Toko faha 9

1 Hiala ny aizim-pito eo aminy izay tao anatin'ny fangirifiriana. Tamin'ny taloha dia nanala baraka ny tanin'i Zebolona sy ny tanin'i Naftaly Izy, nefa amin'ny fotoana aty aoriana dia hanao izany ho be voninahitra izy, sy lalana mankany amin'ny ranomasina, any an-dafin'i Jordana, ireo firenen'i Galilea. 2 Efa nahita fahazavana lehibe ny vahoaka izay mandeha amin'ny aizina; ireo izay efa niaina tao amin'ny tanin'ny aloky ny fahafatesana, efa namirapiratra teo amin'izy ireo ny fahazavana. [ Fanamarihana: raha tokony hoe: "ny aloky ny fahafatesana", ireo dikan-teny sasany manao hoe "aizina".] 3 Efa nampamaro ny firenena Ianao; efa nampitombo ny hafalian'izy ireo Ianao. Mifaly manoloana Anao izy ireo tahaka ny fifaliana amin'ny fotoan'ny fijinjana, toy ny olona faly rehefa mizara ny voaroba izy ireo. 4 Notorotoroinao toy ny tamin’ny andron’ny Midiana ny zioga mavesany, ny andry teo an-tsorony, ny tsorakazon’ny mpampahory azy. 5 Fa ny kiraro rehetra izay manitsaka eo amin’ny fikorontanana sy ireo akanjo mihoson-drà, dia ho dorana, atao solika ho an’ny afo. 6 Fa zaza no teraka ho antsika, zanaka lahy no nomena antsika, ary ny fanapahana ho eo amin'ny sorony; ary ny Anarany ho antsoina hoe Mpanolo-tsaina Mahagaga, Andriamanitra Mahery, Ray Mandrakizay, Andriandahin'ny Fiadanana. 7 Amin'ny fitombon'ny Governemantany sy amin'ny fiadanana dia tsy hisy farany, raha manapaka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida Izy, sy eo amin'ny fanjakany, mba hametrahany sy hanohanany izany amin'ny rariny sy fahamarinana tamin'ny nanomboka tamin'io fotoana io ary ho mandrakizay. Ny zotom-pon'i Yaveh Tompon'ny maro no hanao izany. 8 Nandefa teny ho an'i Jakoba ny Tompo, ary tonga teo amin'Israely izany. 9 Ny vahoaka rehetra hahafantatra, na dia i Efraima sy ireo mponin'i Samaria, izay miteny amin'ny fiavonavona sy fireharehan'ny fony hoe: 10 "Efa nianjera ireo biriky, nefa hatsangatsika indray amin'ny vato fandraka izany; efa voatapaka ireo amontana, fa ho solointsika sedera eo amin'ny toerany." 11 Noho izany hitsangana hanohitra azy i Yaveh dia i Rezina, ilay mpifanandrina aminy, ary hamporisika ireo fahavalony, 12 dia ireo Syriana avy any atsinanana, ary ireo Filistina avy any andrefana. Handevona ny Israely amin'ny vavany misanasana izy ireo. Amin'izany zavatra rehetra izany, tsy nihena ny fahatezerany; fa kosa, mbola mihinjitra ny tanany. 13 Nefa ny olona tsy hiverina Aminy izay namely azy ireo, na hitady an'i Yaveh Tompon'ny maro. 14 Koa dia ho tapahin'i Yaveh ny loha sy ny rambon'Israely, ny sampan-drofia sy ny volotara, ao anatin'ny indray andro. 15 Ny mpitarika sy ny olona mendri-kaja no lohany; ary ny mpaminany izay mampianatra lainga no rambony. 16 Ireo izay mitarika ireo vahoaka ireo no mitarika azy ireo amin'ny lalan-diso, ary ireo izay mitarika azy ireo no voatelina. 17 Noho izany tsy ho faly amin'ny zatovolahin'izy ireo ny Tompo na hanana fangoraham-po eo amin'ny kambotin'izy ireo sy ireo mpitondratena Izy, satria ny olona rehetra mpihatsaravelatsihy sy mpanao ratsy, ary ny vava rehetra miteny adalana. Amin'izany zavatra rehetra izany, dia tsy mihena ny fahatezerany; fa kosa, mbola mihinjitra ny tanany. 18 Fa ny faharatsiana mandoro toy ny afo; mandevona ny hery sy ny tsilo izany; mandoro ny kirihitr'ala aza izany, izay miakatra ao amin'ny savorovoron-tsetroka. 19 Amin'ny fahatezeran'i Yaveh Tompon'ny maro no mandoro ny tany, ary ny olona dia toy ny solika ho an'ny afo. Tsy misy olona miantra ny rahalahiny. 20 Handrapaka ny sakafo amin'ny tanana ankavanana izy ireo nefa noana ihany; hihinana ny sakafo amin'ny tanana ankavia izy ireo nefa tsy ho afa-po. Na dia ny tsirairay aza dia hihinana ny nofon'ny sandriny ihany. [ Fanamarihana: Raha toa ka "ny nofon'ny sandriny ihany", ny dikan-teny sasany manao hoe "ny nofon'ny zanany ihany".] 21 Manase handevona an'i Efraima, ary Efraima handevona an'i Manase; ka hiaraka hanafika an'i Joda izy ireo. Amin'izany zavatra rehetra izany, tsy hihena ny fahatezerany; fa kosa, mbola mihinjitra ny tanany.