Filipiana Toko Faha 3

1 Farany, ry rahalahy, mifalia amin'nyTompo.Tsy anahiragna anaha mintsy ny angerigna anoratra an'io raha io ho anareo. Io zavatra io de hiaro anaraeo. Tandremo tsara amin'ny amboa. 2 Mitandrema my koa amin'ny mpagnano ratsy. Ao my Koa ny olona misy tsigny. 3 Fa antsena de voafora . Sady manompo amin'ny Fanahin'Andriamanitra my koa. Sady antsena de mirehareha amin'i Kristy Jesosy, tsy mitoky amin'ny nofo. 4 Ndre izany aza, izaho tegnako my de afaka mitoky amn'ny nofo. Na misy olona mihevitra fa izy de managna fahatokisana amin'ny nofo, afaka magnano mihôtra ambonin'izany aho. 5 Noforaina tamin'ny andro fahavalo aho, teraka tamin'ny vahoakan'ny Israely, tamin'ny fokon'ny Benjamina, Hebreo tamin'ny Hebreo io aho; magnaraka ny lalàna, de Fariseo aho. 6 Tamin'ny fahazotom-po, de nagnanjaka ny fengonana aho; Na amin'ny fahamarinana amban'ny lalàna, de tsy nanan-tsiny aho. 7 Fa ndre ino ndre ino tombony ho anahan de niresiko kara fatiantoka izany avy amin'i Kristy. 8 Ny tena marina mako, nataoko ho faty antoka aby ny raha marobe avy amin'ny halebiazan'ny fahalalana an'i Kristy Jesôsy Tompoko. Avy amin'Azy de nareko ny raha marobe. Eritreretiko ho fako izany mba hahazoako an'i Kristy 9 sady ho hita amin'Azy aho. Tsy managna fahamarinana ho an'ny tegnako avy amin'ny lalàna aho. Fa, managna fahamarinana koza zegny avy tamin'ny finoana an'i Kristy aho, fahamarinana avy amin'Andriamanitra zegny mifototra amin'ny finoana. 10 Ka amin'izao de te hahalala Azy mban'ny herin'ny fitsanganany tamin'ny maty mban'ny fiombonana amin'ny fijalena aho. Te hiova amin'ny Kristy aho mba hitovizana amin'ny fahafatesany, 11 mba hatonga anaha hatsapa ny fitsanganana amin' ny maty. 12 Tsy marina fa efa nandray an'ny raha marobe io aho, na hoe tonga lafatra aho. Fa magnano zegny azoko atao aho mba handrombaka ny nandrombahan'i Kristy Jesôsy anaha. 13 Ry rahalahy, tsy tagnatin'ny saignako fa hoe ny tegnako de efa nandrombaka an'izany. Fa misy raha raika: afara agny de adignoiko izany de atao zegny hatonga anaha ho aloha eo fezay. 14 Ataoko zegny hatratrarako ny tanjognako amin'izay mahazo lokan'ny antso avy ambony avy amin'Andriamanitra amin'i Kristy Jesôsy. 15 Antsena marobe zegny matotra, ndao mba hieritreritra karan'izany; sady na misy eritreritra hafa momba ny raha maro be, de ho atoron'Andriamanitra aminareo my koa izany. 16 Nefa, ndre ino ndre ino de efa trantrantsena, ndao hifikitra amin'izany. 17 Alainareo tahaka aho, ry rahalahy. Diniho akeky zegny mandeha karan'ny ohatra zegny hitanareo aminay. 18 Maro ny mandeha _ zegny efa nizaikaiko anareo matetika, sady amin'izao de mizaka aminareo amin'alahelo aho _ karan'ny fahavalon'ny hajofijalen'i Kristy. 19 Fagnapotehina ny fiafaran'iary zareo. Ny kibony no andriamaniny, sady fireharehan'iary zareo de amin'ny fahamegnarany. Ny rahan'izao tontolo izao no agnatin'ny lohan'iary zareo. 20 Fa agny an-danitra ny fanjakantsena, zay hiandrasantsena Mpamonjy my koa, de ny Tompo Jesôsy Kristy. 21 Izy de hagnova ny vatagnantsena zegny malemy mba ho vatagna mitovy amin'ny vatagny feno voninahitra, zay namborina tamin'ny herin'ny fahefany mba hampagneky ny raha marobe amin'ny tegnany.