Toko faha 27

1 Rafa tapaka fa tokony hentsambo ho aigny Italia zahay, de napetran'jareo i Paoly sy reo gadra hafa ho eo ambanin'ny fiahian'ny kapeteny raika antsovina hoe Jolio ze an'ny rezimantan'ny Amperora. 2 Niditra tagnaty sambo raika avy aigny Adramytena zahay, ze hiondrana magnaraka ny sisin-tanin'ny Asia. Ka de nande an-dranomasina zahay. Aristarko avy aigny Tesalonika aigny Makedonia de nande niaraka taminay. 3 Ny andro magnaraka de tonga takao am'tanànan'ny Sidona zahay, ze nitondran'i Jolio an'i Paoly tam'hatsaram-pagna ary namela an'azy hande ho aigny am'reo namany handray ny fikarakaran'jareo. 4 Avy taigny zahay no nande an-dranomasina ary nentsambo nagnaraka ny morogn'ny Kyprosy, nagnakeky ny nosy, satria nanoitra an'nay ny rivotra. 5 Avy akeo netsambo namakivaky ny ranomasina zahay ary nagnakeky ny sisin-tanin'ny Kilika sy Pamfilia, tonga takao Myra zahay, tananàn'ny Lykia. 6 Taigny, ny kapiteny de nahita sambo raika avy aigny Aleksandria ze hetsambo ho aigny Italia. Napetrany takao am-zany zahay. 7 Rafa netsambo niadana nandritry ny andro maro zahay ary ny farany de tonga tam-pasahiranana teo akaikin'ny Kinidio, de tsy namela an'nay ande tam-zany lalana zany ntsony ny rivotra, ka de netsambo nagnaraka ny ilany takon-drivotra ny Kreta zahay, mifanjo am'Salmona. 8 Nagnra-morona tam-pasahiranana zahay, mandra-patonganay taigny am'tôrana raika antsovina hoe Tsara-fitodian-tsambo, ze akekin'ny tanànan'ny Lasea. 9 Ary nandany fotôna betsaka zahay, eaf dila iany kô ny fotôna fifaden-kanin'reo Jiosy, ary efa lasana nampidi-doza ny miondrana an-tsambo. Ka de nampitandrina an'jareo Paoly, 10 ary nitare hoe: "Ry leilà, hitako fa ty de ze ho ataontsika ty de hisy faratrana sy fatinatoka betsaka, tsy ho an'ny entana sy ny sambo fôgna, fa ho an'ny aignantsika kô." 11 Fa ny kapiteny nagnome lanja betsaka ny mpitondra sy ny tompon'ny sambo no reo ra ze vôlazan'i Paoly. 12 Satria ao am'seragnana de tsy mora raha hijanonana mandritry ny ririnina, de betsaka tam'reo mpetsambo no nagnatoro hevitra ny hiondrana hiala teo, fa ndraindray mbô afaka mizotra makaigny an'tanànan'ny Foiniksa am'fara herinay, mba hipetraka aigny mandritry ny ririnina. Foiniksa de saragnana aigny Kreta, ary magnatrika ny magnavaratra andrefana sy ny magnatsimo-andrefana zany. 13 Rafa nanomboka nitsoka malefaka ny rivotra avy aigny atsimo, de nihevitra reo tantsambo fa nanagna ze nilain'jareo. Ka de nampakatra ny vatofantsika ary niondrana nagnaraka an'i Kreta zareo, nagnakeky ny moron-dranomasina. 14 Fa afaka fotôna foika de nisy tafio-drivotra mahery, nantsovina hoe Eoraklydona, nanomboka namely mafy avy aigny am'nosy. 15 Rafa tratry ny tafiotra ny sambo ary tsy afaka nanotra ny rivotra ntsony, de tsy maintsy nagnome lalana ny tafiotra zahay ary nentin'ny rivotra nivezivezy. 16 Nentsambo nagnaraka ny morogn'ny nosy kely raika antsovina hoe Kaoda zahay, ary tam-pasahiranana no nafahanay niaro ny lakana famonjena aigna. 17 Rafa nampekarin'jareo ny lakana famonjena aigna, de nampesain'jareo ny tadin'zany mba hamatorana ny vatan'ny sambo. Natatra zareo fa tokony hande ambonin'ny fasika mandrevon'ny Syrtiso, ka de nalatsan'jareo ny vatofantsika ny ranomasina ary nande ho azy teigny. 18 Takatry ny familezana mahery vaikan'ny tafiotra zahay haigny ka ny andro magnaraka io de nanomboka nagnary reo entana taigny ambelagn'ny sambo zareo. 19 Tam'ny andro fatelo reo tantsambo de nanipy ny entan'ny sambo taigny ambelagnin'ny sambo tam'tagnan'jareo manôkana. 