Toko faha 26

1 Ndreka vitan'i Jesôsy raha nizakainy marobe zany , de nizaka tamin'ny mpianatrany Izy hoe: 2 "Fantatrareo fa afaka roy andro ny Paska,de hatolotra hifantsiana amin'ny hazofijalena ny Zanak'Olona." 3 Aveon'igny lehiben'ny mipsorona be, nantsovana hoe Kaiafa. 4 Niaraka nagnano tetika iary zareo mba hanamborana mangina an'i Jesôsy sady hamonôna Anazy. 5 Fa nizaka iary zareo hoe: "Tsy amin'ny fety, mba tsy ampisy korontagna amin'ny olona. 6 Ka Jesôsy ndreka ta-Betania tan-dragnon'i Simôna boka, 7 ndreka nipetraka nihinagna tambony latabatra, de nisy viavy raika nanagna tavoara alabastara feno menaka lafo vidy nagnatogna Anazy; de nararagny tamin'ny lohany zany. 8 Fa ndreka hitany mpianatrany zany, de vignitra iary zareo ka nizaka hoe: "Ino ndreka dikan'io fandanena io? 9 Afaka namidy lafo io de namena ny sahiragna." 10 Fa Jesôsy, nahafantatra an'izany, de nizaka an'iary zareo hoe: "Nagnino anareo na manahiran-tsaigna an-draviavy? Ka raha tsara an'i arô nataony taminaha. 11 Aminareo eo magnalinandro ny sahiragna, fa Izaho de tsy ho aminareo magnalinandro. 12 Fa ndreka nandraraka an'igny menka magnitra igny tamin'ny vatagnako izy, de nataon'ny ho an'ny fandivegnana Anaha izany. 13 Zakaiko marin aminareo, n'aza n'aza hitorena ny filazantsara eto amin'izao tontolo marobe izao, zay nataony viavy ity de zakaiko my koa ho fahatsarovana an'azy." 14 Aveo ny raika tamin'ny mpianatra roy ambinifolo, antsovana hoe Jodasy Iskariota, nandeha tamin'ny lehiben'ny mpisorona 15 ka nizaka hoe: "Omenareo ôtrino aho agnomezako Anazy anareo?" Nandanja volafotsy madinika telopolo iary zareo ho anazy. 16 Tamin'ny fotôna io de niaragna fahafahana izy mba hanolorana an'Azy amin'iary zareo. 17 tamin'ny andro vôlohan'ny mofo tsisy lalivay de nagnatogna an'i Jesôsy ny mpianatra ka nizaka hoe: "Aza ny tenao hagnomagnanay ho Anao hihinagna ny hanina ny Paska? 18 Namaly Izy hoe: "Midira an-tanàna misy lilahy raika de zakay izy hoe: 'Nizaka ny Mpampianatra hoe: "Efa akeky ny fotônako. Andragnonao Aho no hagnano paska miaraka amin'ny mpianatrako."'" 19 Natàn'ny mpianatra mitovy amin'izay nandidin'i Jesôsy izany, de nikarakara ny haninan'ny paska iary zareo. 20 Ndreka aligna ny andro, de nipetraka nihinagna niaraka tamin'ny mpianatra roy ambin'ny folo Izy. 21 Ndreka nihinagna iary zareo, de nizaka Izy hoe: "Zakaiko marina aminareo fa hisy raika aminareo hamadika Anaha." 22 Nalahelo iary zareo sady nanomboka nagnotany an'Azy ny tsiraidraika hoe: "Tsy izaho mihitsy, ry Tompo?" 23 Namaly Izy hoe: " Izay niaraka nagnatosoboka ny tagnany taminaha tagnatina kopy no hamadika Anaha. 24 Handeha ny Zanak'Olona, araka zay efa vôsoratra mikasika Anazy. Nefa lozan'ny olona zay hamadika ny Zanak'Olona! Tsara tokôtra ho an'olona karan'izany no tsy teraka mihitsy." 25 Jodasy, zay hamadika an'Azy nizaka hoe: " Izaho ma izany,a Raby?"Nizaka Izy tamin'azy hoe: "Vôlazanao." 26 Ndreka mbola nihinagna iary zareo, de nangala mofo Jesôsy, de nisaotra, sady nanapaka an'zany. Nomeny ny mpianatra zany sady nizaka hoe: "Reso, ka hoano. Ity no vatagna anaha." 27 Nandray ny kapôka Izy de nisaotra, sady nagnome an'izany an'iary zareo de nizaka hoe: "Anareo marobe, ho ano ity. 28 Fa ity ny ran'ny fagnekem-pihavanana arotsaka ho an'ny maro ho famelan-keloka. 