Toko faha 2

1 Kôfa niverigna takô Kapernaomy Izy afaka andro vitsivitsy, de nandre fô takô an-dragnö Izy . 2 Fôntry be ñy ôlô nitangorogna take kè tsy nisy antèragna kôaza, na de tambàva tamiàgna aza, avitake nagnambara ñy Bakôra tamin' njare Jesosy. 3 De nisy lalahy maromaro nagnotany Azy jègny nitôndra lalahy araika misy takaitra, jègny nibatain' ôlo efa-dahy. 4 Kôfa tsy afaka nagnatogna marikitra izy ire nohon' ny afontrin' ny fokon' ôlo, de nipohai-njare ñy tafotragno takà ambonin'i Jesosy, avitake kôfa voasôkatran-jare, de nampandrorôgnin-jare ny kitrara jègny nandrian' ny lalahy misy takètra. 5 Kôfa nahita ny finoagnan-jaré, die ahozy Jesosy tamin' ny lalahy manägna takaitra hoe: Zanako voavela ny helokanà." 6 Avake nisy asasany tamin-jare mpanora-dalana nantötro take, ka nimonomonogna takô am-pon-jare hoe: 7 " Karaköry no ahafahan' io lalahy io mivôlagna karaha-njegny? Mivôlagna raha tsy manjary Izy. Fô tsy Andriamanitra tôkana fô va no afaka mamela heloka?" 8 Fô Jesosy nahafantatra avy hatrany takô amin' ny fagnahiny ny raha nöeritreretin-jaré. Avitake ahozy Izy tamin-jaré fô: " Karakôry nare no mieritreritra jègny raha jègny akô am-pônandre? 9 Inö no môramôra kôkôa ny mivôlagna amin'ny lalahy misy taketra fô: ' Vovela ny heloka anà andraiky fô: ' Mitsangàna, batè ny kitraranà, de mandihàna'? 10 Fô mbô hahafantaranare fo managna fahefagna hamela ny heloka ety an-tany ñy Zanak'ôlo, ahozy Izy tamin'ilay manantakaitra fô: 11 " Volagniky aminá; mitsangàna , batè ñy kitraraná, de modià agny andragnoná anà." 12 De nody izy ka nibäta ñy kitràrany avy hatrany, kè nibôaka an'ilay tragnö magnolognan-jare jiaby, kè variàgna zare jiaby. Ke nagnome voninahitra an' Andriamanitra, kè ahozy ire fô: " Tsy mbôla nahita raha karaha ity zahé." 13 Aviakeo nibôaka také amoron-dranomasina ndreka Izy, kè nagnotany Anazy avokôa ñy fôkon'ôlo, ké nampianarin' zare. 14 Izy kôfa nandalo Izy, de nahita an' i Levy zanak' i Alfeo nantôtro take amin' ny toerana famoriagnan-ketra, ké ahozy Izy taminy fô: " magnaraha Ahy." De nitsagana izy kè nagnarak'Ananjy. 15 Nihinagna takô andragnön 'i Levy Jesosy kè ny mpandagnon-ketra sy ny ôlo fontry mpanota no niraidia-nihinagna taminy ndraiky ire mpianatra, fô fontry zare tô kè nagnarak' Ananjy. 16 Kè mpanoratra lalàna ire, jègny fariseo, raha nahita an' i Jesosy niraidia nihinagna tamin-jare ôlo mpanota ndraiky ire mpanangon- ketra, de nagnötany ñy mpianatra fô: Nagnino Izy miraidia misakafo amin'ny mpanangon- ketra ndraiky ôlo mpanota?" 17 Kôfa narègny an-jègny Jesosy de ahozy tamin-jaré fô: " Tsy ny salama no mila mpitsabo; fô jègny tsy salama araika fô no mila zegny. Tsy tônga hagnatso ôlo-marina Zàho, fô ñy ôlo mpanota." 18 Kè nifady hanigna ire mpianatr' i Jaona andraiky ire Fariseo. Vatandehilahy maromaro no nagnatogna Anazy kè nivôlagna tamin'ny fô: " Magnino ñy mpianatr' i Jaona ndraiky ny mpianatr 'ire Fariseo no mifady hanigna, fô ny mpianatranô kôza tsy mbô mifady?" 19 De Ahozy Jesosy tamin' zare fô: " Tokony mifady hanigny me ny mpampakatra kô mbôla akà ny mpampàkatra? Kôfa mbôla miraidia amin'zare ake ñy mpampàkatra, de tsy tôkony mifady hanigna zare. 20 Marivo ny andro hangalagna ny mpampàkatra akèo amin-jare, de amin-jègny andro jègny, no hifady hanigny zare. 21 Tsy misy manampina lamba vasoka amin'ny lamba vaovao, raha tsy jègny de iendaka aminy ilay tapa-damba, ny vaovao hiala tamin'ny taloha, kè vômeka ho tsy tsara ny faharotavany. 22 Kè tsy misy ôlo magnisy divay vaovao akô agnaty siny hoditra vasoka, raha tsy zegny de ho rota ny divay ny siny hoditra ka samy ho very ny divay sy ny siny hoditra. Fô kôza, divay vaovao atô akô agnaty siny hoditra vaovao." 23 Tamin'ny andro sabata Jesosy nandeha tagny ankôraka maromaro, kè nitetry nisangötra langombary ny mpianatra. 24 Dè ahozin-jareo Fariseo Taminy: "Jahavo, magnino ire no magnano raha tsy araky ny lalágnan' ny andro Sabata?" 25 De ahozy Izy tamin-jarere fô: "Mbôla tsy novakianare anga jègny natôn' i Davida raha takô agnatin' ny tsy fahampiagna ndraiky söloagna izy_ndraiky ire vatandehilahy niraidia taminy_ 26 karakôry ny fômba nitsôfôrany takô andragnön' Andriamanitra tamin' ny andron' i Abiatara mpisoronabe, kè nihinagña ny mofon' ny fanatrehána, jègny tsy ara-dalàna ho an-jôvy na zôvy ny mihinàgna azy afa-tsy ny mpisorona fô, kè mbôla nanomezany maromaro ire jègny niraidia taminy aza?" 27 Jesosy nivôlagna fô: Ny Sabata de natô ho an' ny zanak'ôlombelögno fô tsy ny zanak'ôlombelögno no ho an' ny Sabata. 28 Nohon' jègny, ny zanak' Ôlo no Tompo, na de amin'ny Sabata aza"