Toko faha 8

1 Nagneky ny fahafatesany i Saoly. Ka nanomboka ny fagnenjena tamin'io andro io ze hanoherana ny fiangonana takao Jerosalema; ary reo mpino de niparitaka nagnerana reo faritry Jodia sy Samaria, ankôtr'ireo apostoly. 2 Reo leila matatra an'Andriamanitra de nandevigna an'i Stefana ary nagnano hira fisaonana an'azy. 3 Fa Saoly de nandratra tanteraka ny fiangonana, nitety tragno izy ary naka reo leila sy reo vevavy, ary nandefa an'azy taigny an-tragno maizigna. 4 Fa reo mpino ze niparitaka de nande nitory ny teny. 5 Filipo de nidigna taigny amin'ny tanàn-deiben'ny Samaria ary nitory an'i Kristy tamin-jareo. 6 Rafa nareigny sy natazagna reo famantarana ze nataon'i Filipo ny vahôka maro, de nifantoka tsara tam'ze nolazainy zareo. 7 Reo fagna maloto de nivôka tamin'reo maro ze nidirany, ka nihaikaika mafy, ary maro tamin'reo malemy sy kilemaina no sitragna. 8 Noho zany de nisy fifalena leibe takao am'le tanàna-deibe. 9 Fa nisy leila raika nantsovina hoe: Simona tao amin'ny tanàn-deibe, ze vao avy nilalao aodiny; tegna nampitolagaga reo mponin'i Samaria izy, rafa nagnambara izy fa ôla manan-danja. 10 Ireo Samaritana daôly, manomboka amin'ny kely indrindra ka hatramin'ny leibe indrindra, de nareigny tsara an'azy ary ozy zareo hoe: "Io leila io no le fahefan'Andriamanitra ze antsovina hoe: Leibe." 11 Zareo de nitaino an'azy, satria izy de nampitolagaga an'azy reo nandrity ny fotôna ela tamin'reo aodiny. 12 Fa rafa nino an'i Filipo zareo noho izy nitory ny filazantsara momba ny fanjakan'Andriamanitra sy ny agnaran'i Jesosy Kristy, de natao batisa zareo na reo leila na reo vevavy. 13 Na i Simona aza de mba nino, ary tafaran'ny nagnanôvana batisa an'azy de nijanona niaraka tamin'i Filipo fôgna izy. Rafa natazagna reo famantarana sy asa leibe niseho izy de gaga. 14 Ary rafa reignin'ny Apostoly tao Jerosalema fa nandray ny tenin'Andriamanitra Samaria, de nalefan-jareo taigny amin-jareo i Petera sy Jaona. 15 Rafa nidigna zareo de nivavaka ho an'azy reo, mba handraisan-jareo ny Fanahy Masina. 16 Fa nandrapatongan'zany fotôna zany, de mbola tsisy nilatsahan'ny Fanahy Masina miitsy zareo, fa efa vita batisa tamin'ny agnaran'ny Tompo Jesosy. 17 Avy teo, Petera sy Jaona de nametrakany tagnany teo amin-jareo ary de nandray ny Fanahy Masina zareo. 18 Ary tazagn'i simona fa ny Fanahy Masina de noraisina takeo antagnan'ny apostoly tamin'ny alalan'ny fametran-tagnana, de nameny vola zareo. 19 Ozy izy hoe: "Ameo anà ihany kô zao fahefana zao, ka am'zay ze daôly ametrahako tagnana de mba handray ny Fanahy Masina." 20 Fa ozy i Petera tamin'azy hoe: "Ho levona miaraka aminao ane ny volafotsinao, satria eritreretinao fa azo vidim-bola ny fagnomezan'Andriamanitra. 21 Tsy managna anjara na ampahany amin'zany ra zany enao, satria ny fonao de tsy marina amin'Andriamanitra. 22 Noho zany mibebaha amin'ny faharatsenao ary mivavaha amin'Tompo, sao mba mety hamela ny fagnirin'ny fonao Izy. 23 Fa za de matazagna fa vôpoizin'ny lolompo sy vôfatotry ny fahotana enao? 24 Simona namaly ka niteny hoe: "Mivavaha amin'ny Tompo ho anà, mba tsy hitranga aminà reo ze nolazainao." 25 Rafa nijoro vavolombelona sy nagnambara ny tenin'ny Tompo zareo, de niverigna taigny Jerosalema i Petera sy Jaona, nitory ny filazantsara tamin'reo tanàna maro takao Samaria. 26 Ary nisy anjelin'ny Tompo nikôragna tamin'i Filipo sady nitare hoe: 'Mitsangàna ary mandeana magnatsimo amin'ny lalana midigna avy aigny Jerosalema mankaigny Gaza." (Io lalana io de aigny agnefitra.) 27 De nitsangana izy rary nande. Ndreo, fa nisy leila avy aigny Etiopia, tandapan'ny Kandasy, mpanjakavavan'reo Etiopiana. Izy no nitantana ny harenany daôly. Tonga taigny Jerosalema izy mba hidera. 28 Ary nody izy ka nipetraka takeo amin'ny Kalesany, ary namaky ny bokin'Isaia mpaminagny. 29 Ary le fagna nitare tam'i Filipo hoe: Mandeana magnakeky io Kalesy io." 30 Ka de niazakazaka nagnantonga an'azy izy, ary nareigny an'azy namaky ny teny takao amin'i Isaia mpaminagny, ary nitare hoe: "Azonao ma io vakinao io?" 31 Nitare le Etopiana nagnao hoe: "Manakory no hahafantarako, raha tsisy ôla magnatoro anà?" Nengavy an'i Filipo izy mba hagnatogna ny Kalesa ary hiantotra hiaraka amin'azy. 32 Ary ny andalan-tsoratra masina ze novakin'le Etiopiana de nagnano hoe: Nentina novonoina ôtran'ny ondry izy, ary ôtran'ny zanak'ondry izy. 33 Fa tamin'ny fangalam-baraka an'azy de nalana tamin'azy ny rariny. Iza no afaka hamaritra tanteraka reo taranagny? 34 Noho zany de nagnotany an'i le tandapa i Filipo, nagnano hoe: "Mitalaho aminao za, iza no koragnin'io mpaminagny io, ny tegnany ma se olon-kafa? 35 Nanomboka nitare i Filipo, ary nanomboka tam'zany soratra masina izany de nitoriany ny filazantsar momba an'i Jesosy tamin'azy. 36 Rafa nande taigny an-dalana zareo, de nagnatogna taigny am'ze nisy rano zareoary ozy le tandapa hoe: Iry misy rano. Ino no mahasakana anà tsy atao batisa?" 37 (Fagnamarihana: Ozy Filipo hoe: "Raha mino amin'ny fonao manontolo anao, de azo atao batisa." Le Etiopiana namaly hoe: "Za mino fa Jesosy Kristy no Zanak'Andriamanitra.") 38 Ka nasain'i le Etiopiana najanona le kalesa. Nidigna nankaigny amin'ny rano zareo, de Filipo sy le tantapa, ary le nataon'i Filipo batisa izy. 39 Rafa nivôka ny rano izy reo, de nentin'ny Fagnahin'ny Tompo i Filipo, ka de tsy hitan'i le Tandapa izy, fa nande tami-pifalena taigny amin'ny lalany. 40 Fa Filipo de nibôgna taigny Azoto ary nitety io faritra io izy, ka nitory ny filazantsara eraky ny tanan-deibe mandrapahatongany taigny Kaisaria.