Toko faha 25

1 Ny fanjakan'ny lanitra de karan'ny virjiny folo izay nangalaka ny jirony ka nandeha nihaogna tamin'ny mpampakatra. 2 Foka ny dimy tamin'iary zareo fa ny dimy koza kanty. 3 Ndreka nitondra ny jirony iary zareo virjiny foka de tsy nitondra solika niaraka tamin'azy. 4 Fa iary zareo virjiny kanty koza de nitondra fampirimana solika niaraka tamin'ny jirony. 5 Ka ndreka tara ny mpampakatra, de torizina izy marobe ka nandry. 6 Fa tamin'ny sasak'alina de nisy feo nagnantso mafy hoe: "Igny, ny mpampakatra ! mivoaha mba hiaogna amin'azy." 7 Aveo niarina ny virjiny marobe ka nikarakara ny jirony. 8 Nizaka iary zareo foka io tamin'iary zareo kanty hoe: Mba omeo tapany amin'ny solikanareo anay fa efa ho faty ny jironay. 9 Fa namaly iary zareo kanty ka nizaka hoe: " Sô de tsy ho ampy anay sady tsy ampy anareo, mandàna koza mividy agny amin'ny mpivarotra ho an'ny tegnanareo." 10 Ndreka nandeha nivanga iary zareo de tonga ny mpampakatra,de zegny efa vognona de niara-nandeha tamin'azy ho ao amin'ny fanasam-panambadena, ka nihidy ny vavahady. 11 Ndreka afaka zany de tonga koa ny virjiny sanagny ka nizaka hoe: " Tompoko, Tompoko, mba vohay izahay." 12 Fa namaly izy de nizaka hoe: "Zakaiko marina aminareo, tsy mafantatra anareo aho." 13 Koa amin'izany membena, fa tsy fantatrareo ny andro na ny lera. 14 Fa izany de kara ny lilahy raika zay handeha ho agny amin'ny firenenan-kafa. Nagnantso ny mpiasany izy ka nampitantana an'iary zareo ny harenany. 15 Ny raika tamin'iary zareo nameny talenta dimy, ny raika hafa nameny roy de ny raika hafa koza nameny talenta raika. Ny tsirai-draika de samby nangalaka talenta zay hainy aby, de nandeha tamin'ny deny zany lilahy zany. 16 Ny raika zegny nangalaka talenta dimy de nandeha teo no ho eo ka nampiasa ka nahazo talenta dimy hafa. 17 Karan'izany koza ny raika zay nahazo talenta roy nahazo roy hafa. 18 Fa ny mpiasa raika zay nahazo talenta raika koza, nandeha ka nangady lavaka tamin'ny tany, ka nadevigna ny volan'ny mpampiasa anazy 19 Ka fotôna ela taty afara de niherigna ny mpampiasa ny mpiasany de nandamin-draharaha tamin'iary zareo. 20 Niditra ny mpiasa nahazo talenta dimy sady nitondra talenta dimy hafa. Nizaka izy hoe: "Tompoko, namenao talenta dimy izaho. Ka nampitombo talenta dimy hafa aho." 21 Nizaka ny mpampiasa tamin'azy hoe: " Tsara izany ry mpiasa tsara sady mahatoky! Natoky tamin'ny raha vitsivitsy anao. Zaho hampandrekitra anao amin'ny raha maro. Midira amin'ny fifalen'ny mpampiasanao." 22 Ny mpiasa nahazo talenta roy de nagnantogna ka nizaka hoe "Mpampiasa, namenao talenta roy aho, igny, de nampitombo talenta roy hafa ." 23 Nizaka an'azy ny mpampiasa hoe: 'Tsara zany, ry mpiasa tsara sady mahatoky! Nahatoky tamin'ny raha vitsitsy anao. Zaho hampiandrekitra anao amin'ny raha maro. Midira amin'ny fifalen'ny mpampiasanao.' 24 Aveo ny mpiasa nahazo talenta raika de nagnantogna sady nizaka hoe: "Mpampiasa, fantako fa lilahy hentitra anao. Mambely egny amin'izay tsy namafazanao anao, sady mangorogna vokatra egny amin'izay tsy nambolenao. 