Toko faha 4

1 Am'zao fotôna zao de mitare mazavatsara ny Fagna fa amin'ny fotôna aigny afara aigny de hiala amin'ny finôna ny ôla sasagny ary mitandrema tsara am'reo fagna mamitaka sa ny fampenaran'ny demonia, 2 amin'ny fetsarambelatsin'ny mpandainga. Fa vômarika amin'ny vy mamay ny feon'ny feritreretan'jareo. 3 Ho raràn'jareo ny manambady sy ny mandray reo ahanina ze noforonin'Andriamanitra ho zaraigna miaraka amin'ny fisaorana akeo am'reo ze mino sy ze mafantatra ny marina. 4 Fa ny ra daôly ze noforonin'Andriamanitra de tsara. Tsisy ho lavina ny ra noraisintsika tamim-pisôrana. 5 Fa namasinina tamin'ny tenin'Andriamanitra sy ny vavaka zany. 6 Raha apetrakareo akeo agnolôn'reo rahalà reo ra reo, de ho mpanompo tsaran'i Jesosy Kristy anareo. Fa notazaina tam'reo tenin'ny finôna sy tamin'ny fampenarana tsara ze narahinareo anareo. 7 Fa ialao ny angano tantarain'ny anti-bavy. Fa kosany, tariho hagnome voninahitra an'Andriamanitra ny tegnanareo. 8 Fa ny vatagna ampesaina de kely fogna no azo ampesana an'azy, kanefa fampiasa amin'ra daôly ny toetra araka an'Andriamanitra. Tano ny fampanantenana am'ty fiaignana zao ty sy ny fiaignana ho avy. 9 Ty hafatra ty mendri-pitokisana sy mendrika ny fafenon'ny fanekena. 10 Fa no zany de hitologna sy hiasa mafy tsika. Fa matoky akao amin'Andriamanitra velona tsika, ze Mpamonjy ny ôla daôly, ndrindra reo ze mino. 11 Ambarao sy ampenaro reo ra reo. 12 Aoka tsy hisy hagnano tsinontsinona ny fatanoranao. Fa kosany, aoka ho fitaratra ho an'reo ze mino, amin'ny fiteny, fitondran-tegna, fitiavana, ary fahadiovana. 13 Mandra-peveko, tohizo ny famakiana, ny fagnanarana, sy ny fampenarana. 14 Aza atao tsinotsinona ny fagnomezam-pasoavana ze akao aminao, ze namena an'nao tamin'ny alalan'ny faminagnina, niaraka tamin'ny fametran-tagnan'reo loholona. 15 Aza atao antsirambina regny ra regny. Ikeso ny ho akao am'jareo, de mba hitan'ny ôla daôly ny fandrosônao. 16 Tandremo tsara ny tegnanao sy ny fampenarana. Tohizo iregny ra regny. Fa raha magnano salan'zany de ho nonjenao ny tegnanao sy reo ze mitaino an'nao.