Toko faha 3

1 Nandehandeha tô amin'ny Synagoga indraiky Jesosy ary nisy lalahy maty tagnana takô. 2 Nizaha akaiky Ananjy gny sanasanany mbô hahita raha hanasitrana Azy amin'ny Sabata Izy mbô afahanjare magnameloka ananjy. 3 Ahozy Jesosy tamin'ilay lalahy maty tàgnana hoe: "Mitsangàna ary mijaridigna aketo ategnategnan'ny ôlo jiaby aketo." 4 De nivôlagna tamin'ny ôlo Izy hoe: "Ara-dalagna mô gny magnano soa amin'ny andro Sabata sa gny magnano tsy tsara; gny mamonjy aigna, sa gny mahafaty? " Nefa njare tsy nahaboka-vôlagna. 5 Nizaha anjare tamin-kavigniragna Jesosy, ary nalahelo Izy nohon'ny hamafin'ny fonjare, dia nikoragna tamin'Ilay lalahy Izy hoe: ''Amparo gny tagnanà." Dia namparin'ilay lalahy gny tagnany ka salama. 6 Niboaka ire Fariseo ary nikonokonogna malaky niaraka tamin'ny Herodiana hitady izay fomba amonoana Azy. 7 Avitaké Jesosy, niaraka tamindreo mpianany, nandehandeha an-dranomasina, ary nisy fôkonolo fontry nagnaraka avy agny Galilia sy avy agny Jodia 8 ary avy agny Jeroalema sy avy agny Edoma ary hatrany amin ny onin'i Joridana sy magnodidigna ny Tyra sy Sidona. Rehefa nahare momba ireo raha nataonjare,dia nisy fôkonolo fontry nankeo aminy. 9 Dia nampizaha sambokely gny mpianany Jesosy ho Ananjy nohon'nyhafontrogn'ôlo take, tsy hifanosehan'ny ôlo Izy. 10 Nohon'ny Izy nahasalama ôlo fontry, de nifandrombaka nagnatogna Azy gny ôlo jiaby fontry, izay nanana tsy fahasalamana mba hikasika Azy. 11 Aky gny nizaha Azy ireo fagnahy maloto, niankohoka to anatrehany, ary hoy Izy ireo hoe: "Anà no Zanak'Andriamanitra." 12 Nivolagniny mare ireo mbô tsy hampahalala Azy. 13 Nangnanika takegny antendrombohitra Izy, ary nagnatsoantso ireo izay tiany, dia nankeo amin'ny ireo. 14 Nanendry ireo roe ambinifolo Izy (izay nangizany hoe Apostoly), mba hafanjare miaraka aminy sy hafahany mandefa azy ireo mitory ny hafatra, 15 ary hanagna fahefana handroaka demonia. 16 Avitake de nanendry ireo roe ambinifolo izy: Simona,izay nomony anarana hoe Petera; 17 Jakoba zanak'i Zebedio,sy Jaona rahalahiny, izay nomony ny anarana hoe Boanarijesy, izay midika hoe, zana-baratra; 18 ary Andrea, Filipo, Baritolomeo, Matio, Tomasy, Jakoba zanak'i Alfeo, Simona Zelota, 19 ary Jodasy Iskariota, izay hamadika Azy. 20 Dia nody tagny andragnony Izy,ary niara-tonga indray gny fôkonolo, hany ka tsy afaka nisakafo akory njare. 21 Rehefa nandre gny momba izegny gny fianakaveny, dia niboaka njare haka Azy, satria nokoragni-njare hoe: "Very saina Izy. 22 Ary ireo mpanoradalagna izay nidina Avy any Jerosalema dia nikoragna fa: "Itoeran' i Belzeboba Izy" , ka, "Amin'ny alalan'ny mpanapaky ny demonia no angnabolezany gny demonia." 23 De nangizan'i Jesosy hankeo Aminy ireo ka niteny azyireo tamin'ny alalan'ny fanoharana hoe: "Ahoana no hahafahan'i Satana mandroaka an'i Satana? 24 Raha misy fanjakana miady andragno, dia ho rava izegny. 25 Ary raha misy tokan-trano miady an-andragno, de tsy hadigniela izegny toka-trano izeigny. 26 Raha nitsangana nanohitra ny tenany Satana ary nisaraka, de tsy haharitra, ka hifaragna . 27 Fa tsy misy afaka miditra ao amin'ny tragnona lehilahy mahery iray ary mandroba gny fananany Raha tsy mamatotra ilay mahery alongany, ary handroba gny andragnony izy abake. 28 Volagnoko aminare gny tena marina, ho voavela avokoa gny heloky gny zanak'Ologna, na de ireo tèny tsy tsara jiaby izay avoakan'ny vavany aza, 29 fa izay miteny tsy tsara ny Fanahy Masina kôza de tsy voavela heloka mandrakizay fa meloka nohon'ny ota mandrakizay." 30 Nanambara izegny Jesosy nohon'ny filazan'izy ireo hoe: "Manana fanahy tsy madi Izy." 31 Avitake de tonga gny reniny sy ireo rahalahiny ary nijoro takegny ivelagny. nandefa ôlo nampahalala Azy. 32 Nipetraka magnodidigna Azy gny fôkonolo Ahozy re taminy hoe: "Ny reninaosy re rahalahiny dia aka ivelany aka ary mitady ana Izy re." 33 Ary Izy namaly hoe: "Azovy no reniko sy rahalahiko?" 34 Ary nijery nagnodidina Azy Izy ary Ahozy hoe: "Jereo , ireto ny reniko sy ny rahalahiko! 35 Fa na zovy na zovy magnano gny sitrapon'Andriamanitra, dia izegny ôlo izegny no rahalahiko, sy anabaviko, ary reniko.