Filipiana Toko Faha 4

1 Amin'izany anareo rahalahy teko sady mahamanigna anaha, fifaleko sady satr-boninahitrako, amin'izany mijoroa tsara amin'ny Tompo, ry akamako malala. 2 Mengavy an'i Eodia aho, sady mengavy an'i Syntyke, miresa saigna aimn'ny Tompo. 3 Sady, mangataka aminao my koa aho, ry akamako raika zioga: Tahio ny viavy io. Satria iary zareo de niaraka niasa taminaha tamin'ny fagnamparitahana ny Filazantsara niaraka tamin'i Klemanta sy ny akamana tavela mpiara-miasa aminaha marobe, zegny efa ao amin'ny Bokin'ny Fiaignana ny anaran'iary zareo. 4 Mifalia fezay amin'ny Tompo. Zakaiko my , mifalia. 5 Aleo ho fantan'ny olon maro be ny fahatsoram-ponareo. Efa akeky ny Tompo. 6 Aza magnahy ndre amin'ino ndre amin'ino. Fa, amin'ny raha maro be koza avy amin'ny vavaka mban'ny fangatahana, miaraka amin'ny fisaorana, aleo ny fangatahanareo ho fantan'Andriamanitra. 7 Sady ny fiadanan'Andriamanitra, zay ambonin'ny fahalalana marobe, hiaro ny fonareo mban'ny fisaignanareo aro be amin'ny Kristy Jesôsy. 8 Farany, ry rahalahy, ndre ino ndre ino marina, ndre ino ndre ino manan-kaja, ndre ino ndre ino manan-drariny, ndre ino ndre ino madio, ndre ino ndre ino matsatsara, ndre ino ndre ino nizakaina fa tsara; na misy ndre ino ndre ino tena tsara, na misy ndre ino ndre ino tokony ho deraina, de mandiniha an'ny raha maro be io. 9 Ny raha zegny nenaranareo de niresinareo de regninareo sady hitanreo taminaha, ataovy ny raha io, sady ny Andriamanitry ny fiadagnana hiaraka aminareo. 10 Mifalia fatratra amin'ny Tompo aho satria navaozinareo my amin'izao ny fiheveranareo anaha. Efa nandinika anaha tegnany anareo taloha, fa tsisy fahafahana ho anareo mba hagnampy. 11 Tsy mizaka an'izany aho satria agnatin'ny tsy fahampiana. Fa efa nianatra ny hifaly amin'ny zegny toetran-draha miseho maro be aho. 12 Fantako ny hoe sahiragna sady fantako koa ny hoe manam-be. Amin'ny fomba maro be mban'ny ami'ny raha maro be de nianatra ny tsiamabarantelon'ny fihiananam-be mban'ny mosary aho, sady ny hoe manam-be mban'ny hoe agnatin'ny fagnampiana. 13 Afaka magnano ny raha maro be aho avy amin'ny mmampahery anaha. 14 Nefa, anareo de nagnano tsara taminaha my tamin'ny fasahiragnako. 15 Sady anareo Filipiana mafantatra fa tamin'ny fiandohan'ny filanzantsara, ndreka nenga tany Makedonia izaho, de tsisy fengonana nanohagna anaha na mahakasika fagnomezana mban'ny fandresana afa tsy anareo raika my. 16 Na tamin'izao tagny Tesalonika aza de nagnandefa fagnampena ho an'ny ndregny nilaiko nihôtra ny indraika mandeha anareo. 17 Tsy hoe miaragna fagnomezana izaho. Fa, de mba miaragna koza ny vokatra zegny mampiakatra ny voninahitrareo aho. 18 Nandray ny raha maro izaho, sady managna maro. Fa feno aho. Voraiko avy tamin'ny Epafrodito aby ny raha avy aminareo. Io de hanitra manim-pofogna, zegny rakitra azo ekena sady ankasitrahan'Aandriamanitra. 19 Sady ny Andriamanitrako hameno zegny raha maro ilainareo magnaraka ny harenan'ny voninahitrany amin'ny Kristy Jesôsy. 20 Sady ho an'Andriamanitra Abantsena ane ny voninahitra mandrakizay doria. Amena 21 Mangnmboara veloma an'ny mpino maro be amin'ny Kristy Jesôsy. Ny rahalahy zegny miaraka aminaha de magnano veloma anareo. 22 Ny mpino maro be zegny eto magnano veloma anareo, indrindra ma fa zegny avy amin'ny ankohonan'i Kaisara. 23 Ny fahasoavan'ny Tompo Jesôsy Kristy ane ho amin'ny fagnahinareo. [Fagnamarihana: Misy fandikana sanagny magnampy hoe: "Amena."]