Toko faha 5

1 Ndreka nahita ny Fokonolona Jesôsy, de niakatra tan-tendrombohitra. Ndreka tafapetraka Izy, de nagnatogna an'Azy ny mpianatrany. 2 Namoa ny vavany Izy de nampianatra an'iary zareo, magnano hoe: 3 " Sambatra ny tsy manam-pagnahy, fa an'iary zareony fanjakan'ny lanitra. 4 Sambatra ny misaona, fa hampiononina iary zareo. 5 Sambatra ny malemy ny fagnahy, fa iary zareo no handova ny lanitra. 6 Sambatra zegny mosarena sy te mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky iary zareo. 7 Sambatra ny mpamindra fo, fa hahazo famindram-po iary zareo. 8 Sambatra ny madio am-po, hahita an'Andriamanitra iary zareo. 9 Sambatra ny mpampihavana, fa iary zareo no antsovana hoe zanak'Andriamanitra. 10 Sambatra zegny anjehina avy amin'ny fahamarinana, fa an'iary zareo ny fanjakan'ny lanitra. 11 Sambatra anareo ndreka maniratsira anareo sady magnenjika anareo ny olona, de mizaka ny karazana hafetsy ratsy marobe hidrikina anareo avy aminaha. 12 Mifalea de miravoravoa, fa lehibe ny valisoanareo agny an-danitra. Fa karan'izany ny fomba nagnenjehan'ny olona ny mpaminany zegny niaigna talohanareo. 13 Anareo no sira ny tany. Fa ndreka ny sira no lasa matsatso, amin'ny fomba ino no ampasira zany ndreka? Tsy ho tsara na agnino na agnino koa zany fa harena sy ho disain'ny tongotran'olona tavela. 14 Anareo de fazavan'izao tontolo zao. Ny tanàna namboarina tegny ambony de tsy azo asitrika koa 15 Tsisy olona mamelona jiro ka mametraka zany agny ambany tanty, fa egny amin'ny fipetrahan-jiro, de magnazava ny olona maro an-dragno ao zany. 16 Ôka hazava egny alohan'ny olona kara izany fomba zany fahazavanareo mba ahitan'iary zareo ny asa tsara ataonareo de ankalazana ny Abanareo zay agny an-danitra. 17 Aza meritreritra hoe avy handrava ny lalàna na ny mpaminany zaho. Tsy avy hamotika Aho, fa hagnatanteraka an'iary zareo. 18 Fa zakaiko marina aminareo aminareo fa mandra-pahaleovan'ny lanitra mban'ny tany, de ho fôgna amin'ny lalàna na de litera raika sy tendro-tsoratra raika ndre, mandrapantanteraka ny raha marobe. 19 Avy amin'ny zany na zovy na zovy mandika ndre bitaka aza amin'nu didy sy mpampianatra ny sasany agnano kara zany de antsovana koa hoe bitaka be agny amin'ny fanjakan'ny lanitra. Fa na zovy na zovy magneky sady mampianatra de hoa antsovana koa hoe agnonabe agny amin'ny fanjakan'ny lanitra. 20 Fa zakaiko aminareo fa ndreka tsy mihoatra ambonin'ny an'ny mpanora-dalàna mban'ny Fariseo ny fahamarinanareo, de tsy hiditra agny amin'ny fanajakan'ny lanitra mihitsy anareo. 21 Efa regninareo fa vôzaka tamin'iary zareo taloha hoe: 'Aza mamono olona,' de na zovy na zovy mamono olona de ho vôheloka agny amin'ny fitsarana.' 22 Fa zakaiko aminareo fa zay vignitra amin'ny rahalahiny de tsara raha vôheloka agny amin'ny fitsarana; de na zovy na zovy mizaka ny rahalahiny hoe: Anao olona fahatany!' de vôheloka agny amin'ny filan-kevitra; de ndre iza ndre iza mizaka hoe: 'Foka anao!' de mendrika ny ho any amin'ny farihy mirehitra afo. 23 Amin'izany raha magnome ny rakitra egny amin'ny fahitana anao ka tadidinao teo fa managna alahelo aminao ny rahalahinao, 24 de avelay eo alohan'ny alitara ny rakitranao, ka mandehana zory ny lalagnanao. Mevàna aloka amin'ny rahalahinaon de avy eo meregna de omeo ny rakitranao. 