Toko faha 28

1 Rafa tonga sô man-tsara zahay, de hainay fa le tany de nantsovina hoe: Malta. 2 Reo tompotany de tsy nampiseho hatsaram-pagna taminay fôgna fa nampirehitra afo kô zareo ary nampadroso an'nay daôly nony ora-mikija sy ny hatseka nahazo an'nay. 3 Fa rafa nagnangona kitaigna kakazo sy nametraka an'zany takeo amin'ny afo Paoly de nisy menaragna nivôka nony hafanana, ary nifatotra tamin'ny tagnany. 4 Rafa natazagna an'le biby nihantogna takeo amin'ny tagnany reo tompontany de nifamikoragna zareo hoe: "Tegna mpamono ôla tokô io leila io, raha ny rariny de tsy tokony ho velona izy, nefa de tafavôka avy taigny an-dranomasina. 5 Fa avy takeo anefa de nagnifika an'le biby tao agnaty afo izy kanefa tsy maratra miitsy. 6 Nandigny an'azy mba ho vôn'ny tazo na ho foaty tampoka zareo. Fa rafa avy nizaha an'azy maharita zareo ary natazagna fa tsisy ra nahazo an'azy, de niova hevitra zareo ary nilaza fa izy de andriamanitra. 7 Ary takeo ankeiky teo de nisy reo tany ze an'le leila leiben'ny nosy, leila antsovina hoe: Poplio. Nandray an'nay izy ary nagnome ahanina an'nay tamin'ny hatsaram-pagna nandritra ny telo andro. 8 Ny rain'i Poplio de nararin'ny tazo sady nivalandrà. Raf nande nankaigny amin'azy Paoly, de nivavaka izy, nametraka ny tagnany teo amin'azy, ary nagnasitrana an'azy. 9 Tafaran'ny nitrangan'zany, de nagnatona an'azy avokoa ny ambin'ny vahôka daôly ze narary teo am'le nosy ary sitrana. 10 Ny vahôka ihany kô de nagnome voninahitra an'nay tamin'ny voninahitra maro. Ary rafa niomana ande antsambo zahay, de nagnome an'nay ze nilainay zareo. 11 Afala telo volana zahay de nande an-tsambo ze nijanona tao am'le nosy nandritryny ririnina, sambon'i Aleksandria, misy "sarikamban'andriamanitra" eo agnolôn'ny sambo. 12 Ary rafa tonga tam'le tanànan'i Sirakosa zahay, de nitôtra takao nandritry ny telo andro. 13 Niala avy teo zahay no nentsambo ka tonga taigny amin'ny tanànan'i Regioma. Ary rafa afaka rai andro de nisy rivotra nitsoka avy aigny atsimo, ka rao andro zahay de tonga takao amin'ny tanànan'i Potioly. 14 Takao no natazagnan'reo rahala sasagny ary nagnasa an'nay mba hijanona hiaraka amin'jareo madritry ny fito andro. Tamin'ny alalan'zany no natongavanay taigny Roma. 15 Avy teigny reo rahala, tafaran'ny nadrignesan'jareo ny momba an'nay, de tonga nitsena an'nay hatraigny amin'ny tsenan'i Apio sy reo tragnom-bahiny telo. Rafa natazagna reo rahala Paoly, de nisôtra an'Andriamanitra izy ary nahazo hery. 16 Rafa niditra takao Roma zahay, de nahazo alalana hiara-hiaigna am'reo miaramila niambina an'azy Paoly. 17 Ary rafa afaka telo andro tafaran'ze de nampiantso niaraka reo leila ze mpitarika teo amin'reo Jiosy reo i Paoly. Raf niaraka tonga zareo, de niteny tam'jareo izy hoe: "Ry rahala, na de tsy nagnano ra ratsy tamin'ny ôla na ny fomban'reo razantsia aza za, de natolotra ho gadrana taigny Jerosalema teo an-tagnan'ny Romana. 18 Rafa avy nagnadiady anà zareo, de nagniry ny hanafaka anà, satria tsy nisy antony tokony hagnamelôgna anà ho foaty. 19 Fa rafa nanoitra ny fagnirin'jareo ny Jiosy, de vôtery za nampiantso an'i Kaisara, na de tsy ôtran'ny hoe nitondra fempangana hanoitra ny fereniko aza. 20 Non'ny antsoko, de nangataka ny hatazagna an'nareo sy hikoragna aminareo za. Zany de non'ny fatokiasan'Israely momba ny hamatorana anà am'ty rojo ty." 21 Avy akeo de nitare tamin'azy zareo hoe: "Tsy mbola naray reo taratasy momba an'nao avy aigny Jodia zahay, na rahala tonga sy nitatitra na niteny ra ratsy momba an'nao. 22 Fa tenay ho reigny aminao ny eritreritrao momba an'zany sekta zany, satria fantatray fa efa ratsy laza eigny daôly eigny zany. 23 Rafa nisafidy andro ho an'azy izy reo, de betsaka kokô reo ôla nagnatona an'azy taigny amin'ny tragno nitobinay. Nampafantatra an'le rahara tam'jareo izy, ary nijoro vavolombelona momban'ny fanjakan'Andriamanitra. Niezaka nandresy latra an'azy reo ny momba an'i Jesosy izy, na tamin'ny alalan'i Mosesy zany na tamin'ny alalan'ny mpaminagny, nanomboka maraina ka hatramin'ny takariva. 24 Ny sasagny de resy latra tam'reo ra ze vôlaza, raha tsy nino kosa reo hafa. 25 Rafa tsynifagnaraka zareo, de lasa tafara'ny nagnambaran'i Paoly ty teny raika ty hoe: 'Ny Fanahy Masina de nitare tsara reo razanareo tamin'ny alalan'Isaia mpaminagny. 26 Ozy izy hoe: "Mandenà aigny am'reo vahôka reo ary lazao hoe: "Amin'ny fitainoana no handrignesanareo,fa tsy hatakatra; ary amin'ny fahitagna no haitanareo, fa tsy hatazagna. 27 Fa nihadonto ny fon'reo ôla reo, ary sarotra amin'ny sofin'jareo ny hareigny, ary nagnakipy ny masony zareo. Fa raha tsy zany de mety afaka hatazagna amin'ny masaony zareo, ary handreigny amin'ny sofiny, sy hatakatra amin'ny fony ka hiverigna ndre de hagnasitrana an'azy reo Za." 28 No zany, tokony ho fantatrareo fa zany famonjen'Andriamanitra zany de nalefa tam'reo Jentilisa, ary hitaino zareo." 29 (Fagnamarihana eigny amin'ny farany ambanin'ny pejy: Asa 28:29 Ny antontan-taratasy sasagny de managna ny andininy 29 hoe: "Rafa nitare reo ra reo izy, de lasana ny Jiosy. Nisy famaliana be takeo am'jareo.") 30 Paoly de niaigna nandritry ny roa taona be zao takao amin'ny tragnony nofainy magnokana, ary nandray ze daôly tonga tao amin'azy izy. 31 Nanambara ny fanjakan'Andriamanitra izy ary nampianatra reo ra momban'i Tompo Jesosy Kristy tamin'ny fasahiana. Ary tsisy nanakana izy.