29 Fa zakaiko aminareo, fa tsy hinagna vokatran'ny vôloboka koa Aho, mandra-peven'ny fihinanana vaovao hiarahako aminareo agny amin'ny fanjakan'ny Iabako." 30 Ndreka nihira hira fiderana iary zareo, de nandeha tegny amin'ny tendrombohitran'i Oliva. 31 Aveo nizaka Jesôsy tamin' iary zareo hoe: "Anareo marobe de handao Anaha noho ny aminaha niany alina, fa vôsoratra hoe: 'Hamely ny mpiandry ondry Aho de hiparitaka ny ondry.' 32 Fa afaran'ny fitsanganako amin'ny maty de hialoha lalagna anareo agny Galilia." 33 Fa Petera nagnano Tamin'Azy hoe: Na de hiala nohon'ny amin'Anao aza ny marobe, izaho tsy mba hiala Anao mihitsy." 34 Nizaka Jesôsy tamin'azy hoe: " Zakaiko marina aminao, fa niany alina na de mbola tsy magneno akoho, de handà Anaha intelo anao." 35 Petera nizaka tamin'Azy: " Na de tsy mentsy ho faty miaraka Aminao aza aho, de tsy handà Anao." Karan'izany aby koa no nizakain'iary zareo mpianatra hafa. 36 De Jesôsy nandeha niaraka tamin'iary zareo nandeha tamin'ny tanàna antsovana hoe Getsemane ka nizaka tamin'ny mpianatra Anazy hoe: "Mipetraha eto fa mbola handeha hivavaka ery Aho." 37 Nitondra an'i Petera mban'ny zanak'i Zebedio roy lahy Izy de nanomboka nalahelo sady ory. 38 Aveo nizaka Izy tamin'iary zareo hoe: "Mijaly ny fagnahiko, kara ny efa ho faty. Mipetraha eto de membena miaraka Aminaha." 39 Nisitaka bitaka Izy, nandondogna sady nivavaka. Nizaka Izy hoe: "Ry Raiko, na mety, de mba alay Aminaha ity kapoka ity. nefa, ôka tsy araky ny sitrapoko, fa ny sitraponao." 40 Nagnantogna ny mpianatra Izy ka nahita an'iary zareo nahazo tory, Nizaka Izy tamin'i Petera hoe: "Nagnino,ma na tsy mavita miambina miaraka Aminaha anareo na de adiny raika aza? 41 Membena de mivavaha mba tsy ho azon'ny fakam-pagnahy anareo. Mety my ny fanahy, fa ny nofo no malemy." 42 Mbola nandeha ampagnindroiny Izy ka nivavaka. Nizaka Izy hoe: "A Iabako, ra ôtrany ka tsy azo alaina aminaha ity raha tsy mihinagna Aho, de atao anie ny sitraponao." 43 Nierigna ndreka Izy de mbola nahita an'iary zareo nandry, fa navesatra ny mason'iary zareo. 44 Ka niala an'iary zareo ndreka Izy, ka nandeha nivavaka fagnitelony; nizaka ny zaka io my. 45 Aveo Jesôsy nagnatogna ny mpianatra ka nagnano tamin'iary zareo hoe: " Mbola mandry sady mangala arobihana ma anareo? Jerevo, efa marivo ny lera, sady ny Zanak'Olona de hatolotra antagnan'ny mpanota. 46 Mitsangàna, andao antsena. Jerevo, efa marivo ny hamadika Anaha." 47 Raha mbola nizaka Izy, de tonga Jodasy, raika tamin'ny roy ambin'ny folo. Nisy fokonolona maro niaraka tamin'azy avy amin'ny lehiben'ny mpisorona mban'ny loholona. Tonga niaraka tamin'ny sabatra mban'ny langilangy iary zareo. 48 De nagnome famantarana an'iary zareo lilahy hamadika an'i Jesôsy, magnano hoe: "Zegny fagnorohako, no Izy. Sambory Izy." 49 Teo no ho eo my de nagnatogna an'i Jesôsy iary zareo nizaka hoe: "Finaritra, Raby!" De nagnoroka an'Azy izy. 50 Hoy Jesôsy tamin'azy hoe: "A akama, atôvy zegny anton-dianao eto." Avy eo tonga iary zareo, nagnampatra tagnana tamin'i Jesôsy, sady nanambotra an'Azy. 51 Igny an, raika tamin'ny zegny niaraka tamin'i Jesôsy nagnampatra ny tagnany, nangala ny sabatrany, nanapaka ny mpanompon'ny mpisoronabe, sady nampenga ny tadigniny. 52 Avy eo hoy Jesôsy tamin'azy hoe: "Aeregno amin'ny pilasiny ny sabatranao, fa zegny mangala sabatra de hivonina amin'ny sabatra. 