25 Mevàna malaky amin'ny mpagnatoro anao raha mbola miara-dia amin'azy agny amin'ny fitsarana anao, fa sô de ny mpagnatoro anao hagnome anao amin'ny mpitsara, de ny mpitsara mety hagnome anao amin'ny manam-boninahitra, de ampidirina am-pigadrana. 26 Zakaiko marina aminareo, fa tsy ho afaka mivôka ao mihitsy anao mandra-pandoavanao ny vola ndregny farany bitaka amin'ny trosanao. 27 Efa regninareo fa nizakaina hoe: 'Aza mijangajanga.' 28 Kanefa zakaiko aminareo fa zegny mijery mizaha viavy ka magniry an'azy de efa nijangajanga tagnatin'ny fony sahady. 29 Raha manafitohigna anao ny masonao ankavanana, de alay zany ka atsipio alavitra anao. Fa tsara raha ny pakilany amin'ny vatagnanao no tokony ratena fa tsy ny tegnanao marobe no atipy agny amin'ny helo. 30 Na manafitohignanao anao ny tagnanao ankavanana, de tapay ka atsipio lavitra menga aminao. Fa tsara ho anao raha ny pakilany raika amin'ny vatagnano no tokony very fa tsy ny tegnanao rehetra no atsipy agny amin'ny helo. 31 Da efa vôzaka koa hoe: ' Na iza na iza misaraka amin'ny vadiny, de ôka izy hagnome ny taratasy fisara-panambadena.' 32 Fa izaho koza mizaka aminareo fa egny misaraka amin'ny vadiny, afa-tsy avuy amin'ny fijangajangana, de mampijangajanga an'azy. Na zovy na zovy manambady afaran'ny fisarahany de mijangajanga. 33 Regninareo fa vôzaka tamin'ny Ntaolo hoe: 'Aza mianiana fianianana diso, fa indosy eo alohan'ny Tompo ny fianiananao.' 34 Fa izaho koza mizaka aminareo aza, aza mianiana amin'ny raha marobe, na main'ny lanitra aza, fa seza fiandrianan'Andriamanitra zany; 35 na amin'ny tany, fa fitomeran-tongotrany zany; na amin'ny Jerosalema, fa tanànan'ny mpanjaka lehibe zany. 36 Aza mianiana amin'ny lohanao, fa tsy afaka magnafotsy na magnamintigna ny silaka randrana raika anao. 37 Fa Ôka ny zakanao ho, 'Eny, eny,' na 'Tsia, tsia.' Zegny mihôtra zany de avy amin'ny ratsy. 38 Regninareo fa nizakaina hoe: 'Maso solon'ny maso, de nify solon'ny nify.' 39 Fa zaho koza mizaka aminareo hoe, aza manohitra zegny ratsy. Fa koza, ndre iza ndre iza manefaka ny takolakanao ankavanana de omeo an'azy koa ny ilany. 40 De ndreka misy olona magniry ny hiaraka aminao ho agny amin'ny fitsarana ka mangalaka ny akanjonao, de avelay hôn'azy agny ny lambanao. 41 Na zovy na zovy manery anao handeha kilometatra raika, mandiana aminy amin'ny kilometatra roy, 42 Omeo ndregny mangataka aminao, de az mandà na zovy na zovy magniry hindrana aminao. 43 Efa regninareo fa nizakaina hoe: 'Tsy maintsy mankatia ny mpiara-belogna aminao anao de mankahalà ny fahavalonao. 44 Fa zakaiko aminareo, tiavo ny fahavalonareo de mivavaha ho an'ny zegny magnenjika, [Fagnamarihana: Ny dikan-teny taloha tsara be de manga la ny hoe: ""Misaora ny izay magnozogna anareo, magnamboara ny tsara amin'ny zegny malaigna anareo.""] 45 mba ho tonga zanaky ny Abanareo zay an-danitra anareo. Fa Izy de mampipôsaka ny masoandrony amin'ny ratsy mban'ny tsara sady mandrotsaka orana amin'ny marina mban'ny tsy marina. 46 Fa na zegny tia anareo my tiavinareo, ino arika ny valisoa azonareo? Ndre ny mpamory hetra ma ka tsy magnano karan'izany koa va? 47 Na ny rahalahinao raika my no arabahinareo, ino ny ataonareo mihôtra ny hafa? Ndre ma ny Jentilisa aza tsy mba magnano karan'izany koa? 48 Amin'izany de tsy maintsy tanterakaanareo, kara ny fahatanterahan'ny Abanareo zay an-danitra agny