Toko faha 4

1 Izaho de magnome an'ity didy hentitra ity eo agnatrehan'Andriamanitra sy Jesôsy Kristy, zay hitsara ny velona mban'ny maty, de nony fisehony mban'ny fanjakany: 2 Mitoria ny teny. Mivognona na amin'ny fotoana tsy amin'ny fotoana. Magnanara, mizaka mafy, mandrisiha amim-paharetana mban'ny fampianarana marobe. 3 Satria ho avy ny fotoana zay tsy hazakan'olona ny fampianarana tena marina. Fa koza, iary zareo de hisafidy mpampianatra ho anazy zay mifagnaraka amin'ny zegny teny atao. sady hanampina ny tadigniny iary zareo. 4 Mba tsy harignesan'iary zareo ny tena fahamarinana, de hivilika ho agny amin'ny angano. 5 Kanefa anareo, de eritrereto tsara ny raha marobe. Hereto ny raha sarotra ; amboary n asan'ny evangelista; tanteragny fanompoanareo. 6 Satria aho de efa hisy angalaka sahady efa tonga ny fotoana engako. 7 Izaho de efa navita ny ady tsara ; efa navita by fiazakazahana aho; efa nitàna ny finoana aho. 8 Ny satro-boninahitry ny fahamarinana de efa voatokana ho anaha, zay omen'ny Tompo, ilay mpitsara marina, ho anaha amin'izany andro izany, sady tsy hoa anaha raika my, fa ho an'ny marobe zegny te ahita Anazy my koa. 9 Omeo aby zegny tsara aminao agny mba handiananao malaky aminaha aty. 10 Satria i Demasy efa nenga anaha . Teny izao tontolo izao ka dila agny Tesalonika izy. Kreska de nankany Galatiana, ary Titosy nankany Dalmatia. 11 Lioka raika my no miaraka aminaha. Alaivo i Marka de indosy miaraka aminao satria ilaiko amin'ny asa izy. 12 Tykiko de nalefako tagny Efasosy. 13 Ny lamba zay navelako tao Troasy miaraka amin'ny Karpo, de indosy igny ndreka tonga anao, de ny boky, indrindra fa ny mifogno hoditra. 14 Aleksandro zay mpanefy varaigna de nampiharihary ny asaratsy marobe taminaha. Ny Tompo de hamaly anazy araka ny asany. 15 Anao my koa de tokony hitandrigna ny tegnanao aminazy, satria izy de !manohitra be ny ra zakainay. 16 Tamin'ny ferovako tegna voalohany, tsy nisy nanohagna anaha. Nefa koza, ny olona marobe de nilefa anaha. Ôka mba tsy ho voaheloka amin'izany iary zareo. 17 Fa ny Tompo de nitsangana tambadika anaha teo ka nampaherey anaha mba, amin'ny alalako, ny fagnamboarana de afaka maregny ny Jentilisa marobe. Izaho de avotra tamin'ny vavan'ny liogna. 18 Ny Tompo de hagnavotra anaha amin'ny asan'ny ratsy marobe sady hamonjy anaha amin'ny fanjakany agny an-danitra. Ho anazy anie ny voninahitra mandrakizay doria. Amena. 19 Atofay veloma i Prisila, i Akoila, mban'ny zegny ankohonan'ny Onesiforosy. 20 Erasto de nipetraka tao Korinto, fa i Trofimo de nilozako fa narary ao Mileto. 21 Omeo zegny tena tsara avy aminao mba atongavana alohan'ny rirignina. Magnano veloma anao i Eolobolo, de Poda koa, Lino, Klaodio, mban'ny rahalahy marobe. 22 Hiaraka amin'ny fagnahinao anie ny Tompo. Ho aminareo anie ny fahasoavana.