Toko faha 3

1 Fantaro izao: amin'ny farany de hisy ny fotôn-tsarotra. 2 Satria ny olona ho te-tegna, te vola, ho mpirehareha, ho mpidera tegna, ho tsy mpagnaja an'Andriamanitra, tsy magnaja ray aman-dreny, tsy misôtra, sady tsy masina. 3 Tsy hanam-pitiavana ny fianakaviany iary zareo, mpanohitohitra, ho magnendrikendrika, tsy hahafehy tegna, hahary setra, tsy ho tia ny tsara. 4 Ho mpamadika iary zareo, tsisy eritreritra, mpagnambony tegna, tia fahafinaretana mihôtra noho ireo tian'Andriamanitra. 5 hanagna ny toetra kara ny an'Andriamanitra iary zareo, kanefa de handà ny heriny. Mengà amin'ny olona io. 6 Satria ny sanagny tamin'io de lilahy miditra ao an-tokantrano sady mahatara ny viavy foka. Io no viavy zay tsy afaka amin'ny fahotana sady vôtarika amin'ny filàna samihafa. 7 Io viavy io de mianatra fehizay, kanefa tsy ho tonga amin'ny fahafantarana ny fahamarinana mihitsy. 8 Karan'izany my koa i Jana sy i Jambra nitsangana noanohitra an'i Mosesy. Tamin'izany de nitsangana my koa ny mpampianatra sandoka io hanohitra ny marina. Iary zareo io de lilahy ratsy fisaignana, tsy nankasitrahana tamin'ny finôna. 9 Fa tsy handroso lavitra iary zareo. Satria ny hafokany de hita mazava amin'ny olona marobe, kara nen'ny lilahy io aby. 10 Fa na anareo koza, de efa nagnaraka ny fampianarako, ny fitondrana, ny fikasana, finôna, ny faharetam-po, ny fitiavana, ny faharetana, 11 ny fagnenjehana, ny fijalena, mban'ny zay mitranga taminaha tany Antiokia, tagny Ikonioma sady tagny Lystra. Niharitra ny fagnenjehana aho. Avy amin'ny maro aby io, de namanjy anaha ny Tompo. 12 Zegny maro te-hiaigna araka ny fomban'Andrimanitra amin'ny Kristy Jesôsy de ho enjehina. 13 Ny olon-dratsy mban'ny mpisandoka de ho agny amin'ny ratsy kokoa fehizay. Iary zareo de hitarika ny olon-kafa agny amin'ny lalan-diso. Sady iary zareo tegnany de ho vôtarika amin'izany. 14 Fa na anareo koza, mipetraka amin'ny raha zegny efa nenaranareo sady efa ninônareo mafy hoe avy amin'iza no efa nenaranareo. 15 Fantanareo fa hatramin'ny fahazazana de efa nahalala ny asa soratra masina anareo. Izy io de hahavita hampakanty anareo ho amin'ny famonjena amin'ny alalan'ny finôna an'i Jesôsy Kristy. 16 Ny Soratra Masina marobe de avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra. Izany tombony ho an'ny fotom-pampenarana, ho an'ny fanondrôna ny diso, ho an'ny fagnitsiana, de ho an'ny fampiofagnana amin'ny fahamarinana. 17 Izany de mba hatonga ny lehilahin'Andriamanitra hahay tsara, sady ho vôhomagna tanteraka amin'ny asa tsara maro aby.