Toko faha 7

1 Ny mpisoronabe nitare hoe: "Marina ma zany daôly zany?" 2 Stefana nitare hoe: "Ry rahalà sy ry ray, henoy za: 'Ny Andriamanitrin'ny voninahitra nibôgna tamin'ny raintsika Abrahama tam'izy taigny Mesopotamia, talôn'ny nipetrany takao Harana; 3 nitare taminazy Izy hoe: "Melà eo amin'ny taninao enao sy reo havanao, ary mandana aigny am'le tany ze abôgnako an'nao." 4 Avy teo niala an'le tanin'ny Kaldeana izy ary nipetra taigny Harana; nanomboka teo, tafaran'ny nafatesan'ny rainy, nentin'Andriamanitra taigny am'io tany io izy, ze hipetrahanao zao. 5 Tsy nameny ho lova takeo izy, tsia, tsy ampy hametrana tongotra avy. Fa nagnome toky izy na de mbola tsy nanan-janaka aza i Abrahama fa izy de hagnome ny tany ho an'azy ho fanagnany sy ho an'reo taranagny aigny afara. 6 Andriamanitra de nikoragna taminazy salan'zao, fa reo taranany de hipetraka maharitra aigny amin'ny tanin'ny firenen-kafa, ary reo mponina akao de hitondra an'azy reo amin'ny fanandevozana sy fampahorena mandritry ny efa-jato taona. 7 Nefa ho tsaraiko ny firenena ze tompon'jareo, ozy Andriamanitra 'ary afaran'zany de hagnantogna sy hidera Anà akeo am'io tôrana io zareo. 8 Avy akeo namen'Andriamanitra an'i Abrahama ny fanekena amin'ny famorana, ka i Abrahama de lasa rain'Isaka ary namora an'azy tamin'ny andro fahavolo; Isaka de lasa rain'i Jakoba, ary Jakoba lasa rain'reo patriarika roa ambefolo. 9 Satria reo patriarika de nialona an'i Josefa ka namidin'jareo taigny Egypta izy; fa Andriamanitra de niaraka taminazy 10 ary namonjy an'azy tam'reo olagny daôly. I Josefa de nomeny fankasitrana sy fahendrena teo agnatrehan'i Farao, mpanjakan'Egypta, ze nametraka an'azy ho governora manapaka an'Egypta sy ambonin'reo fanagnany daôly. 11 Ary de tonga ny silaona an'Egypta sy Kanana, sy fijalena leibe, ary reo razantsika de tsy nahita sakafo. 12 Fa rafa nareigny i Jakaba fa nisy vary takao Egypta, nandefa reo razantsika tamin'ny den'jareo vôlôny izy. 13 Tamin'ny den'jareo faroa i Josefa nampahafantatra ny tegnany tam'reo rahalany, ary ny fianakavian'i Josefa de lasa fantatr'i Farao. 14 Josefa de naniraka reo rahalany hiteny an'i jakoba rainy mba hoavy aigny Egypta, miaraka am'reo havany daôly, teo amin'ny dimy ambin'ny fitopolo ôla raha atambatra. 15 No zany Jakoba de nidina takao Egypta, ary maty izy, izy sy reo razantsika. 16 Nolajaina ho aigny Sekema izy reo ary nalevina takao am'le fasagna ze novidin'i Abrahama tamin'ny volafotsy tam'reo zanak'i Hamora taigny Sekema. 17 Rafa nagnakeky ny fotônan'le fampagnantenana, le fampagnantenana ze nataon'Andriamanitra tam'i Abrahama, de nihabetsaka sy nitombo ny ôla takao Egypta, 18 mandra-pitsangan'ny mpanjaka hafa takao Egypta, mpanjaka ze tsy nafantatra ny momba an'i Josefa. 19 Io mpanjaka io ihany no namitaka ny vahôkantsika sy nampahory reo razantsika, zareo de nanery ny razantsika handao reo zanagny ambava loza mba tsy ho velona. 20 Tam-zany fotôgna zany i Mosesy no teraka; izy de tsara takeo agnatrehan'Andriamanitra ary notazaina telo volana takao an-dragnon'ny Rainy. 