Toko faha 8

1 Nilaza tamiko Yaveh hoe : "Makà vato fisaka lehibe ary soraty amin'izany hoe :"Mahera-Salala-Hasi-Baza.' 2 Hampiantso vavolombelona mahatoky hanamarina Ho Ahy Aho, dia Oria mpisorona, sy Zakaria zanaka lahin'i Jeberekia." 3 Nankany amin'ny mpaminany vavy aho, ary nanan'anaka ka niteraka zazalahy izy. Ary Yaveh nilaza tamiko hoe: "Ataovy hoe: 'Mahera-salala-hasi-baza.' ny anarany. 4 Fa mialohan'ny hahaizan'ny zaza miantso hoe: 'dadako,' sy 'neniko,' ny mpanjakan'ny Asyria dia haka ny haren'i Damaskosy sy ny babon'ny Samaria." 5 Niresaka tamiko indray Yaveh hoe: 6 "Satria ity vahoaka ity dia nandà ny rano misononok'i Siloa, ary faly eo amin-dRezina sy amin'ny zanaka lahin'i Remalia, 7 noho izany ny Tompo dia hitondra ireo ranon'ny renirano ho eo amin'izy ireo, mahery sy betsaka, ny mpanjakan'ny Asyria sy ny voninahiny rehetra. Ho tonga amin'ireo fantsony rehetra izany ka hahatondraka ireo morony. 8 Ny Renirano dia hifaoka manomboka ao amin'i Joda, hanondraka sy hamakivaky, mandra-pahatongan'izany eo amin'ny tendanao. Ireo elany mivelatra dia hameno ny sakan'ny tany, ry Imanoela." 9 Ho torotoro ianareo ry vahoaka. Mihainoa, ry firenana lavitra rehetra: vonony amin'ny ady ny tenanareo ary torotoroa; vonony ny tenanareo ary torotoroa. 10 Manaova fikasana, fa tsy ho tanteraka izany; mamoaha didy, fa tsy ho tanteraka izany, fa momba anay Andriamanitra. 11 Yaveh niteny tamiko, niaraka tamin'ny tanany mahery izay teo amiko, ary mampitandrina ahy tsy handeha amin'ny lalan'ity vahoaka ity. 12 Aza antsoina ho tetika ny zavatra izay antsoin'ity vahoaka ity ho tetika, tsy hatahotra izay hatahorany ianao, ary aza raiki-tahotra. 13 Fa Yaveh Tompon'ny maro no omenao voninahitra ho masina; Izy no ilay izay tokony hatahoranao, ary izy ilay izay tokony hangovitanao. 14 Ho tonga fitoerana masina Izy; fa ho vato famelezana Izy, ary ho vatolampy hanatafitohina_ ho an'ny ankohonan'Israely, ary ho an'ny vahoakan'i Jerosalema dia ho fandrika sy tonta Izy. 15 Maro no ho tafitohina amin'izany ka ho lavo ary ho rava, ho voafandrika ka ho baboana. 16 Fehezo ny fijoroako vavolombelona, ary asio tombo-kase ny firaketana ofisialy, ary omeo ireo mpianatro izany. 17 Hiandry an'i Yaveh aho, izay manafina ny tavany amin'ny ankohonan'i Jakoba; hiandry Azy aho. 18 Indro, izaho sy ireo zanako lahy izay nomen'i Yaveh ahy ho famantarana sy ho zava-mahagaga ao Israely avy amin'i Yaveh Tompon'ny maro, izay mipetraka eo amin'ny Tendrombohitr'i Ziona. 19 Hiteny aminao izy ireo hoe: "Anontanio ireo mpahita sy ireo mpisikidy," ireo izay tsindrian-javatra mimonomonona sy mibitsibitsika fiantsoana. Fa tsy tokony hanontany ny Andriamaniny ve ny olona? Tokony hanontany ny maty ho an'ny velona ve izy ireo? 20 Araka ny lalàna sy ny fijoroana vavolombelona! Raha tsy miteny zavatra tahaka izany izy ireo, dia satria tsy manana ny fahazavan'ny maraina. 21 Handalo eo amin'ny tany amin'ny fahoriana sy ny hanoanana lehibe izy ireo. Rehefa noana izy ireo, dia ho tezitra ary hanozona ny mpanjakany sy ny Andriamanitry, raha manandratra ny tavan'izy ireo ambony. 22 Hijery ny tany izy ireo ka hahita ny fahoriana, ny aizina, ary ny fanjombonana mampahory. Ho roahina makany amin'ny tanin'ny fahamaizinana izy ireo.