Toko faha 60

1 Mitsangàna, mihazavà; fa tonga ny fahazavanao, ary efa nisandratra taminao ny voninahitr'i Yaveh. 2 Fa handrakotra ny tany ny aizina, ary ireo firenena ny aizim-pito; nefa hisandratra eo aminao Yaveh, ka ho hitanao ny voninahiny. 3 Ho tonga eo amin'ny fahazavanao ireo firenena, ary eo amin'ny tara-pahazavanao izay misandratra ireo mpanjaka. 4 Mijere manodidina ka tazano. Miara-miangona izy rehetra ka tonga eo aminao. Ho tonga avy any lavitra ireo zanakao lahy, ary ho entina eo an-tsandriny ireo zanakao vavy. 5 Dia hijery ianao ka ho miramirana, ary tokony hifaly sy ho safotra ny fonao, satria hararaka aminao ny habetsahan'ny ranomasina, ho tonga aminao ny haren'ireo firenena. 6 Handrakotra anao ireo andian-drameva, dia ireo rameva tanora any Midiana sy Efaha; ireo rehetra ireo dia ho avy any Sheba avokoa; hitondra volamena sy ditin-kazo manitra ireo, ary hihira fiderana an'i Yaveh. 7 Ireo ondry aman'osin'i Kedara rehetra dia hangonina eo aminao, ireo ondry lahin'i Nebaiota dia hety amin'izay ilainao; ho fanatitra ankasitrahina eo amin'ny alitarako ireo; ary homeko voninahitra ny tranoko be voninahitra. 8 Iza moa ireny manidina tahaka ny rahona, sy tahaka ny voromailala ao amin'ny fialofany ireny? 9 Mitady Ahy ny tany amorontsiraka, ary mitarika ny sambon'i Tarsisy, mba hitondra ireo zanakao lahy avy lavitra, ny volafotsiny sy ireo volamenany miaraka amin'izy ireo, ho an'ny anaran'i Yaveh Andriamanitrao, sy ho an'Ilay Masin'Israely, satria efa nanome voninahitra anao Izy. 10 Ny zanaka lahin'ireo hafa firenena hanangana indray ireo mandanao; ary hanompo anao ireo mpanjakany; fa na dia tamin'ny fahatezerako aza no namaizako anao, dia amin'ny fankasitrahako kosa no hangorahako anao. 11 Hisokatra hatrany hatrany ihany koa ireo vavahadinao; tsy hakatona na andro na alina ireo, mba hitondrana ny haren'ireo firenena, mbamin'ireo mpanjakany tarihina. 12 Ireo firenena sy ireo fanjakana izay tsy hanompo anao dia ho levona tokoa; ho rava tanteraka izany firenena izany. 13 Ho tonga aminao ny voninahitr'i Libanona, ny hazo kypreso, ny kesika, ary ny bokso miaraka, dia hanendrika ny fitoerako masina; ary hanome voninahitra ny fitoeran-tongotro Aho. 14 Ho tonga eo aminao mba hiankohoka izy ireo, dia ny zanaka lahin'ireo izay nanetry anao; hiankohoka eo an-tongotrao izy ireo; hiantso anao hoe Ilay tanàn'i Yaveh izy ireo, dia i Zion'Ilay Masin'Israely. 15 Ho solonao nilaozana sy nankahalaina, ka tsy misy mandalo anao, dia hataoko zavatra fireharehana mandrakizay ianao, fifaliana hatramin'ny taranaka mifandimby. 16 Hisotro ny rononon'ireo firenena ihany koa ianao, ary hinono eo amin'ny tratran'ireo mpanjaka; dia ho fantatrao fa Izaho, no Yaveh, Mpamonjy anao sy Mpanavotra anao, Ilay Masin'i Jakoba. 17 Ho solon'ny varahina dia hitondra volamena Aho, ho solon'ny vy dia hitondra volafotsy Aho; ho solon'ny hazo, dia varahina; ary ho solon'ny vato, dia vy. Hanendry fiadanana ho governoranao aho, ary rariny no mpanapakao. 18 Tsy ho re ao amin'ny taninao intsony ny herisetra, na fandravana na fahapotipotehina ao amin'ireo faritaninao; fa ho antsoinao hoe Famonjena ireo mandanao, ary Fiderana ireo vavahadinao. 19 Tsy ho fahazavanao ny andro intsony ny masoandro, na hamiratra aminao ny fahazavan'ny volana; fa Yaveh no ho fahazavanao maharitra mandrakizay, ary ny Andriamanitrao no voninahitrao. 20 Tsy hilentika intsony ny masoandronao, na hiala ka hanjavona ny volanao; fa Yaveh no ho fahazavanao maharitra mandrakizay, ka hifarana ireo andro fisaonanao. 21 Ho marina avokoa ny vahoakanao rehetra; haka ny tany amin'ny fotoana rehetra izy ireo, dia ny rantsan'ny voliko, ny asan'ny tanako, mba homena voninahitra Aho. 22 Ho tonga an'arivony ny kely, ary ho firenena matanjaka ny bitika; Izaho, Yaveh, dia hanatanteraka ireo faingana rehefa tonga ny fotoana.