Toko faha 3

1 Am'zany fomba zany, nareo vevavy de tokony hagneky ny vadinareo. Atôvy zany na de misy leila maro aza tsy mankatô ny teny, ary mety ho azo zareo na tsy misy aza ny teny, amin'ny alalan'ny fitondran-tegnan'ny vadin'jareo. 2 Fa zareo de hatazagna ny fitondran-tegna mendrikareo am-pagnajana. 3 Aoka zany ho tanteraka tsy miaraka am'reo engo avelagny: randram-bolo, firavaka volamena, na akanjo lamôdy. 4 Fa kosany, aoka zany ho tanteraka miaraka am'ze akao am-pon'ny ôla, sy ny hatsarana maharitra ny fagna tsara sy mangina, ze sarobidy akeo agnatrehan'Andriamanitra. 5 Fa reo vevavy masina talô no nandravaka ny tegnan'jareo ôtran'zany. Nagnana fatokena an'Andriamanitra zareo ary nagneky ny vadiky avy. 6 Salan'zany fomba zany no nankatoavan'i Abrahama an'i Saraha sy nagnatsovana an'azy ho tompony. Nareo de zanany am'zao fotôna zao raha magnano ze tsara sy tsy matatra ôla anareo. 7 Ôtran'zany ihany, nareo leilà de tokony miaigna miaraka amin'ny vadinareo araky ny fazavan-tsaigna, ôtran'ny fanaka malemy kokô, ny vevavy. Tokony omenareo voninahitra zareo salan'ny mpiara-mandova ny fagnomezan'ny fiaignana. Atôvy zany mba tsy ho vôsakana ny vavakareo. 8 Farany, nareo daôly, ôka hiray saigna, hangoraka hifankate salan'ny mpirahalà, ho tso-po, ary hagnetri-tegna. 9 Aza mamaly ratsy ny ratsy na manivateva. Mifanotra am'ze aza, mignampy hatraigny, fa no zany no nagnantsovana an'nareo, mba hafanareo mandova ny fitahiana. 10 "Le raika ze te hankafy ny fiaignana sy te hahita andro tsara de tokony hagnatsatra ny lelany amin'ny ratsy sy ny molony amin'ny fitenenana fitaka. 11 Aoka izy hiala amin'ny atao hoe ratsy ary hagnano ze tsara. Aoka izy hitsikaraka fiadanana sy hitaky an'zany. 12 Ny mason'ny Tompo mahita ny marina, ary ny sofiny mandreigny reo fangatan'jareo. Fa ny tavan'ny Tompo de manotra an'reo ze magnano ratsy." 13 Izy le raika ze hamely an'nareo raha magniry ny hagnano ny tsara nareo? 14 Nefa raha mijalyy non'ny famarinana nareo, de sambatra. Aza matatra ze hatahoran'jareo. Aza mangôrohôro. 15 Fa kosany, atokano ho masina akao am-ponareo le Tompo Kristy. Mivognona hatraigny hamaly ny ôla daôly ze magnontany an'nareo ny antony hatokisanareo an'Andriamanitra. Atôvy amin'ny halemem-pagna sy fagnajana zany. 16 Magnàna feon'ny feritreretana madio mba ny ôla ze magnevateva ny fiaignana tsaranareo akao amin'i Kristy de mety megnatra satria miteny manoitra an'nareo salan'ny hoe mpagnano ratsy nareo. 17 Tsara kokô, raha Andriamanitra no magniry, fa mijaly nareo amin'ny fagnanovana ny tsara non'ny fagnanovana ny ratsy. 18 Efa nijaly non'ny fahotana iany kô i Kristy. Izy ze marina de nijaly ho antsika, ze tsy marina, mba hitondrany antsika akeo amin'Andriamanitra. Novonona tamin'ny nofo Izy, fa novelomin'ny Fagna. 19 Tamin'ny alalan'ny Fagna, de nande izy ary nitory ho an'reo fagna ze aigny am-ponja am'zao. 20 Tsy nankatô an'jareo daôly niandry ny faretan'Andriamanitra tamin'ny andron'i Noa, tamin'ny androan'ny fagnaboarana sambofiara, ary Andriamanitra namonjy ôla vitsy miisa valo mianaka tamin'ny rano. 21 Zany no famatarana ny batisa ze mamonjy an'nareo am'zao tsy ôtra'ny fagnadiovana ny loto amin'ny vatana, fa ôtran'ny antson'ny feon'ny feritreretana ho amin'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny fitsangan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty. 22 Kristy de akeo an-tagnana ankavanan'Andriamanitra. Niakatra aigny an-dagnitra izy. Reo anjely, reo manam-pahefana, ary ny hery de tsy maintsy magneky an'Azy.