25 Natahotra aho, ka nandeha nagnamony ny talentanao tangatin'ny tany. Jerevo, igny zany anao. " 26 De namaly anazy ny mpampiasany de nagnano tamin'azy hoe:" Anao mpanompo ratsy sady malaigna, fantanao fa zaho de mambely amin'izay tsy namboleko sady mangorogna vokatra amin'izay tsy namboleko. 27 Amin'izany de tokony nomenao ny mpanjana-bola ny volako, ka ndreka nierigna iaho de nandray nenaha miaraka amin'ny tombony. 28 Ka amin'izany alay amin'azy agny ny talenta de omeo an'ny mpiasa zay managna talenta folo zany . 29 Fa zegny managna de omena be kokoa mihôtra lavitra aza. Fa ho an'iary zareo zegny tsy mbola managna na ino na ino koza, ndregny anagnany de alaina amin'azy. 30 Areo agny amin'ny mizigna agny ambelagny ny mpiasa tsy tsara, agny no misy fitomagnena mban'ny fikotroha-nify. 31 ka ndreka tonga amin'ny voninahitrany Zanak'Olona mban'ny anjely marobe miaraka Amin'Azy, de hipetraka eo amin'ny seza fihandrihanan'ny voninahitrany Izy. 32 De ny firenena marobe de haotrika eo alohany, de hampiavaka ny olona raika amin'ny ny raika hafa Izy, mitovy amin'ny ny mpiambina ondry mampiavaka ny ondry amin'ny osy. 33 Hametraka ny ondry ankavananan'izy, de ny osy ankaviany. 34 De ny mpanjaka hizaka amin'iary zareo zay eo an-tagnan-kavanany hoe: 'Malaky, anareo zegny notahin' Iabako, mandovà ny fanjakana zay efa vôhomagna ho anareo hatramin'izay namoronana an'izao tontolo izao. 35 Fa mosarena Aho de nomenareo hanina; te hinan-drano nomenareo ho goina; nivahiny Aho de nampadrosoinareo; 36 tsy nanagna akanjoAho de nampekanjoinareo; narary Aho de nikarakarainareo; de tagny am-pigadrana Aho de nandeha taminaha anareo.' 37 Ka ndregny marina de hamaly sady hizaka hoe: 'Tompo, ovena zahay no mahita Anao mosarena ka namahana Anao? Na te hinan-drano ka nampihinaninay ? 38 Ovena Anao no hitanay nivahiny ka nampandrosoinay? Na tsy niakanjo ka nampekanjoinay? 39 Ovena izahay no nahita Anao narary na tagny am-pigadrana ka nandeha taminao? 40 De ny mpanjaka namaly ka nizaka an'azy hoe: 'Zakaiko marina aminareo, zegny nataonareo tamin'ny rahalahiko farany bitaka io, de nataonareo taminaha.' 41 De izay hizaka amin'iary zareo zegny eo ankaviany hoe: ' Mengà aminaha, anareo zegny vôhozogna, ho agny amin'ny afo mirehitra mandrakizay zay efa vôhomagna ho an'ny devoly sy ny anjeliny, 42 satria mosarena Aho, fa tsy nomenareo hanina; te hinan-drano Aho, fa tsy nomenareo ho goina; 43 nivahiny Aho, de tsy nampandrosoinareo, tsy niakanjo Aho, nefa tsy nampekanjoinareo;narary sady tao am-pigadrana Aho, fa tsy nokarakarainareo.' 44 De namaly ndreka iary zareo ka nizaka hoe: 'Tompo! tamivena ahay nahita Anao mosarena, na te hinan-drano, na nivahiny, na tsy niakanjo, na narary, na ny tagny am-pigadrana, ka tsy nanompo Anao? 45 De Izy hamaly an'iary zareo ka hizaka hoe: ' Zakaiko marina aminareo, fa zay tsy nataonareo tamin'ny raika farany bitaka io, de tsy nataonareo taminaha.' 46 Io de ho alefa ho ao amin'ny fagnasaziana mandrakizay fa ny marina koza ao amin'ny fiaignana mandrakizay."