53 Anareo ma ka mieritreritra fa tsy afaka magnantso an'ny Abako Aho, sady Izy de afaka magnandefa tafika mihôtra ny roy ambin'ny folo ho Anaha? 54 De atao akory izany hagnatanteraka ny Soratra Masina, zay mizaka fa tsy mentsy hiseho izany?" 55 Tamin'izany andro izany Jesôsy nizaka tamin'ny fokonolona hoe: "Avy miaraka amin'ny sabatra mban'ny langilangy hisambotra Anaha kara ny dahalo ma anareo? Isan'andro de nipetraka namapianatra teo amin'ny tempoly Aho, fa tsy nisamborinareo. 56 Fa izany raha marobe izany de niseho mba hagnatanterahana zegny vôsoratran'ny mpaminany." Avy eo nandao Azy ny mpianatra marobe ndreka nilefa. 57 Nidaon'iary zareo zegny nanambotra an'Azy tagny amin'i Kaiafa mpisoronabe Jesôsy, zay nivorenareo mpanora-dalàna mban'ny loholona. 58 Fa Petera nagnaraka an'Azy avy alavitra nandeha amin'ny kianjan'ny mpisoronabe. Niditra tagnatiny iary zareo sady nipetraka niaraka tamin'ny mpiandry raharaha mba hahita zegny hefarany. 59 De iary zareo lehiben'ny mpisoronabe mban'ny Synedriona marobe de niaragna fempangana tsy maarina manohitra an'i Jesôsy, mba mety ahafahan'iary zareo mamono an'Azy. 60 Tsy nahita na ino na ino iary zareo, na de misy mpijoro vavolombelona maro tsy marina tonga aza teo. De afaka kelikely de nisy roy tonga nagnantogna teo 61 de nizaka hoe: "Io lilahy io de nizaka hoe: ' Afaka mandravany Tempolin'Andriamanitra Aho sady manangana an'izany ndreka afaka telo andro.'" 62 Nitsangana ny mpisoronabe ka nagnano tamin'azy hoe: Tsy managna havaly ma Anao? Ino zany hitorian'iary zareo Anao izany?" 63 Fa nangina Jesôsy. Nizaka ny mpisoronabe tamin'Azy hoe: "Mandidy Anao amin'ny alalan'Andriamanitra velona aho, zakay Aminaha raha Anao Kristy, Zanak'Andriamanitra." 64 Jesôsy namaly an'Azy hoe: "Vôlazanao. Fa zakaiko aminareo, manomboka amin'izao de ho hitanareo ny Zanak'Olona hipetraka an-tagnana ankavanan'ny Hery, sady ho tonga amin'ny rahognan'ny lanitra." 65 Avy eo ny mpisoronabe nandrota ny akanjony sady nizaka hoe: "Nizaka ratsy Izy! Nagnino antsena na mbola mila mpijoro vavolombelona? Indro, regninareo ny fizakana ratsy zany. 66 Ino hevitranareo?" Namaly iary zareo nagnano hoe: " Magneva maty Izy." 67 Avy eo iary zareo nandrora tamin'ny tarehiny sady namango an'Azy, 68 de nagnome raratefaka an'Azy, sady nagnano hoe: "Maminania aminay, ry Kristy. Iza no namely Anao?" 69 De nipetraka tambelagnan'ny kianja Petera, de nisy mpanompo viavy tonga nagnatogna an'azy nizaka hoe: "Anao my koa de niaraka tamin'i Jesôsin'ny Galilia." 70 Fa nandà an'izany tamin'iary zareo teo izy, magnano hoe: "Tsy fantako raha koragninareo zany." 71 Ndreka nivôka ny vavahady izy, de nisy mpanompo viavy hafa nahita an'azy sady nizaka tamin'ny zegny teo hoe: "Ity lilahy ity my koa de niaraka tamin'i Jesôsy avy agny Nazareta." 72 Mbola nandà ndreka izy niaraka tamin'ny fianianana hoe : "Tsy fantako zany lilahy zany!" 73 Ndreka afaka kelikely de nagnatogna an'ny zegny nitsangana teo sady nizaka tamin'i Petera hoe: "Anao my koa de tena raika amin'io, fa ny fomba fikorananao de mempanga anao." 74 Avy eo izy nanomboka nagnozogna sy nianiana ka nagnano hoe: "Tsy fantako zany lilahy zany." Ary teo no eo de nagneno ny akoho. 75 Tadidin'i Petera ny zaka nanmbaran'i Jesôsy hoe: "Mbola tsy magneno akoho de handà Anaha intelo anao." Avy eo izy nivôka sady nitomagny be.