21 Rafa navôka teigny abelagny izy, de ny zanaka vavin'i Farao no nanangana sy nitaiza an'azy salan'ny zanagny là. 22 I Mosesy de nampenarina reo fahendrena daôly nanagnan'ny Egyptiana, ary izy de nahery tamin'ny teniny sy ny asany. 23 Ka rafa ho efapolo taona izy, tonga takao am-pony ny hitsidika reo rahalany, zanak'Israely. 24 Nahita israelita raika ze nampahoriana ka niaro an'azy i Mosesy sady namaly an'le ze nampahory an'azy tamin'ny famonona le Egyptianina: 25 Nihevitra izy fa ho azon'reo rahalany fa tamin'ny alalan'ny tagnany Andriamanitra no nagnavotra an'azy reo, nefa de tsy azon'jareo izany. 26 Ny andro manaraka de tonga takao am'reo Israelita sasagny izy raha zareo nifamaly; nanadrana ny nampitony ny tsiraikaraika avy izy, niteny hoe: "Ry leilà, anareo de mpirahalà, magnino anareo no mifandratra?" 27 Fa ny raika ze nagnano tsy nety tamin'ny namany nandrisika an'azy, ary niteny hoe: "Iza no nanendry anao ho mpanapaka sy hitsara anay? 28 Tenao ma ny hamono anà, salan'ny namonoanao reo Egyptianina omaly?" 29 Nilefa i Mosesy rafa nareigny zany; lasa mpiavy izy takao amin'ny tanin'ny Midiana, ze niterahany ny zanagny roa lahy. 30 Rafa dila ny efapolo taona, nisy anjely raika nibôgna taminazy taigny agn'efitra taigny amin'ny tanetin'ny Sinay, takeo amin'ny lelafon'le voaroy niretra. 31 Rafa tazagn'i Mosesy le afo, magnana izy tam'le fahitana; ary rafa nagnantogna izy ka nijery an'je izy, indro avy aigny nisy feon'ny Tompo niteny hoe: 32 "Za no Andriamanitr'reo razanao, Andriamanitr'Abrahama, sy Isaka, ary Jakoba." Nangitakitaka i Mosesy ary tsy nasà nijery. 33 Ny Tompo niteny taminazy hoe: "Alao ny kapa am'tongotrao, fa io tôrana ze hitsangananao io de tany masina. 34 Efa hitako tokôtrany ny fijalen'ny vahôkako ze akao Egypta, hegniko ny fitaraignan'jareo, ary efa nidingna nagnavotra an'azy reo Za; ka am-zao, alefako ho aigny Egypta enao." 35 Io le Mosesy ze nolavin'jareo, rafa niteny izy reo hoe: "Iza no nanendry an'nao ho mpanapaka sy ho mpitsara?" Izy le tokana ze nalefan'Andriamanitra sady ho mpanapaka no mpagnavotra. Andriamanitra nandefa an'azy tamin'ny alalan'le anjely ze nibôgna tam'i Mosesy teo am'vôroy. 36 Nitarika an'jareo hiala tao Egypta i Mosesy, rafa avy nagnano fagagana sy famantarana tao Egypta sy taigny am'ranomasina mena, ary taigny an'efitrra nandritry ny efapolo taona. 37 Io iany le Mosesy ze niteny tam'vahôkan'Israely hoe: "Andriamanitra de hanangana mpaminagny ho an'nareo aketo am'rahalanareo, mpaminagny sala anà." 38 Izy le leilà ze tao am-pengonana tao an'efitra niaraka tam'le anjely ze niteny taminazy taigny am'tanetin'i Sinay. Izy le leilà niaraka tam'reo razantsika; izy le leilà ze nandramby ny teny velona zaraina ho an'ntsika. 39 Izy le leila ze tsy nakatoavin'reo razantsika; natosik'izy reo lavita an'jareo, ary aigny ampon'jareo de niverigna taigny Egypta izy reo. 40 Tam'io fotôgna io niteny tam'i Arona izy reo hoe: "Hagnanôvo Andriamanitra zahay hitarika an'nay, ôtran'i Mosesy, ze nitarika antsika hivôka an'ny Egypta, tsy fantatsika ze nitranga taminy?" 