Tokoa faha 59

1 Indro, ny tanan'i Yaveh tsy fohy akory ka tsy hahavonjy; ary ny sofiny tsy lalodalovana, ka tsy handre. 2 Ny asa ratsinareo, kanefa, no nampisaraka anareo tamin'ny Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no nahatonga Azy hanafina ny tavany aminareo ka tsy hihaino anareo. 3 Fa tasin'ny rà ny tananareo ary ny ratsan-tananareo tasin'ny fahotana. Milaza lainga ny molotrareo ary ny lelanareo miteny amin-kafetsena. 4 Tsy misy miantso ny marina, ary tsy misy mifona amin'ny fahamarinana. Mitoky amin'ny teny foana izy ireo, ary milaza lainga; lainga no torotoroniny ary fahotana no aterany. 5 Mikotrika atodim-bibilava feno poizina izy ireo ary manenona tranon-kala. Izay rehetra mihinana ny atodiny dia maty, ary raha misy atody voahitsaka, dia foy ho bibilava feno poizina izany. 6 Tsy azo ampiasaina hatao akanjo ny tranon-kalany, na afaka manarona ny tenany ny asany. Asan'ny fahotana ny asany, ary asan'ny herisetra no eo an-tanany. 7 Mihazakazaka ho any amin'ny ratsy ny tongony, ary mihazakazaka handatsaka rà tsy manan-tsiny izy ireo. Fihevitra fahotana ny fiheviny; herisetra sy fandravana no lalany. 8 Ny lalan'ny fiadanana tsy mba fantatr'izy ireo, ary tsy misy rariny eo amin'ny lalany. Nanamboatra lala-meloka izy ireo; izay rehetra mandeha amin'izany lalana izany dia tsy mahita fiadanana. 9 Noho izany dia lavitra anay ny rariny, ary tsy mahatratra anay ny fahamarinana. Miandry fahazavana izahay, nefa mahita aizina; mitady famirapiratana izahay, kanefa mandeha amin'ny aizina. 10 Mitsapatsapa rindrina tahaka ny jamba izahay, tahaka ireo izay tsy mahita. Voafingana amin'ny atoandrobenanahary izahay toy ny hoe amin'ny takariva; eo amin'ny ireo mahery dia tahaka ny olona maty izahay. 11 Mierona tahaka ny bera izahay ary mitolokoloko tahaka ny voromailala; miandry rariny izahay, saingy tsy misy; miandry fanavotana, saingy lavitra anay izany. 12 Fa eo anoloanao ny helokay, ary ny fahotanay no miampanga anay; fa ny helokay dia miaraka aminay, ary fantatray ny fahotanay. 13 Nikomy izahay, nandà an'i Yaveh ary niala tamin'ny fanarahana ny Andriamanitray. Nilaza fampahoriana izahay ary nivily lalana, namorona fitarainana avy ao am-ponay sy teny lainga. 14 Nesorina ny rariny, ary mijoro lavitra dia lavitra ny fahamarinana; fa tafintohina eny ankalamanjana ny fahamarinana, ary tsy ho tonga ny marina. 15 Efa dify lavitra ny fahamendreham-pitokisana, ary ilay iray izay miala amin'ny ratsy no mahatonga ny tenany ho tra-doza. Hitan'i Yaveh izany ary tsy faly Izy fa tsy misy ny rariny. 16 Nahita Izy fa tsy misy olona, ary talanjona fa tsy mba misy miditra an-tsehatra. Noho izany dia ny tanany ihany no nitondra famomjena ho Azy, ary ny fahamarinany no nanohana Azy. 17 Mitafy fahamarinana ho saron-tratra Izy ary aro-loha famonjena eo amin'ny lohany. Nitafy ankanjo valifaty izy ary nanao ny zotom-po ho aron'akanjo. 18 Novaliany noho izay vitany izy ireo, dia fitsarana feno fahatezerana amin'ny rafiny, famaliana ho an'ny fahavalony, ary famaizana ho valim-pitian'ireo. 19 Koa dia hatahotra ny anaran'i Yaveh avy any andrefana izy ireo, ary ny voninahiny avy any amin'ny fiposahan'ny masoandro; fa ho avy tahaka ny riaka mipaoka Izy, izay entin'ny fofonain'i Yaveh. 20 "Misy mpanavotra tonga ao Ziona ary amin'ireo izay miala amin'ny asany feno fikomiana ao amin'i Jakoba—izany no fanambaran'i Yaveh. 21 Raha ny amiko, dia izao no fanekeko amin'izy ireo—hoy Yaveh—ny fanahiko izay ao amin'izy ireo, ary ny teniko izay napetrako teo am-bavanao, dia tsy hiala amin'ny vavanao, na hiala amin'ny vavan'ireo zanakao, na hiala amin'ny vavan'ireo zafinao—hoy Yaveh—manomboka izao ka ho mandrakizay."