Toko faha 3

1 Matokisa zao teny zao: Raha misy ôla raika magniry ny ho mpiandraikitra, de magniry asa tsara izy. 2 Noho zany de ny mpiandraikitra de tsy maintsy tsy managn-tsigny. Tsy maintsy manambady vevavy tokana izy. Izy de tokony ahay handanjalanja, hendry, te filaminana, te mandray ôla. Tsy maintsy mahay mampianatra izy. 3 Tsy tokony za-dratsy amin'ny divay izy, tsy mpila ady, fa kosa, malemy fanahy, feno fiadanam-po. Izy de tsy tokony ho te vola. 4 Tokony hitantana tsara ny tokantragnony izy, ary reo zanany de tokony hagneky an'azy am-pangajana tanteraka. 5 Fa raha tsy mahay mitantana ny tokan-tragnony izy, ataony akôry ny hikarakarana ny fiangonan'Andriamanitra? 6 Tsy tokony ho ôla vô niova fo izy, mbô tsy hiendaendany ka ho lavo amin'ny fanamelohana salan'ny devoly. 7 Izy iany kô de tsy maintsy tsara laza am'reo ôla aigny avelany, mbô tsy ho lavo agnaty fafam-baraka sy ny fandriky ny devoly. 8 Reo Diakona, ôtran'zany iany kô, de tokony ho mendrika. Zareo de tsy tokony hisotro divay betsaka lôtra na tsy mahalala onona ara-tsakafo. 9 Tokony hitana ny fahamarinan'ny finoana nambara miaraka amin'ny feon'ny fieritreretana madio. 10 Zareo iany kô de tokony ho sedraina melô, avekeo de tokony nagnompo satria tsy managn-tsigny zareo. 11 Reo vevavy iany kô de tokony ho mendrika salan'zany. Tsy tokony ho mpanendrikendrika zareo. Tokony hahay handanjalanja ary mahatoky amin'ny ra daôly. 12 Reo Diakona de tokony hanambady tokana. Tsy maintsy mitantana tsara reo zagnany sy ny tokantragnony zareo. 13 Fa reo ze nagnompo tsara de handray laza tsara sy fahatokisana lehibe amin'ny finoana ho an'ny tegnan-jareo ze akao amin'i Jesosy Kristy. 14 Manoratra reto ra reto aminao za, ary magnantegna ny ho avy tsy ho ela akaigny aminao za. 15 Fa raha tara za, de manoratra mbô hafantaranareo ny fitondrantegna akao amin'ny tokantragnon'Andriamanitra, ze fiangonan'Andriamanitra velona, le vato fehizoro sy fitoeran'ny fahamarinana.