: "Anao no Zanak'Andriamanitra!" Jesosy nitare mafy reo demoniaka ka tsy namela an-jareo hitare, satria fantatr'zareo fa Izy no Kristy. 42 Vô ampôlakeka, de nande taigny amin'ny tôrana mangingina Izy. Vahôka betsaka be no nikaraka an'Azy ary nankaigny amin'ny tôrana ze nisy an'Azy. Zareo de niezaka nitàna an'Azy mbô tsy hiala akeo amin-jareo. 43 Fa Izy nitare tamin-jareo hoe: "Tsy maintsy mitory ny vaovao mahafaly momba ny Fanjakan'Andriamanitra amin'ny tanàna betsaka hafa iany kô Za. Satria zany no antony nagniràna Anà taty. 44 Avy akeo Izy de nanohy nitory takao am'reo Synagoga magnerana an'i Jodia.