Toko faha 4

1 No zany, satria nijaly tamin'ny nofo i Kristy, de atôvy fedian'ny tegnanareo zany tanjona zany. Fa ze daôly tamin'ny nofo de nitsatra tamin'ny fahotana. 2 Vokatr'zany, ny ôla ôtran'zany, mandritra ny fotôna sisa hiaignany, de tsy hiaigna ho an'ny sitrapon'Andriamanitra. 3 Fa ampy zay ny fotôna lasana nagnanôvana an'ze ten'ny Jentilisa atao, hafalen'ny nofo, fijejojejona, fimamôna, fitondran-tegna, mamegnatra, filalôvan-dratsy, ary reo asan'ny fagnompon-tsampy marikoriko. 4 Heverin'jareo fa hafahafa satria tsy mikambana am'jareo akao am'zany fagnaranam-po be zany nareo, no zany de hiteny ratsy momba an'nareo zareo. 5 Hamaly ny raika ze vognona hitsara ny velona sy ny maty zareo. 6 No zany antony zany no nitoriana ny vaovao mafaly tam'reo maty ihany kô, na de notsaraina tamin'ny nofo ôtran'ny ôla aza zareo, de hiaigna ôtran'Andriamanitra akao amin'ny fagna. 7 Magnakeky ny faran'ny ra daôly. No zany tongava saigna, ary mahonona tegna amin'ny eritreritrareo ho an'ny fitiavam-bavaka. 8 Ambonin'ny ra daôly, magnàna fitiavana feno ho an'ny tsiraikarika avy, fa ny fitiavana mandrakotra fahotana maro. 9 Mifampentranoa tsy am-pitaraignana. 10 Fa ny tsiraikaraika aminareo de nandray fagnomezam-pasoavana, ampesao hifanomôna zany. Magnanôva zany ôtran'ny mpitan-drarahan'ny fagnomezam-pasoavana maro maimaimpôgna an'Andriamanitra. 11 Raha misy miteny, ôka izy hagnano an'zany ôtran'ny raika miteny ny tenin'Andriamanitra. Raha misy manompo, aoka zany ho avy amin'ny hery ze vatsian'Andriamanitra. Magnanôva reo ra reo mba homem-boninahitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy amin'ny fomba daôly Andriamanitra. Aoka ho an'i Jesosy Kristy ny voninahitra sy hery mandrkizay doria. Amena. 12 Ry malala, aza raisina ho hafahafa ny fitsapana amin'ny afo ze nitranga taminareo, ôtran'ny hoe nisy ra hafahaf nitranga taminareo. 13 Fa kosany, na de betsaka aza ny hiaignanareo reo fijalen'i Kristy, mifale, mba ho afaka hifaly ihany kô nareo ary ho ravoravo amin'ny fagnambarana ny voninahiny. 14 Raha nitivativaina no ny agnaran'i Kristy nareo, de vôtahy satria ny Fagnan'ny voninahitra sy ny Fagnan'Andriamanitra de mitôtra akao aminareo. 15 Fa aoka tsisy n'iza n'iza aminareo hijaly ôtran'ny mpamono ôla, mpangalatra, mpagnano ratsy, na mpiraharaha ny an'ny hafa. 16 Fa raha misy mijaly fa Kristiana, aoka izy tsy ho menatra; fa kosany aoka hagnome voninahita an'Andriamanitra amin'zany agnarana zany izy. 17 Fa fotôna zao hanombona ny fitsarana miaraka amin'ny ankohonan'Andriamanitra. Raha manomboka amintsika zany, ino no ho vokatra ho an'reo ze tsy mankàto ny filazantsaran'Andriamanitra? 18 Ary raha 'ny ôlo-marina aza ila tsy ho vôvonjy, amin'ny fomba ahôgna no hisehoan'ny ôla tsy an'Andriamanitra sy ny mpanota? 19 No zany aoka reo ze mijaly nony sitrapon'Andriamanitra hanankina ny fagnan'jareo amin'ny Mpamorona matoky amin'ny fagnanôvan-tsoa.