41 Ary nagnano aomby là kely izy reo tam-zany andro zany ary nitondra fagnatitra takeo am'le sampy, ary nifaly tamin'ny asan-tagnany zareo. 42 Nitodika Andriamanitra ary namela an'jareo mba ho fiderana reo kintana aigny an-dagnitra, araka ny vôsoratra takao amin'ny bokin'ny mpaminagny: "Anareo ma nanolotra anà biby maty sy fagnatitra nandritrin'ny efapolo taona takao an'efitra, tranon'ny Israely? 43 Nekenareo ny taberanakelin'i Mosesy se ny kintan'andriamanitra Refana, sy reo sary ze ataonareo hiderana an'azy, ary za hitondra an'nareo aigny ankotran'Babylona." 44 Reo razantsika de nanana tabernakelin'ny fijoroana vavolombelona takao an'efitra, araka ny baikon'Andriamanitra rafa niteny tam'i Mosesy Izy, ze tokony natôgny nitovy tam'le fomba efa hitany. 45 Io le tranolay ze nalain'reo razantsika, ary nindesiny takao am'le tany niaraka tam'i Josoa, takeo agnatrehan'reo razantsika, reo fagnan'ny firenena ze nandroasan'Andriamanitra ny tany ze noraisin'jareo ho fagnanan'jareo manôkana, le tranolay de nijanona takao am'le tany nandrity ny andron'i Davida, 46 ary izy nahazo fankasitrahana tao amin'ny fahitan'Andriamanitra ary nagnotany raha hahita tôrana hipetrahana ho an'Andriamanitr'i Jakoba. 47 Fa i Salomona no nanambôtra ny trano ho an'Andriamanitra. 48 Na zany aza, ny Avo indrindra de tsy nipetraka takao am'trano vita tamin'ny tanana, araka ny vôlazan'ny mpaminagny hoe: 49 "Ny lagnita no seza fendrianako, ary ny tany no fitôran-tongotro. Tragno sala ino no afaka haboarinao ho anà? ozy ny Tompo, na tôrana ôtran'ny ino no hitsaharako? 50 Tsy tagnako ma no nagnano reo ra daôly reo? 51 Reo ôla mafy hatoka sy tsy vôfora akao am-po sy sofigna, anareo de manohitra fôgna ny Fanahy Masina; anareo de magnano salan'ze nataon'ny razanareo. 52 Iza tam'reo razanareo no tsy nanenjika mpaminagny? Novonoin'jareo ny mpaminagny ze nibôgna talohan'ny fevin'le Fahamarinana, ary am-zao nareo de lasa mpamadika sy mpamono an'azy kô, 53 anareo vahôka ze nandray ny lalàna ze napetrak'reo anjely, kanefa tsy notazominareo zany." 54 Ary rafa nareigny reo ra reo ny mpikambana akao amin'ny filan-kevita, votona ny fon'jareo, ary nihidy vazagna zareo tam'Stefana. 55 Fa izy feno Fanahy Masina, nijery tsara ny lagnitra ary nahita ny voninahitr'Andriamanitra, ary nahita an'i Jesosy nitsagana tao ankavanan'Andriamanitra. 56 Stefana niteny hoe: "Tazano, itako misokatra reo lagnitra, ary ny zanak'ôla mitsangana akeo ankavanan'Andriamanitra." 57 Takeo am-zany de notapenan'reo mpikambana akao am'filan-kevitra ny sofin'jareo, ary nikika niaraka tam'feo ambony, nihazakazaka izy reo nakeigny aminy. 58 Notaritin'jareo ambelagn'tanàna izy ary nanomboka nitora-bato an'azy izy reo, ary reo vavolombelona de nametraka ny akanjony teo am'tongotr'le zaza là nantsovina hoe Saoly. 59 Raha nitora-bato an'i Stefana iny izy reo, niantso mafy ny Tompo izy ary niteny hoe: "Tompo Jesosy, raiso ny fagnahiko." 60 Nendohalika izy ary niantso tam'feo mahery hoe: "Tompo, aza tazomina zao ota zao hanoherana an'azy reo." Rafa niteny zany izy de rendriky ny toromaso.