20 Rafa tsy nihiratra taminay nandritry ny andro maro ny masoandro sy ny kintana, ary mbola namely an'nay le tafiotra be, de very daôly ny fagnantenana ny havônonjy an'nay. 21 Rafa lasa lavitra tsisy ahanina zareo, de nitsangana teo am'reo tantsambo Paoly avy eo ary nitare hoe: "Ry leilà, tokony nihaino anà nareo, ary tsy niondrana avy taigny Kreta, ho tratran'zao faharatrana sy fatiantoka zao. 22 Am-zao de mampirisika an'nareo za mba hahery, fa tsisy favarezan'aigna akeo agnolônareo, fa fahaverezan'ny sambo fôgna iany. 23 Fa tam'alina de nisy anjelin'Andriamanitra ze Tompoko, ze Tompoiko iany kô- nitsangana takeo agnilakao ny anjeliny 24 ary nitare hoe: "Aza matatra, ry Paoly. Tsy maintsy hitsangana akeo agnatrehan'i Kaisara enao, ary indro Andriamanitra akao am'hatsaram-pagnany no nagnome an'nao reo daôly miantsambo miaraka aminao." 25 No zany mionogna, ry leilà! Fa matokyy an'Andriamanitra za fa hitranga araka ze vôlaza taminà zany. 26 Saigny tsy maintsy hidona amina nosy maromaro tsika." 27 Rafa tonga ny alina faha-efatra ambefolo, raha natopatopa nivezivezy tao am'ranomasin'ny Adrea zahay, tokony ho tam'sasak'alina de nihevitra reo tantsambo fa nagnakeky taigny zareo. De naka refin-drano zareo ary nahita fa efapolo metatra ny halaligny; tafara kelin'zany, 28 de mbola naka refin-drano iany zareo ary nahita fa telopolo metatra ny halaligny. 29 Natatra zareo sao hidona am'reo vato zahay, ka de nandatsaka vatofantsika efatra avy akao afara zareo ary nivavaka mba hiaven'ny maraigna tsy ho ela. 30 Reo tantsambo de nitsikaraka fomba hialana ny sambo ary nandatsaka ny lakana famonjena aigna taigny an-dranomasina, ary nody nandatsaka ny vatofantsika avy teo an-doha-tsambo zareo. 31 Fa Paoly nitare tam'kapiteny sy reo miaramila hoe: "Raha tsy mijanona agnaty sambo reo leilà reo, tsy ho vôvonjy anareo." 32 Avy akeo reo miaramila nanapaka ny tadin'ny lakana ka de namela an'zany ho rendrika. 33 Rafa nanomboka nihanazava ny andro, de namporisika an'azy daôly Paoly mba hialaka hahanina betsaka. Ozy izy hoe: "Ty andro ty no andro fa-efatra ambefolo ze hendrasanareo ary tsy hinananareo; tsy nihinana na ino na ino. 34 No zany de mapirisika an'nareo zà mba hizara ahanina, fa ilaina zany mba hahavelogna an'nareo. Fa tsisy na raika aminareo ze ho very na de ny singam-bolo-dôny aza." 35 Rafa avy nitare zany izy, de nialaka mofo ary nisôtra an'Andriamanitra tae imason'ny daôly. Avy akeo izy nizarazara ny mofo ary nanombola nihinana. 36 Avekeo de nahery izy daôly ary nialaka hahanina iany kô. 37 Ôla 276 zahay no tao agnaty sambo. 38 Rafa nihinana tsara zareo, de nohamaivagnin'jareo ny sambo tam'nagnaren'jareo vary tagnaty ranomasina. 39 Rafa tonga ny andro, de tsy fantan'jareo le tany, fa nahita helon-drano raika nisy tora-pasika zareo, ary nifandinika zareo raha afaka hitondra ny sambo taigny. 40 Ka de notapan'jareo vatofantsika ary navelan'jareo taigny an-dranomasina. Niaraka tam-zay de nalatsan'jareo ny tady teo am'familiana ary natsangany ny lay ho akeo am'rivotra; ary de niroso nankeo amin'ny tora-pasika zareo. 41 Fa tonga teo am'tôrana raika ze nisy ranomasina nifanapaka zareo, da nidona tam'tany ny sambo. Ary ny loha-sambo de niraikitra teo ary nijanona tsy afa-nihetsika, fa ny vodi-tsambo kosa nanomboka vaky nony hahery vaikan'ny onja. 42 Ny tetik'reo miaramila de ny hamono reo gadra mba tsisy am-jareo ho afaka ande hilomamo ka hilefa. 43 Fa le kapiteny te-hamonjy an'i Paoly, ka de najanony ny tetin'jareo; ary nameny baiko reo mahay milomamo mba hilatsaka ambelagn'ny sambo alô ary ho eigny an-tanety. 44 Avekeo tokony hanaraka ny ambin'reo leilà, ny sasagny ambony kakazo fisaka, ary ny sasagny ambony ra hafa avy tao am'sambo. Ôtran'zany no nibôgna ka ny daôly taminay de tonga sôman-tsara taigny an-tanety.