Toko faha 4

1 Aveo Jesôsy de nandaon'ny Fanahy ho amin'ny tany tsisy raha mba halain'ny devoly fagnahy. 2 Ndreka avy nifady hanina efapolo andro, efapolo alina Izy, de mosarena. 3 Nagnatogna an'Azy ny mpangala fagnahy de nizaka tamin'Azy hoe: "Na zanak'Andriamanitra tegnany Anao, de zakay hanjary mofo vato itôgny." 4 De namaly Jesôsy ka nizaka hoe: "Vôsoratra hoe: 'Tsy mofo foatsiny hiveloman'olona fa zegny raha marobe zakain'ny vavan'Andriamanitra." 5 Aveo de nitaritin'ny devoly tamin'ny tanàna masina Izy ka napetrakany tamin'ny farany ambony tamin'ny tempoly, 6 sady nizaka tamin'Azy hoe:"Na Zanak'Andriamanitra tegnany Anao, de milatsaha ambany agny, fa vôsoratra hoe: "Izy hagniraka ny anjeliny hiaro anao' sady 'hananty Anao amin'ny tagnan'iary zareo, ka tsy ho tafantohina amin'ny vato tongotranao."' 7 De nizaka taminazy Jesôsy hoe: "De mbola vôsoratra koa hoe: 'Aza mangala fagnahy an'ny Tompo Andriamanitrao anao."' 8 De nandaony devoly tamin'ny toerana agnambo be ndreka Izy ka nagnatoro an'Azy ny fanjakana marobe amin'izao tontolo izao mban'ny hatsaran'io. 9 Ka nizaka taminazy izy hoe: "Omeko Anao aby raha marobe io, ndreka miondrika sady midera anaha agnatrehako eto Anao." 10 Aveo de nizaka taminazy Jesôsy hoe: "Mengà teto anao, a Satana! Fa efa vôsoratra hoe: 'Anao de hidera ny Tompo Andriamanitrao, sady Izy raika my hotompoinao."' 11 Aveo de niala an'Azy ny devoly, de igny fa, nisy Anjely tonga nanompo an'Azy. 12 Ndreka regnin'i Jesôsy fa vôsambotra Jaona, de nierigna tagny Galilia Izy. 13 Nengàny Nazareta de nandeha Izy nipetraka tao Kapernaomy, zay teo amoron-dranomasin'ny Galilia, tamin'ny anjara-tanin'i Zebolona sy Naftaly. 14 Izany de niseho mba hatanteraka ny raha nizakain'Isaia mpaminany hoe: 15 "Ny tanin'i Zebolona mban'ny tanin'i Naftaly, mandeha andranomasina, agnilan'i Jordana, Galilia an'ny Jentilisa! 16 Zegny olona nipetraka tamin'ny mizigna de nahita fahazavana lehibe, de zegny nipetraka tamin'ny tandindognan'ny fahafatesana, de tamin'iary zareo no nivoahan'ny hazavana." 17 Ka tamin'io fotôna io Jesôsy de nanomboka nitory teny de nizaka hoe: "Mibebaha, fa efa marivo ny fanjakan'ny lanitra." 18 Ndreka nandeha tamoron-dranomasin'i Galilia Izy, de nahita ampiralahy roy, Simôna antsovana hoe Petera, de i Andrea ampirahalahy amin'azy, nanipy ny haratony tan-dranomasina, fa mpagnarato iary zareo. 19 Nizaka Jesôsy tamin'iary zareo hoe: "Andao hagnaraka Anaha, fa hataoko mpagnarato olona anareo." 20 Tselatsela teo my de nagnambela ny haratony iary zareo de nagnaraka an'Azy. 21 Na mbola nandeha Jesôsy de nahita ampiralahy hafa ankôtran'izy roy, de i Jakoba zanak'i Zebedeo, de i Jaona ralahiny.Nagnano ny haratony tan-dakana iary zareo niaraka tamin'i Zebedio iaban'iary zareo. Nagnatso an'iary zareo Izy, 22 Tselatsela teo my de nilôzan'iary zareo ny lakanany mban'ny Iabany de nandeha nagnaraka an'Azy. 23 Nandeha nagneragnan'i Galilia Jesôsy, nampianatra tam-piangonan'iary zareo, nitory ny filazatsaran'ny fanjakana, sady nagnafaka karazan'aretina maro be mban'ny marary maro be tamin'ny olona. 24 Niparitaka nagneragna an'i Syria ny vaovao mikasika an'Azy, de nandaon'olona tamin'Azy aby ndregny marary maro be, mararin'ny karazan'aretina sy fijalena, ny misy devoly, de zegny tratra boloka mban'ny rekitra. Nafahan'i Jesôsy iary zareo. 25 Fokonolona marobe avy tagny Galilia, Dekapôlisy, Jerosalema, Jodia mban'ny avy agnilan-dranon'i Jordana de nagnaraka an'Azy.